Fil d'actualités du 20/03/2019

  • 20/03/2019 - 17:00 : ANTALAHA: Nodoran'ny olona ny Biraon'ny Jirama noho ny resaka delestazy any an-toerana, izay efa nanomboka ny volana janoary no nisiany.

  • 20/03/2019 - 14:40 : BAOLINA KITRA: Misy lalao ara-pirahalahiana ataon'ny Nosy MAYOTTE sy ny ekipan'ny CUA USCAFOOT amin'izao ora izao ao amin'ny kianjan'Imahamasina

  • 20/03/2019 - 11:00 : MINISITRA KANDIDA DEPIOTE : Dinihina ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra anio ny fanesorana ireo minisitra roa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka.

  • 20/03/2019 - 10:30 : KANDIDA DEPIOTE VEHIVAVY : Miisa 126 ireo kandida vehivavy voaray ho mpifaninana amin’ny fifidianana depiote, izay manome 15% eo ho eo.

  • 20/03/2019 - 10:00 : FANAFIHANA MPANATITRA VOLA TAMIN’NY BANKY : Efa fantatra ireo jiolahy nanafika nitondra moto nanafika mpandraharaha hanatitra vola tamina banky iray teny Andranonahoatra Itaosy, ary eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

  • 20/03/2019 - 09:30 : VEHIVAVY MALAGASY ANY KOWEIT: Miisa 58 nitsoaka tamin'ny mpampiasa azy, ary miangona amina toerana iray, ka ny 8 marary. Giazan'ny mpampiasa ny pasipaoro sy ny antontan-taratasy.

  • 20/03/2019 - 09:00 : FRANKOFONIA: Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany mampiasa manontolo na amin'ny ampahany ny teny Frantsay na ny Frankofonia ny 20 martsa tahaka izao.

  • 19/03/2019 - 13:00 : FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: 803 ireo kandida ho solombavambahoaka ao anatin’ireo fari-pifidianana manerana ny nosy araka ny fanambarana nataon’ny CENI androany. 59 kosa no nolavina, izay mbola manana 48 ora hamenoana ny fepetra.

  • 19/03/2019 - 12:30 : SABOTSY NAMEHANA: Niakatra ho 700Ar nanomboka omaly ny saran-dalana mampitohy azy amin'ny Renivohitra.

  • 19/03/2019 - 12:00 : FIFIDIANANA DEPIOTE: Tsy maintsy mametra-pialana ireo minisitra roa rehefa voaray ny antontan-taratasiny, hoy ny fanazavan'ny Filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo.

Voir plus d'infos...

20/03/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180818

Misongadina

Marc Ravalomanana Ho avy amin’ny angady sy ny harona

18/08/2018

Fotoan-dehibe ho an’ny antoko Tiako I Madagasikara anio satria hotanterahana manomboka amin’ny 2 ora tolakandro any Toamasina ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroany.eny amin’ny Bord de la Mer manakaiky ny Auximad no hanatanterahana ny lanonana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina “Hanoratra ny tantara isika”

18/08/2018

Ofisialy ny hahakandida an’i Hery Rajaonarimampianina indray amin’ny 7 novambra, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina, omaly tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Onitiana Realy “Gaboraraka ny fitantanana tamin’ny tetezamita”

18/08/2018

Ny sabotsy 25 janoary 2014 no nandray ny fahefana maha filoham-pirenena voafidim-bahaoaka azy i Hery Rajaorimampianina, ary herintaona katroka taorian’io no voatendry ho minisitry ny mponina i Onitiana Realy, izay tamin’ny fanovana governemanta farany teo vao nesorina tao.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tena mihevitra ny Gasy ho dondrona

18/08/2018

Sesilany ny fitetezam-paritra ataon-dRajoelina, ka mirarakopana ny fampandriana adrisa hoenti-maka ny fom-bahoaka,

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoham-pirenena sasany Tsy menatra mampiseho tsy fahamatorana

18/08/2018

Misy izaho mandefa iraka manontany ny dosie ilaina. Ny sasany moa ireny niaraha-nahita ireny fa tsy nametraka dosie indray satria hoe tsy ampy olona ny antoko natsangany.

Hamaky ny tohiny...

Saraha Rabeharisoa “Ny toekarena no ampiakarana ny faripiainan’ny Malagasy”

18/08/2018

Anisan`ny nandray anjara tamin'ny famelabelaran-kevitra momba ny vina sy ny tetikasa, hanorenana ny ekonomika eto Madagasikara i Saraha Rabeharisoa ao amin’ny antoko PLD sdy hirotsaka ho filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Anarana soratsoratana amin’ny rindrina Propagandy ve sa fanaratsiana ?

18/08/2018

Mirongatra sy mahazo vahana tato ho ato ny fanoratana rindrin’olona eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Lova napetraky ny fanjanahantany Efa nahitana vahaolana, hoy pastera Mailhol

18/08/2018

Notontosaina omaly tontolo andro teny amin’ny efitrano fivoriam-be iraisam-pirenena eny Ivato ilay foraoma ara-toekarena iraisam-pirenena nokarakarain’ny Afrique Media sy ny APRN.

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy Malagasy Tsy ho matotra intsony raha tsy matotra izao

18/08/2018

Manomboka mipoitra tsikelikely ankehitriny ireo fomba filalao politika nahazatra isaky ny vanim-potoam-pifidianana tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina kandidà Ankasitrahan’ny antoko Fizafa tanteraka

18/08/2018

Taorian’ny nanambaran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny faniriany hanohizana ny asam-pampandrosoana ny firenena efa vita be dia be tao anatin’ny 4 taona sy tapany nitondrany izay ka nilazany

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ligin’ny Rugby eto Analamanga Nanao hetsika teny Andohatapenaka

18/08/2018

Nitarika hetsika filaharambe ho fitakiana ny hialan’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka omaly zoma 17 aogositra 2018,

Hamaky ny tohiny...

Poule des As 2018 andro faha-3 Vonona handray ny Fosa Juniors Boeny ny Fcv Vaknà

18/08/2018

Miditra amin’ny andro faha-3 ny fifaninanana Poule des As “Champion’s League Malagasy 2018” rahampitso alahady 19 aogositra 2018 ka ny kianja Velodrôme Antsirabe sy ny kianja sentetikan’i Vontovorona no handray an’ireo fihaonana roa samy hanomboka amin’ny 2:30 avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sarotra saingy…

18/08/2018

Dia vaka ny saina, nivontirika tampoka ny voamaso ary nihomehy tsy ravo ny endrika raha nandre ny fitanisan’ireo hoe « mpakasitraka », hono, ny zava-bitan’ny filoha am-perinasa ankehitriny tao anatin’izay 5 taona latsaka izay.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Session speciale CEPE 2018 Hotanterahina amin’ny 28 aogositra ho avy izao

18/08/2018

Ankizy an’aliny no tsy afaka niatrika ny fanadinana CEPE taom-pianarana 2017-2018 ny talata 14 aogositra lasa teo manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Feno ny fandriana, lavina fotsiny ireo marary

18/08/2018

Miisa 51 amin’izao ireo zaza marary tsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny zaza Tsaralalana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fitrandrahana fasimainty ao Faradofay Vonon-kanakana koa ireo mponina

18/08/2018

Raha vao mikasa hanomboka ny fitrandrahany ao Toliara ny orinasa Toliara Sand dia efa mahery vaika sahady ny fanakanan’ireo zanaky ny faritra Androy izany ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Mila manokana vola ny fanjakana, hoy Orlando Robimanana

18/08/2018

Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Orlando Robimanana nanoloana izany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANARATSIANA

18/08/2018

Tandremo ny resaka fanaratsiana, fa tsy voatery izay no ho marina, hoy i Onitiana Realy manoloana ny kiana fanaratsiana sesilany natao tamin-dRajaonarimampianina hatrizay.

Hamaky ny tohiny...

VAKINIADIANA

18/08/2018

Hamory ny fileovana rehetra mahatratra 60 milalao ao aminy, eny amin’ny kianja Malacam Antanimena amin’ny volana septambra hitsidika io ny

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Profesora Hery Ramiarison “Vinam-pampandrosoana tena mitombina no ilaina”

18/08/2018

Samy mahafantatra ny fahantrana sy ny aretin’ny firenena Malagasy ary samy manana ny vahaolana ny kandida 5 nandray anjara tamin’ity fivoriambe ho an’ny toekarena ity.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonambe ara-toekarena iraisam-pirenena Samy niaiky ny rehetra fa tena mahantra i Madagasikara

18/08/2018

Nanomboka omaly zoma 17 aogositra tetsy amin’ny Hotely CCI Ivato ny fihaonambe ara-toekarena iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bolam-panjakana Nahazo ivontoerana vaovao ao Morondava

18/08/2018

Miavaka ary manana ny maha izy azy manokana ny andraikitra iantsorohan`ny Tahirim-bolam-panjakana eto amin`ny firenena dia ny fitantanana sy ny fiarovana ny volam-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana