Fil d'actualités du 22/01/2019

  • 22/01/2019 - 17:00 : FANATANJAHANTENA: Voafidy faninefany ho filohan'ny Komity Olaimpika Malagasy na ny COM i Siteny Andrianasoloniaiko tamin'ny fifidianana natao androany 22 janoary. Tsy nanana mpifaninana izy.

  • 22/01/2019 - 15:00 : BAOLINA KITRA: Voasazin'ny tribonaly Espagnole 23 volana an-trano maizina sy onitra 14,5 Millions Euro ilay lohalaharana Portugey Christiano Ronaldo noho ny hosoka tamin'ny fandoavan-ketra ny taona 2011 sy 2014.

  • 22/01/2019 - 14:30 : BNGRC: "Noho ny orana dia aoka ho mailo amin ny fihotsahan ny tany ireto faritra MENA ireto Ambohipotsy Andafy Avaratra Manjakamiadana Andohamandry Ampamarinana".

  • 22/01/2019 - 14:15 : ANDRY RAJOELINA: Naneho fiaraha-miory sy nirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo noho ny fihotsahan'ny tany teto an-dRenivohitra ity Filohan'ny Repoblika ity androany.

  • 22/01/2019 - 13:50 : FAMPIANARANA: Mbola hiato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana any Ambanja, Antsiranana, Nosy Be noho ny rano miakatra naha dibo-drano ny sekoly marobe, raha ny fanazavan'ny lehiben'ny CISCO any Ambanja.

  • 22/01/2019 - 13:30 : MAHAJANGA: Dibo-drano ny ankamaroan'ny faritra iva, saingy tsy mbola misy kosa ny traboina hatreto, hoy ny ben'ny tanàna Mokthar Salim Andriantomanga.

  • 22/01/2019 - 13:15 : FIKAROHANA IREO TOTOTRY NY TANY: Efa somary hita soritra ny misy ireo olona 4 mbola tsy hita tototry ny tany eny Tsimialonjafy Andohalo satria noho ny fofona mivoaka saingy matevina ny tany ka mananosarotra ny fanesorana izany.

  • 22/01/2019 - 12:55 : ORINASA AMBATOVY: Nanolotra fanafody sy kojakoja fampiasa amin'ny fitsaboana (seringues, cathéters, perfuseurs) tao Toamasina ny Orinasa Ambatovy ho fandraisana anjara amin'ny ady atao amin'ny valanaretina kitrotro.

  • 22/01/2019 - 12:30 : FANILON'I MADAGASIKARA - FIANTSOANA VONJY: "Miangavy antsika skoto rehetra, lehilahy, vehivavy izay afaka hanome tanana izao maraina izao ny mpamonjy aina eny Andohalo mba ho avy miaraka amin'ny angady sy "seaux" ho fikarohana ny vatana mangatsiakan'ny vady sy ny zanaky ny Filoha Iombonana Fanilon'i Madagasikara teo aloha Nini Raharimanana, izay namoy ny ainy ihany koa. Mitondra foulard".

  • 22/01/2019 - 12:00 : ROLAND RATSIRAKA: Mandeha ny resaka fa i Rolland Ratsiraka no mety hotendrena ho governoran'i Toamasina. Izy izany no hanatanteraka ilay fampanantenana hoe Toamasina ho lasa tahaka an'i Miami ?

Voir plus d'infos...

21/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180709

Misongadina

Tolon’ny 13 mey Miroso amin’ny dingana manaraka

09/07/2018

Hiova endrika ny tolon’ny fanovana notarihin’ny depiote TIM sy ireo avy amin’ny tsy miankina manomboka izao. Manomboka anio alatsinainy 9 jolay mantsy dia tsy eo amin’ny kianjan’ny 13 mey intsony ny hetsiky ny fanovana fa isaky ny minisitera indray.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampielezan-kevitra Mampiasa teny mampanonofy ny mpanao politika

09/07/2018

Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana. Efa mipoitra tsikelikely ireo mikasa hirotsaka ary hanao tohivakana ny fanambarana mandra-pahatonga ny tena fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Adino sy takon’ny fifidianana

09/07/2018

Raha ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana, dia efa andrim-panjakana iray manana ny tetibolany mihitsy ny Filankevitra momba ny fampihavanana na ny CFM, ary mandray karama tsy tapaka ireo olona voafidy sy notendrena ho mpikambana ao anatin’io ka tsy tokony ho any amin’ireo lafiny ireo velively no sakana.

Hamaky ny tohiny...

Jean Omer Beriziky Kandidan’ny “Grand Nord”

09/07/2018

Iray amin’ireo kandida hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky, araka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo teny amin’ny Villa La Franchise Ivandry, fonenan’i Pr Zafy Albert fahavelony.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Afaka Hanangon-tsonia handavana ny fifidianana kitoatoa

09/07/2018

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena ho an’ny vondron’ny tanora eo anivon’ny Madagasikara Afaka, tarihin’Andrianjakatiana Johny Paul.

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Sempotra ny fanjakana

09/07/2018

Iray volana mahery izao no nitsanganan’ny governemanta Ntsay Louis Christian. Iaraha-mahita fa mikatso ny raharaham-pirenena. Mipoitra daholo ny karazana olana kanefa tsy misy voavaha.

Hamaky ny tohiny...

