Fil d'actualités du 22/10/2018

  • 22/10/2018 - 10:00 : MARC RAVALOMANANA : "Izaho Marc Ravalomanana dia mandray lesona avy amin'ny tantaraiko sy ny lasa fony aho nitondra ny firenena no sady hampihatra ihany koa ny foto-kevitra nijoroan'i Profesora Zafy Albert, izay nametraka lova ho an'ny firenena toa an'i Nelson Mandela, raha ny filozofiany momba ny fampihavam-pirenena sy ny Fanorenana ifoton'ny Repoblika no resahina".

  • 22/10/2018 - 09:30 : IREO EKIPA MIARAKA AMIN'I MARC RAVALOMANANA :-Mpandrindra ankapobeny: Serge Zafimahova -Tale an'ny fampielezankevitra : Charles Ranavela -Tale an'ny fampielezankevitra: Tsehenoarisoa Rabenja -Filohan'ny KMMR: Constant Raveloson -Filohan'ny komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana: Colonel Eugène Claude

  • 22/10/2018 - 09:00 : MARC RAVALOMANANA : Nanao fanambarana nampahafantatra ny antsoina hoe hevitra mifehy niampy fampahafantarana ireo tompon'andraikitra miara-miasa akaiky aminy amin'ny Fampielezan-kevitra i Marc Ravalomanana androany maraina.

  • 20/10/2018 - 11:00 : MARC RAVALOMANANA : Ho avy eny amin'ny Kianjan'Ambohijatovo hihaona amin'ny vahoaka izy anio 20 septambra. Hangorom-potsy ny tanana.

  • 20/10/2018 - 10:00 : FIANGONANA FJKM: Tokanana anio 20 oktobra ny Kolejy Teolojika eny Ivato, izay tsangambaton'ny jobily faha-50 taona.

  • 20/10/2018 - 09:30 : BAREAN'I MADAGASIKARA : Nanapa-kevitra ny federasiona fa tsy milalao amin'ny CAN i Faneva Ima sy Lalaina Nomenjanahary na Bolida. Ny antony hono dia hoe mahay vava loatra izy ireo, izay sahy mamaky bantsilana ny marina ka izay no tsy zakany ny lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny Federasiona.

  • 20/10/2018 - 08:15 : FIFANARAHANA POLITIKA NOSONIAVIN'NY KANDIDA 17 ISA: Sokafana ny lisi-pifidianana mba hahafahana manadio sy manafoana ny lesoka misy, ka anjaran'ny CENI ampian'ny solontenan'ireo kandida no miantoka ny fanatanterahana izany sy vokatra araky ny lalàna aterak'izany.

  • 19/10/2018 - 14:00 : LALAO RAVALOMANANA: Nitohy teto aminy tany menabe teto Akorondrano Boriborintany faha-3 ny fampielezan-kevitra nataony Neny Lalao Ravalomanana androany maraina hoenti-mandresy lahatra ny vahoaka hifidy an'i Marc Ravalomanana.

  • 19/10/2018 - 13:30 : FIKAMBANANA SAMARITANA: Hanohana sy hampandany an'i Marc Ravalomanana ny Fikambanana Samaritana, tarihin'ny Pasitera Roger Randriamisata.

  • 19/10/2018 - 13:00 : FIHAONAN'NY KANDIDA FILOHA SY NY CENI: Handray anajra amin’io fifanatrehana amin'ny kandida ny avy amin'ireo andripan-jakana na rafitra voakasika toy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana na ny Samifin. Nasaina hanatrika an’io fotoana io koa ireo tomponandraikitra mahefa ao amin’ny governemanta manana andraikitra amin’ny fanomanana ity fifidianana.

Voir plus d'infos...

19/10/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180822

Misongadina

Marc Ravalomanana Efa niomana hatramin’ny 2009

22/08/2018

Efa mipetrapetraka ny paikady ary tsy tonga hitsangantsangana i Marc Ravalomanana niverina eto fa hanaporofo ny mbola hilan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy azy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina Tandindonin-doza ny haha kandida azy…

22/08/2018

Tonga nanatitra taratasy fitoriana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teny Ambohidahy omaly, ny mpitarika ny hetsiky ny olom-pirenena sy Vondron’olona Leo ny Tsimatimanota (VOLT), mangataka ny hanafoanana ny fahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Filoham-pirenena 46 ireo kandida

22/08/2018

Lasan’i Madagasikara ny amboaran’ny fifaninanana izay be kandida filoham-pirenena indrindra eto ambonin’ny tany.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Tsy mbola milavo lefona

22/08/2018

Tsy nofinofy ary tsy kihonohono fa anisan’ireo nandrotsaka ny antontan-taratasiny hofidiana filoham-pirenena amin’ny 7 novambra izao ny Amiraly Didier Ratsiraka,

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana Mahafaly Mba mitsapa vintana ihany koa

22/08/2018

Tsy hetraketraka na fitiavana voninahitra ho ahy manokana no hirotsahana hofidiana filoham-pirenena fa adidy goavana eto amin’ny firenena izany, hoy ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, kandidan’ny antoko Orimbaton’i Madagasikara na ny OM.

Hamaky ny tohiny...

Kandida Orlando Robimanana Notsofin-drano tany Anjeva

22/08/2018

Anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izay hotanterahina ny 7 novambra izao ihany koa Atoa Orlando Robimanana, lehiben’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana.

Hamaky ny tohiny...

Magro Toliara Miandrandra 1er tour de vita

22/08/2018

Nivory niaraka tamin’ny KOM-TIM, FOKO-TIM, JEUNE-TIM, araka ny antson’Atoa Sazalahy Tsianihy mpandrina ny Faritra Atsimo-Andrefana tao amin’ny Magro Toliara ny sabotsy 18 Aogositra 2018 teo,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Samy maika daholo..

22/08/2018

O ry Tanindrazanay Malala! Te hitondra anao daholo ry bodo sy ry adala Telopolo mahery ireo nilatsaka an-tsitrapo. Samy te ho lohany, maniry ny ho filoha.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tournoi de Vacances 3FA 2018 Analamanga sy Betsiboka no mandray anjara

22/08/2018

Nosokafan’ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa Benjamin notronon’ny ben’ny tanànan’Ankadikely sy ny Pds-n’i Manandrina ary ny filohan’ny 3Fa,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mafy ny te ho filoha sy hahazo seza !

22/08/2018

Miisa 46 ireo nandrotsaka ny antontan-taratasy ho kandida filoham-pirenena. Mazava ho azy fa ny iray amin’ireo izany no ho filoha hitantana an’i Madagasikara afaka volana maromaro, raha tena raikitra sy tsy misy sakana ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Saran-dalana 500 Ar Mbola hivory hifandinika ny UCTU

22/08/2018

Hivory maika handinika ny fiakaran’ny saran-dalan’ireo koperativa sasany eto an-drenivohitra ho lasa 500 Ar ny fivondronan’ireo mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra amin’ny talata ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretin-kibo vokatry ny fisotroana rano maloto Mahafaty, hoy ny mpitsabo

22/08/2018

Mahatratra 14.000 isan-taona ankehitriny ireo Malagasy mamoy ny ainy vokatry ny aretim-pivalalana ateraky ny fisotroana rano tsy voadio.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Andranomanelatra Tokantrano 3 voatafika, tovovavy iray voaolana

22/08/2018

Miverina tanteraka ny tsy fandriampahalemana ao Andranomanelatra ao ankehitriny. Isan’ny lasibatra matetika amin’izany ny fokontany Tsaravavaka, izay tsy lavitra loatra an’Antsirabe akory.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FATY HITA TENY IKOPA

22/08/2018

Lehilahy iray efa nanjavona hatramin’ny volana jona no hita faty tampoka tetsy Ikopa omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tanora zanaky ny Faritra Atsimo Tsy manaiky ny tetikasa Toliara Sands

22/08/2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary ny fikambanana Tanora zanaky ny faritra Atsimo omaly talata 21 aogositra.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola Marc Gérard no solontena vaovaon’ny FMI

22/08/2018

Omaly talata 21 aogositra no nanatanteraka fitsidihana an-dRamatoa minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona tetsy amin’ny biraony tetsy Antaninarenina ny solontena vaovaon’ny tahirim-bola Iraisam-pirenena, Atoa Marc Gérard.

Hamaky ny tohiny...

Fitotongan’ny toekaren’i Madagasikara Mila atosika haingana ny sehatra fampianarana

22/08/2018

Ankoatra ny tokony hisian’ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly dradradradrain’ny mpahay toekarena eto Madagasikara dia misy ny sehatra hafa tsara jerena maika eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana