Voir plus d'infos...
Archive du 20180820
20/08/2018
Misinda ny ahiahin’ny mpanohana manerana ny Nosy satria tafapetraka teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny sabotsy 18 aogositra 2018 teo ny taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena an’i Marc Ravalomanana.
20/08/2018
Nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena teny amin’ny HCC omaly alahady 19 aogositra tamin’ny 11 ora antoandro ny filoha mpanorina ny orinasa guanomad Erick Rajaonary na Erick GUANOMAD.
20/08/2018
Fihetsiketsehana hafa kely no nidiran’ny kandida Eliana Bezaza izay atolotry ny antoko PSD tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy nanatitra ny dosie maha kandida ho filoham-pirenena azy ny sabotsy teo.
20/08/2018
Kandida ho filoham-pirenena Malagasy hifaninana amin’ny 7 novambra 2018 i Imbeh Serge Jovial “Economiste Financier” izay nandrotsaka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny Hcc Ambohidahy ny sabotsy harivan’ny 18 aogositra lasa teo.
20/08/2018
Namory vahoaka tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe i Roland Ratsiraka omaly ka nilazany fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany noho ny fangatahan’ny ben’ny tanàna maro.
20/08/2018
Nisy ny dinidinika sy ny fifanakalozan-kevitra natao niaraka tamin’ny delegasion’ny vondrona eoropeana sy ny mpanao gazety ary ireo tompon’andraikitra amin’ny serasera eo anivon’ny ministera izay natao tetsy amin’ny hotely Tamboho Ambodivona tamin’ny zoma farany teo.
20/08/2018
Simba tanteraka ny hasin'ny vehivavy Malagasy hoy ny dokotera Jules Etienne anisan'ireo kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahina ny 07 novambra ho avy izao.
20/08/2018
Iray volana mahery eo ho eo sisa no fotoana hahafahan’ireo kandida hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena mikarakara ny ho enti-manana amin’izany.
20/08/2018
Tany Bateravola, Fianarantsoa, tany niaviany ny sabotsy teo no nampiezinezenan’i Joseph Martin Randriarimampionona na dadafara, izay filoha mpanorina ny antoko RTM na “refondation totale de Madagascar”,
20/08/2018
Manambara ny fahavononany hanohana ny filatsahan’i Prezida Marc Ravalomanana hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra izao ny Fikambanam-behivavy TIM sy ny renim-pianakaviana ao amin’ny Boriborintanin’i Mahavatse-I Toliara.
20/08/2018
Nosokafana ofisialy teny amin’ny kianja Akamasoa Ambohimahitsy tamin’ny sabotsy 18 aogositra 2018 ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny sehatra fanatanjahantena eo anivon’ny Paoma « Paositra Malagasy » Antananarivo.
20/08/2018
Samy gaga ireo rehetra nandalo teo amin’ny biraon’ny faritra Alaotra-Mangoro raha nahita olona niasa manamboatra ilay trano vao notokanana tsy ela akory izay.
20/08/2018
Nankalazaina tany Toamasina ny 12 hatramin'ny 19 aogositra ny ivon’ny jobily faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nahatongavan'ny LMS (London Missionary Society) teto Madagasikara.
20/08/2018
Nanao fanambarana lehibe ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) nandritra ny Ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM tany Toamasina ny faran’ny herinandro.
20/08/2018
Nitohy tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina tamin’ireo lalao fihantsiana 4 notanterahina omaly alahady 19 aogositra ny fifaninanana rugby à XV fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo andiany voalohany.
20/08/2018
Nahatontosa ny zaikabe fanaony isan-taona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 19 aogositra 2018 ny Kung Fu Wisa Malagasy tarihan’ny mpandrindra jeneraliny, Grand maitre Avoko Rakotoarijaona.
20/08/2018
Voatan’ny Fcv Vakiankaratra ady sahala 1-1 omaly alahady 19 aogositra tao amin’ny kianja Velodrôme Antsirabe ny Fosa Juniors Boeny izay mbola mitarika an’isa ihany aloha ankehitriny eo amin’ny filaharana vonjimaika ankapobeny taorian’io andro faha-3-n’ny “Poule des As”
20/08/2018
Voka-dalao andro faharoa fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara any Nosy-be :
20/08/2018
Fifidianana izao no malaza ary efa maro ireo kandida nandrotsaka ny dosieny ankoatra ireo hanatitra farany anio sy rahampitso.
20/08/2018
Tsy niandry ela fa nivoaka ny sabotsy teo ihany koa ny voka-panadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Tafakatra 80,23 % ny vokatra raha araka ny fanadihadiana natao raha 56,68 % tamin’ny taon-dasa.
20/08/2018
Nampahafantarina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fijoroan’ny plateforme MG ikambanan’ny ireo tanora sy fikambanana maro samihafa mivondrona ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
20/08/2018
Hifarana rahampitso ny fe-potoana ahafahan’ireo mitetika ho kandida ho filoham-pirenena mametraka ny dosie maha kandida azy ireo.
20/08/2018
Rangahy iray tokony ho 70 taona eo ho eo no hita natsingevan'ny omaly maraina teny Anosivavaka Ambohimanarina. Tsy misy olona mahafantatra azy ety amin'ny manodidina ary tsy fantatra fianakaviana.
20/08/2018
Misaona ny firenena mikambana satria nodimandry teo amin’ny faha 80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana (Onu) teo aloha ny sabotsy 18 Aogositra lasa teo tany Bern (Suisse).
20/08/2018
80 miliara dolara na 265 264 000 000 000 Ariary (1dolara=3315,80 Ariary) no vola very isan-taona aty Afrika noho ny kolikoly.