Senatera Dr Benessy Harison Sebastien « Aleo hapetraka ny fitoniana hanomanana fifidianana »

09/07/2018

Anisan’ny mpanao politika eto Toamasina miteny isaky ny misy zavatra tsy mety sy mpiara-miasa amin’ny olon-drehetra, ary mpanao asa soa ho an’i Toamasina amin’reo asa sosialy fanaon’ny fikambanana politika tarihany, “FIMAMI”, ny senatera Dr Benessy Harison Sebatien.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Leo sangodim-panina

09/07/2018

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Sao dia manamaina marina aza ?

09/07/2018

Mbola tena milamina marina ve aloha ianareo ao ry Jean a ? Sao dia manamaina marina ary le ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Olan’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Vonona hifampiresaka ny minisitra Maharante

09/07/2018

Misy voavidy vola ireo mpiasa manatanteraka fitokonana eo anivon’ny paositra Malagasy ankehitriny raha araka ny feo mandeha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kardinaly Désiré Tsarahazana Ho avy rahampitso eto Madagasikara

09/07/2018

Efa tsara homana ny fitsenan’ny vahoakan’i Toamasina sy ny mpino Katolika ny fahatongavan’ny kardinaly Tsarahaza Désiré handray ny birao fiasany izay hijanona ao Toamasina ny 13 jolay ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

FJKM Anosipatrana Ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona Mankalaza ny faha-150 taona niorenany ny

09/07/2018

FJKM Anosipatrana ankehitriny. Tamin’ny sabotsy 8 jolay teo no nanomboka ny fankalazana nanasana ireo sinoda sy ny zanaka ampielezana ary nanomezana sakafo azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Mondial 2018 Narodan'i Croatie ny nofinofin'i Russie

09/07/2018

Nahintsan'i Croatie tamin'ny "tirs au but" 4-3 tamin'ny lalao ampahefa-dalana farany notontosaina ny sabotsy alina teo i Russie mpampiantrano rehefa nisaraka ady sahala 2-2 ny roa tonta taorian'ny fanalavam-potoana.

Hamaky ny tohiny...

Rugby teny amin’ny kianjan’i Makis Rava tsy lera ny fihaonan’ny Asa st XV Avenir

09/07/2018

Raha nizotra antsakany sy andavany ireo lalao rehetra nokarakarain’Atsimondrano sy « Comité Technique Tanà-Ville »

Hamaky ny tohiny...

« Telma Coupe de Madagascar 2018 » Misongadina ireo ekipa vaventy

09/07/2018

Nahazoam-bokatra ny ampahany vitsivitsy tamin’ny 1/16-ndalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara na ny Telma Coupe de Madagascar 2018. Nisongadina tamin’ireo vokatra azon’ny Tia Tanindrazana ny fisongadinan’ireo ekipa lehibe efa fanta-daza sy efa zatra mandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Ireo vokatra azo :

Hamaky ny tohiny...

Edito

« Revy degany »

09/07/2018

Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena na teo aza ny fitsanganan’ny governemanta, izay nambara fa handamina ny firenena sy hitondra an’i Madagasikara any amin’ny fifidianana mangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe tsy manara-dalàna Misy mandroaka mpamily avy hatrany ireo koperativa

09/07/2018

Tsy mety tapitra ny resa-be mikasika ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny taksibe tato ho ato. Voakasika manokana ny eto an-drenivohitra izay mihodina an-dalana ny ankamaroany fa tsy misy tonga any amin’ny toby fiantsonana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Olan’ny fampianarana Malagasy Tokony hovahana ao anatin’ny hateloana, hoy ny ABA

09/07/2018

Ahiana hitatra ka ho lasa olana ara-tsosialy goavana, hanampy trotraka ny fifandroritana ara-politika eto amintsika ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Valanaretina pesta Mila mailo hatrany

09/07/2018

Tonga nanome voninahitra ny fivoriana ny fanazavana ny valin’ny hetsika rehetra natao momba ny ady amin’ny pesta sy ny fanamafisana hatrany ny ady mbola atao amin’ny valanaretina, ny praiminisitra Ntsay Christian.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Olan’ny fampianarana Malagasy Tokony hovahana ao anatin’ny hateloana, hoy ny ABA

09/07/2018

Ahiana hitatra ka ho lasa olana ara-tsosialy goavana, hanampy trotraka ny fifandroritana ara-politika eto amintsika ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

St VINCENT de PAUL AMBATONILITA

09/07/2018

Mitohy hatrany ny hetsika fandavan’ireo mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra ary maintimolaly nandalo nandranto fianarana teo anivon’ny lisea St Vincent de Paul Ambatonilita ny fanakatonana ity toeram-panabeazana nahavita be tao anatin’ny 120 taona ity. Ny sabotsy teo izy ireo dia nampiaka-peo teny an-toerana indray ary nampahatsiahy fa efa maro ireo olomanga nivoaka avy eo anivon’ny sekoly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Salon de massage Tena misy mampivaro-tena ireo tovovavy mpanotra sasany

09/07/2018

Mitombo isa hatrany ireo “salon de massage” eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Vadina mpilalao kitra iraisam-pirenena Manao asa soa ao Brickaville isan-taona

09/07/2018

Tsy manadino ireo Malagasy mila ny fanampiany isaky ny mandalo an-tanindrazana i Marinaah Doumbia, teratany Malagasy avy ao Andovoranto Brickaville vadina mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena Ivoarianina milalao eo anivon’ny “Sporting Club de Portugal”.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Mpianatra manana mari-pahaizana LMD Sahirana amin’ny fitadiavana asa

09/07/2018

Tamin’ny sabotsy 7 jolay farany teo no nanao atrikasa nasionaly hanavaozana ny didim-pitondran’ny mari-pahaizana LMD ho lasa didim-panjakana ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny asam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana