Fil d'actualités du 18/09/2018

  • 18/09/2018 - 11:00 : FITSARAM-BAHOAKA: Miisa 26 ireo olona matin'ny fitsaram-bahoaka hatramin'ny fiandohan'ity taona 2018 ity.

  • 18/09/2018 - 10:30 : MAHAJANGA:Rasazy iray ao amin’ny CHU Androva no voarohirohy amin’ny fangalarana ilay zaza mena vava ary efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana.

  • 18/09/2018 - 10:00 : FIFIDIANANA : Andrasana anio ny fahatongavan'ny Mpanolontaaina manokana eo anivon'ny Firenena Mikambana, Dia ny Pr Abdoulaye Bathily hijery ny resaka zotram-pifidianana, ka hijanona eto hatramin'ny 18 septambra.

  • 18/09/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA - FIFANINTSANAN'NY CAN 2019: Ny 13 oktobra any Malabo ny lalao mandroso hifanandrinan'i Madagasikara sy Guinée Équatoriale ary ny 16 oktobra kosa ny lalao miverina aty amintsika.

  • 17/09/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Efa mitsangana ny "comité de soutien" any Washington vonona hanohana ara-bola azy.

  • 17/09/2018 - 12:00 : SANDAM-BOLA: Tsy maintsy hakarina ny sandam-bola Malagasy satria tena mitotongana, hoy i Marc Ravalomanana.

  • 17/09/2018 - 11:30 : PESTA: Olona roa no voalaza fa matin'ny aretina Pesta tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Anjoma, ao amin'ny ditrikan'ny Ambalavao. Ny iray fantatra fa matin'ny Pesta "bubonique" ary ny iray kosa "pulmonaire".

  • 17/09/2018 - 11:00 : TONTOLON'NY LAMAODY: Hatao ny 24-28 septambra 2018 eny amin’ny IKM Antsahavola ny andiany faha-efatra amin’ny “Madagascar fashion week Océan Indien”, ka mpamorona lamaody folo mahery hampiseho an’ireo akanjo, poketra, firavaka, taovolo sy ny maro hafa ampiasaina amin’ny vanim-potoana mafana taona 2018 – 2019.

  • 17/09/2018 - 10:30 : BAKALOREA: Afaka manohy ny laza adina ireo tsy tonga ny maraina teo noho ny tsy fisian'ny naoty farany mitarika tsy fahafahana.

  • 17/09/2018 - 10:00 : TSIPY KANETIBE: Tompondaka lefitra eran-tany i Taratra Rakotoninosy rehefa resin'ilay Frantsay Dylan Rocher, tamin'ny isa 47-57 teo amin'ny famaranana. Niteraka disadisa ny fomba fitsarana ny lalao.

Voir plus d'infos...

18/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180704

Misongadina

Mangotraka ny eny Ankatso Nifanjevo ny Emmo-reg sy ny mpianatra

04/07/2018

Nifanjefo tamin’ny alalan’ny fifamaliana tora-bato sy baomba mandatsa-dranomaso indray ny mpianatry ny anjerimanontolo sy ny Emmo-reg omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Madagasikara Atahorana ho tafiditra anaty ady saritaka

04/07/2018

Miatomboka amin’ny atao hoe disadisa na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe « turbulence » ny savorovoro ao anaty fiarahamonina iray, raha ny fikarohana nataon’ireo mpahay fanelanelanana na irony « Mediologue » irony.

Hamaky ny tohiny...

Lalàm-pifidianana manjavozavo Hararaotin-dRajoelina hanaovana propagandy

04/07/2018

Fihetsika atao mialoha ny fampielezan-kevitra ny atao hoe “pré campagne”, izany hoe fiomanana mialoha ny tena fampielezan-kevitra.

Hamaky ny tohiny...

Lalàm-pifidianana manjavozavo Hararaotin-dRajoelina hanaovana propagandy

04/07/2018

Fihetsika atao mialoha ny fampielezan-kevitra ny atao hoe “pré campagne”, izany hoe fiomanana mialoha ny tena fampielezan-kevitra.

Hamaky ny tohiny...

Paikady maloto amin’ny fifidianana Hozarazaraina ny vaton’ny afovoan-tany

04/07/2018

Samy manomana ny paikadiny amin’ny fifidianana ny mpanao politika Malagasy, ary hanao izay faraheriny tanteraka hampahomby ny kajikajiny avy. Ao ny manao vazaha mody miady, ka samy mirotsaka mba hanimbana vato fotsiny. Amin’ny ankapobeny, ny afovoan-tany dia faritra tena be mpifidy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Famahana ny olan’ireo sendika Mety tsy ho vita amin’ity taona ity

04/07/2018

Raha ny fihetsiky ny fitondram-panjakana ankehitriny aloha dia mbola tsy hita veroka ho vonona hamaha ny fitakiana sendikaly.

