Fil d'actualités du 22/01/2019

  • 22/01/2019 - 17:00 : FANATANJAHANTENA: Voafidy faninefany ho filohan'ny Komity Olaimpika Malagasy na ny COM i Siteny Andrianasoloniaiko tamin'ny fifidianana natao androany 22 janoary. Tsy nanana mpifaninana izy.

  • 22/01/2019 - 15:00 : BAOLINA KITRA: Voasazin'ny tribonaly Espagnole 23 volana an-trano maizina sy onitra 14,5 Millions Euro ilay lohalaharana Portugey Christiano Ronaldo noho ny hosoka tamin'ny fandoavan-ketra ny taona 2011 sy 2014.

  • 22/01/2019 - 14:30 : BNGRC: "Noho ny orana dia aoka ho mailo amin ny fihotsahan ny tany ireto faritra MENA ireto Ambohipotsy Andafy Avaratra Manjakamiadana Andohamandry Ampamarinana".

  • 22/01/2019 - 14:15 : ANDRY RAJOELINA: Naneho fiaraha-miory sy nirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo noho ny fihotsahan'ny tany teto an-dRenivohitra ity Filohan'ny Repoblika ity androany.

  • 22/01/2019 - 13:50 : FAMPIANARANA: Mbola hiato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana any Ambanja, Antsiranana, Nosy Be noho ny rano miakatra naha dibo-drano ny sekoly marobe, raha ny fanazavan'ny lehiben'ny CISCO any Ambanja.

  • 22/01/2019 - 13:30 : MAHAJANGA: Dibo-drano ny ankamaroan'ny faritra iva, saingy tsy mbola misy kosa ny traboina hatreto, hoy ny ben'ny tanàna Mokthar Salim Andriantomanga.

  • 22/01/2019 - 13:15 : FIKAROHANA IREO TOTOTRY NY TANY: Efa somary hita soritra ny misy ireo olona 4 mbola tsy hita tototry ny tany eny Tsimialonjafy Andohalo satria noho ny fofona mivoaka saingy matevina ny tany ka mananosarotra ny fanesorana izany.

  • 22/01/2019 - 12:55 : ORINASA AMBATOVY: Nanolotra fanafody sy kojakoja fampiasa amin'ny fitsaboana (seringues, cathéters, perfuseurs) tao Toamasina ny Orinasa Ambatovy ho fandraisana anjara amin'ny ady atao amin'ny valanaretina kitrotro.

  • 22/01/2019 - 12:30 : FANILON'I MADAGASIKARA - FIANTSOANA VONJY: "Miangavy antsika skoto rehetra, lehilahy, vehivavy izay afaka hanome tanana izao maraina izao ny mpamonjy aina eny Andohalo mba ho avy miaraka amin'ny angady sy "seaux" ho fikarohana ny vatana mangatsiakan'ny vady sy ny zanaky ny Filoha Iombonana Fanilon'i Madagasikara teo aloha Nini Raharimanana, izay namoy ny ainy ihany koa. Mitondra foulard".

  • 22/01/2019 - 12:00 : ROLAND RATSIRAKA: Mandeha ny resaka fa i Rolland Ratsiraka no mety hotendrena ho governoran'i Toamasina. Izy izany no hanatanteraka ilay fampanantenana hoe Toamasina ho lasa tahaka an'i Miami ?

Voir plus d'infos...

21/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180711

Misongadina

Ravalomanana sy ny KMMR Vonona amin’ny fifidianana

11/07/2018

Efa volana maromaro no niasa sy nandamina ny fomba hijoroany ny KMMR (Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana, izay nanazava hatrany ny antony tsy maintsy itokisana fa mila mirotsaka ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny filohany Raveloson Jean Constant.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajao sy Rajoelina Hifanolotra lakile amin’ny 2019 ?

11/07/2018

Tsy ratsy ny fifidianana, fa ny kimaimaika sy ny kajikajy maloto no toherina.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika sy mpitondra Miezaka manary dia amin’ny fihetsiketsehana sy tapi-maso

11/07/2018

Ny sasany mampifalifaly vahoaka amin’ny fampiderana fa mahay milalao fonjaby rehefa nandalo tao Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Miroso amin`ny fanomezana toromarika

11/07/2018

Hifantoka manokana eo amin`ny fomba hanentanana an`ireo olom-pirenena handray anjara mavitrika amin`ny fifidianana ny fampiofanana ataon`ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), izay vatsian`ireo mpiara-miombon`antoka amin`i Madagasikara vola. Hifantoka amin`ny fampahafantarana an`ireo andininy mamaritra ireo fepetra hifehy ny fifidianana hatao eto amintsika ny andro farany amin`ity fampiofanana ity.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Kitra sy fifidianana e !

11/07/2018

Baolina kitra eran-tany no mahoraka amin'izao Betsaka ireo diso fanantenana tamin'ireo ekipa nandao Toa ireo kalaza lahy manko no nihintsana avokoa Mampieritreritra tena mampikaon-doha.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

CEG Analamahitsy Mijanona amin’ny toerany

11/07/2018

Hofoanana ny fifanarahana rehetra manodidina ny CEG Analamahitsy. Tsy misy ary tsy hisy ny fanorenana trano fianarana vaovao fa dia mijanona ao amin’ny toerany ny trano fianarana sy ny mpianatra.

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses “ Tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ,hoy ny Pastera Mailhol

11/07/2018

Tsy mihemotra intsony i pastera Mailhol kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena manoloana ny fitakiana ireo tangoronosy na “îles éparses” izay fananantsika Malagasy madiodio.

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Efa mba mihatsara ny fandraisana an-tanana azy ireo

11/07/2018

Mahatratra 7,5 ka hatramin’ny 10 % ny salan’isan’ireo olona manana fahasembanana manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

FIHETSIKA MAMOAFADY IMASOM-BAHOAKA Mampigadra telo volana ka hatramin’ny roa taona

11/07/2018

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ireo mpifankatia manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Any amin’ireo toerana mitokana sy mangina no tena ahitana betsaka azy ireny.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kardinaly Désiré Tsarahazana “Ndao hiady amin’ny ratsy isika”

11/07/2018

Omaly tolakandro no tafaverina an-tanindrazan ary notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka teny Ivato ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, andro lehibe ho an’ny mpino Katolika ary manamarika ny tantaran’i Madagasikara ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Foyer Chrétien International Hivavaka ho an’ny mpanala fanadinana

11/07/2018

Omaly talata 10 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny fisian’ny hetsika “fiderana sy tso-drano” karakarain’ny Foyer Chrétien International.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra vehivavy dingana faha-2 Montsan’ny Asot Analamanga 6-0 ny Som Boeny

11/07/2018

Nahazoam-bokatra ny andro voalohany tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra vehivavy Malagasy notontosaina teny amin’ny kianja sentetikan’i Carion omaly talata 10 jolay 2018.

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 Hiatrika famaranana i Frantsa

11/07/2018

I Frantsa no tafita voalohany hiatrika ny lalao famaranana amin’ny Mondial 2018 atao any Rosia rehefa nandresy an’i Belzika 1-0 tao amin’ny kianjan’i Saint-Petersbourg omaly talata 10 jolay alina. Baolina matin’i Umtiti teo amin’ny minitra faha-51.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampidiran-ketra eto Madagasikara Hampiasana rindram-baiko vaovao

11/07/2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny fisian’ny rindram-baiko (logiciel) vaovao ahafahana manao fanambaran-ketra ampitain-davitra (télé-déclaration).

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Resaka fakana an-keriny Manjavozavo avokoa ireo fanadihadiana

11/07/2018

Miisa 11 sahady izay ny trangana fakana an-keriny niseho tamin’ity taona 2018 ity. Nampivarahontsana ny niseho farany teo izay nahavery mpampianatra amina kolejim-panjakana na CEG iray sy ny zanany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FITATERANA RONGONY

11/07/2018

Kamiao izay an’ny orinasa lehibe sy fanta-daza eto an-drenivohitra no fampiasan’ny olon-dratsy amin’ny fitaterana rongony. T

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Efa hanamboatra toerana ho azy ireny ny kaominina

11/07/2018

Mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fampandrosoana ny sehatra varotra Mifandray amin’ny tontolon’ny informatika

11/07/2018

Omaly talata 10 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Tsenaben’ny Varotra sy Indostria CCI Antaninarenina ny tomban’ny fiomanan’i Madagasikara hiditra ao anatin’ny varotra elektronika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana