Voir plus d'infos...
Archive du 20180630
30/06/2018
Rehefa voalaza fa tsy nisy hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly zoma 29 jona 2018 dia nanao rodobe nandalo naka vaovao mikasika ny LFR tety amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena ireo sendikalista ma avy amin’ny ministera maromaro (Fampianarana, Fitaterarana ary Paositra sy fifandraisan-davitra).
30/06/2018
Fantatra araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanànan’Alasora Marc Ramiarinjatovo fa natolotr’Itpkl Pr Zafy AlberT azy ireo antontan-kevitra maro momba ny Fampihavanam-pirenena, ny Demokrasia ary ny fanorenana ifotony.
30/06/2018
Nitombo iray ireo hery politika mikambana eo anivon’ny vovonana Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI).
30/06/2018
Inona no tena antom-pisian’ireo milaza azy ho hery afovoany na ireo mpanao politika fatra-pilaza azy ireo ho « neutre » ao anatin’izao toe-draharaha politika efa hita ho miha mitontongana hatrany izao ?
30/06/2018
Hotontosaina anaty fotoam-pahavaratra indray ny fifidianana amin’ity taona ity. Fomba efa hita ny naharatsy azy io hatramin’ny taona 2001 no ho nankaty fa dia mbola hatao ihany.
30/06/2018
Miditra amin`ny kihon-dalana farany amin` ny fanomanana ny fifidianana isika satria tapaka taorian`ny fanapahan-kevitra no raisin`ny Filankevitry ny governemanta ireo daty ofisialy hanatanterahana izany fifidianana izany.
30/06/2018
Dia ahoana ry Jean aa! Inona moa izany no ho teneninay eo manoloana izao ompa variraraka tsy mitsahatra afafinareo aminay isan’andro izao fa dia ny mitaty ee!
30/06/2018
Mbola nitohy omaly zoma teo ny grevy narahina filaharana tao Tolagnaro renivohitry ny faritra Anosy ka nizara roa ireo mpanao fihetsiketsehana.
30/06/2018
Hanomboka anio sabotsy 30 jona ireo 1/8-ndalan’ny Mondial 2018 tontosaina any Rosia.
30/06/2018
Rehefa tsy mety ny atao, na ny ranon’ampango sotroina aza misy voay. Izay no azo amehezana ny zavatra nanjo an’Ingahy minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien tetsy Anosy omaly. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpiasa nolazaina ho nahavita be sy mendrika miisa 281.
30/06/2018
Na nisy aza ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Repobilika sy ny Praiminisitra, hiantso ny mpampianatra hiverina hampianatra dia namaly botana ny sendikan’ny mpampianatra ao Vakinankaratra.
30/06/2018
Matroka tanteraka ny tarehimarika ara-toekaren’I Madagasikara nanomboka tamin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009.
30/06/2018
Hanatanteraka rindran-kira goavana esty amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny TGC ( Tana Gospel Choir) rahampitso Alahady fiandohan’ny volana Jolay, manomboka amin’ny 03 ora folakandro. Efa lera no anarana hampitondraina ny hetsika hanairana ny sain’ny rehetra ny amin’ny tokony hanomanana ny fiainana mandrakizay.
30/06/2018
Novonoina ny olona ary nodorana ny tanàna nony avy eo. Izany no nanjo ny kaominina ambanivohtira Sakay ny alin’ny alakamisy teo. Dahalo an-jatony no indray nanafika ary nitifitra avy hatrany raha vao nisy nanohitra tao an-tanàna. Olona fito no namoy ny ainy ary omby an-jatony no lasa. Tsy nionona tamin’izany ireo dahalo fa mbola nodorany koa ny tranon’ny olona maro tao amin’ilay toerana.
30/06/2018
Nandalo ny lalana rehetra tokony ho nandalovany iny LFR na lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2018 vao nolanian’ny solombavambahoaka teo iny, hoy ny minisitry ny vola sy fitantanambolam-panjakana Vonintsalama Andriambololona tamin’ny fivoahany ny efitrano fivorian’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly.
30/06/2018
Nanatanteraka fitokonana teny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Total teny Ankorondrano omaly ny fivondronan’ireo olon-tsotra miady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny RNDC( fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa) ary ireo fiarakaretsaka miasa eto an-drenivohitra.
30/06/2018
Anisan’ny toerana tena be mpivaro-kena indrindra eny ambonin’ny tetezan’Ampasika raha hihazo an’iny faritra Itaosy iny. Antony nanaovany ny anarany ho Bekoveta mihitsy izany noho ny hamaroan’ireo koveta feno karazan-kena hamidy eny an-toerana.
30/06/2018
Iaraha-mahita ny kolikoly ateraky ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara.
30/06/2018
Iaraha-mahalala ny fiankinan-dohan’i Madagasikara amin’ny famatsiam-bola any ivelany. Raha tsy hilaza fotsiny ny momba ny fanampiana hikarakarana ny fifidianana izay mitontaly 12 tapitrisa dolara na 40 miliara ariary eo ho eo ao anatin’ilay tetikasa “basket fund”.