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pitsarana mafampana Miato avokoa aloha ?

04/07/2018

Mijanona sy vitavita ho azy ny raharaham-pitsarana lehibe amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao. Tampina tanteraka ny daomy momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy, efa nivalona ny dosie Antsakabary, tantara sisa ny raharaha Houcine Arfa sy ny karazana kolikoly tao amin’ny fitsarana toy ny fandorana taratasim-panadinana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha …

Hamaky ny tohiny...

Toeram-pamokarana herinaratra ao Ambatolampy 4 MW fa tsy 20 MW no vitany hatreto aloha

04/07/2018

Famitahana sy fampiesonana vahoaka ve sa tena tsy fahamatorana amin’ny fomba fiasa noho ny fahataitairana fa dia re izao fa tsy mahavokatra herinaratra afa-tsy 4MW amin’ilay 20 MW nambara ilay toeram-pamokarana herinaratra lehibe amin’ny alalan’ny masoandro natsangana ao Ambohipihaonana Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Sport

Mondial 2018 -Ampahavalon-dalana I Suède sy Angleterre no tafita farany omaly

04/07/2018

I Suède sy Angleterre nandresy avy an’i Suisse 1-0 sy Colombie 4-3 taorian’ny “tirs au but” no tafita farany hiatrika ny 1/4-dalan’ny Mondial Russie 2018 ka hifandona any Samara ny sabotsy 7 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 5 ora tolakandro

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tany tsy misy lalàna

04/07/2018

Tsy milamina ny tany fa samy manao izay saim-patany e ! Toy ny tany tsy misy lalàna intsony, ka raha fitoniana no ambara fa katsahina eto, dia fifanjevoana no mety ho teraka ary efa manomboka izy io.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Koperativa mihazo an’i Manalalondo Fiara lehibe sy 4x4 ny 99 %-n’ireo miasa ao

04/07/2018

Fiara tsy mataho-dalana sy fiara lehibe ny 99 %-n’ireo fiara miasa mampitohy an’Antananarivo amin’i Manalalondo Arivonimamo, araka ny fanadihadiana natao teny Anosizato, tobim-piantsonana misy azy ireo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fikarohana ataon’ny mpianatra Ny vola enti-miasa hatrany no olana

04/07/2018

Betsaka amin’ireo tanora mpianatra eto amintsika no mahavita zavatra tsara rehefa manao fikarohana.

Hamaky ny tohiny...

Fiverenana an-dakilasy Hiankina amin`ny filankevitry ny minisitra anio

04/07/2018

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan’ny sendikan`ny mpampianatra sy ny praiminisitra Ntsay Louis Christian ny alatsinainy lasa teo. Vonona hiaraka hitady vahaolana sy hifampidinika izy ireo mba hamaliana ny fitakian`ireo mpampianatra.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fihinanana odin-kankana Isan- telo volana ho an’ny zaza, isaky ny roa taona ho an’ny lehibe

04/07/2018

Betsaka ireo olona tsy maharaka intsony ny fotoana tokony hihinanana odin-kankana noho ny rotorotom-piainana isan’andro.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampiroboroboana ny fanondranan’entana Hampitomboina avo 3 heny

04/07/2018

Avy eto Antananarivo avokoa, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy, ny 80%-n’ireo entana aondrana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

VOTSOTRA ILAY TERATANY KARANA

04/07/2018

Votsotra omaly tamin'ny enina ora maraina ilay karàna antsoina hoe Nizhar Pirbay. Salama tsara izy saingy tsy fantatra kosa izay vola naloany tamin'ity famotsorana ity. Notazomina nandritry ny 25 andro izy raha hiverenana kely

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

04/07/2018

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalàm-pirenena faha-4 iny omaly. Fiara lehibe iray mantsy no nivadika ambony ambany tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andriba, ka olona 4 no voalaza fa namoy ny ainy nandritra izany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Hain-trano teny Manarintsoa Afovoany Lasantsy no nampirehetana ny afo…

04/07/2018

Mety ho resaka kakay no antony nahatonga ny firehetana trano maro be tetsy Manarintsoa Afovoany omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora satria nisy nandraraka lasantsy ny varavaran’ny tokantrano iray dia iny no niteraka firehetana tsy voafehy, hoy ny mponina sasany.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fanondranana lavanila sy jirofo Voalohany maneran-tany i Madagasikara

04/07/2018

Nihatsara hatrany ny fanondranana ny vokatry ny jirofo sy lavanila tanatin’ny 3 taona farany teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana