Fil d'actualités du 15/02/2019

  • 15/02/2019 - 11:00 : MOPERA VOATIFITRA: Nodimandry androany maraina i Mopera Nicolas isan'ireo voatifitra teny Mahitsy nandritra ny fanafihan-jiolahy tamin'ny herinandro ambony.

  • 15/02/2019 - 10:30 : HERY VALISOA: Anio no aterina eny amin'ny fasan-drazany eny Ambohitompo kaominina Ambanivohitra Viliahazo, distrikan'Antananarivo Avaradrano ny nofo mangatsiaka an' i Tompokolahy Hery Valisoa.

  • 15/02/2019 - 10:00 : BASKET AFROLEAGUE: Manomboka anio 15 febroary eny amin'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninana Afrikanina "Afroleague", ho an'ny vondrona D. Ny BC Mazembe avy any Congo sy ny Smouha avy any Soudan no hanokatra ny lalao amin'ny 3:30. Ny COSPN, tompondakan'i Madagasikara sy ny faritra faha-7 kosa hiaka-tsehatra amin'ny 18:30, hifandona amin'ny Klioba Angolais Petro de Luanda.

  • 15/02/2019 - 09:30 : KAOMININA ANTSIRABE: Manao fitokonam-be ny mpiasa amin'izao fotoana izao noho ny tsy faharaisana karama 10 volana.

  • 15/02/2019 - 09:00 : SMM: Clément Jaona sy Andrianiaina Franklin James Rakotomahanina no hifandrina amin'ny fifidianana izay ho filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara hatao anio 15 febroary.

  • 14/02/2019 - 20:00 : MBOLA JOSEPH RAJAONAH: Naiditra vonjimaika eny amin'ny Fonjan'i Tsiafahy izy taorian'ny fanadihadiana teny amin'ny Fitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC eny 67Ha.

  • 14/02/2019 - 14:00 : KIDNAPPING : Tovovavy iray tokony ho 18 taona no nalain'ny jiolahy an-keriny tao Marokoro Maevatanana omaly Alina hifoha androany.

  • 14/02/2019 - 13:30 : TOAMASINA : nanafika tokony ho tamin'ny 11 ora sy 45 minitra teo ny Aigle d'or ao Ambolomadinika Toamasina. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ary mbola tsy voafaritra ireo zavatra lasany.

  • 14/02/2019 - 11:30 : RAHARAHA ANDO TIANA: Efa tamin'ny alatsinainy 4 febroary teo no itan'ny polisy tao am amin'ny tanana hoe Bougival, akaikin'ny Rueil Malmaison izay fonenany ihany ny vatana mangatsiakan'i Ando Tiana. Rehefa avy natao ny fizahana isan-karazany izay vao nampandre ny fianakaviany ny polisy. Mitohy ny fanadihadiana.

  • 14/02/2019 - 11:00 : CAN 2019: Efa mivoaka ny sary famantarana ny CAN 2019 hatao any Egypte saingy tsy mba ao anatin'ilay sarin'i Afrika i Madagasikara, firenena isan'ny tafiakatra voalohany. Malagasy anefa ny Filohan'ny CAF. Tandrevaka sa inona loatra?

Voir plus d'infos...

15/02/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180816

Misongadina

Marc Ravalomanana Efa voasedra ary tsy mitsoaka ady

16/08/2018

Efa niomana sy nivonona handray fitondrana ny TIM. Tsy atao kitaitaitra io fa mila paikady tsara petrapetraka. Mila rafitra mafy mahenika ny Nosy ny fahazoana fandresena, ary tsikaritra ho efa niomana ho amin’izany satria saika mihetsika avokoa ny rehetra amin’izao fotoana ary fifaninanana masina ny an’ny TIM samy TIM amin’io fifidianana io amin’ny fahazoana isam-bato betsaka indrindra hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Maro sy be rahateo ny fampianarana sy fiofanana natao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Saraha Rabeharisoa Hametraka ny repoblika parlemantera

16/08/2018

Raha ny vina politikan` ny antoko PLD (Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe) dia hametraka repoblika parlemantera eto Madagasikara satria ny fahefana dia miainga avy amin`ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Omer Beriziky Hampisafidy rafi-panjakana roa

16/08/2018

Nahavita sy nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena ny praiministra teo aloha, Omer Beriziky, omaly teny amin`ny HCC. Tsy mbola feno ny fepetra rehetra hanatanterahana fifidianana madio, malalaka, izay heken`ny besinimaro ny vokany.

Hamaky ny tohiny...

Jean Jacques Ratsietison Hamaha olan’ny firenena amin’ny didim-pitondrana

16/08/2018

Kandida faha-10 tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny talata teo ny natolotry ny antoko politika Fahefa-Mividy izao no Ilain’ny Malagasy (FMI Ma), Jean Jacques Ratsietison.

Hamaky ny tohiny...

Richard Razafy Rakotofiringa Kandidà nijaikojaiko teny amin`ny HCC

16/08/2018

Hatairana ny an`ny mpanao gazety tonga teny amin`ny HCC omaly raha nahita fiara iray nitondra olona milaza fa hametraka antontan-taratasy maha kandidà azy taorianakelin’ny fahalasan`ny kandidà iray vao avy nanatitra izany.

Hamaky ny tohiny...

Solo Norbert Andriamorasata Kandidan’ny hery ankavia

16/08/2018

Iray amin’ireo hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenana ny mpanao gazety zokiolona Solo Norbert Andriamorasata, izay sokajiana ho zokiny indrindra amin’ireo kandida satria efa 82 taona izy amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Raharaha QMM Tsy raharahian’ny fanjakana

16/08/2018

Manana petra-bola 20% ao amin’ny QMM ny fanjakana Malagasy kanefa toa mitazam-potsiny ny olana manjo ity orinasa ity. Rantsan’ny orinasa matanjaka Rio Tinto izay miasa amina firenena marobe eto ambonin’ny tany ny QMM.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara Sakana ny tsy fisian’ny firaisankina

16/08/2018

Rariny raha saika voafehin’ny vahiny ary eo am-pelatanany avokoa ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mba misy fiaraha-mientana sy firaisan-tsaina eto fa samy mandeha samy mitady ny ankamaroan’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana