Fil d'actualités du 16/11/2018

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

  • 16/11/2018 - 09:00 : MPITANDRO FILAMINANA: Hisy fanambarana lehibe hatao ao amin'ny Toby Ratsimandrava anio maraina.

  • 15/11/2018 - 14:00 : CENI: Hiroso amin'ny fampitahana na "confrontation" an'ireo PV an-tsoratra, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana anio manomboka amin'ny 3ora tolakandro ka miantso, ireo kandida, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika izany.

  • 15/11/2018 - 11:30 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga nijery ireo fanotofana tany tsy aradalana teny Andranomahery ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana androany.

  • 15/11/2018 - 11:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Nisokatra androany maraina ary haharitra 2 andro ny fampiratiana momba ny sekoly sy fampianarana ambony tsy miankina na ny "Salon des études supérieurs" karakarain'ny Madajeune, ahitana mpandray anjara manodidina ny 70.

  • 15/11/2018 - 10:45 : CENI 15 NOVAMBRA 2018 10H23 BV 20061 / 24852 (80.72%) MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 8005632 / 9913599 VATO MANAN-KERY: 4003476 TAHAM-PANDRAISANA ANJARA: 54.03% - RAJOELINA Andry Nirina : 1588543 soit 39.68% - RAVALOMANANA Marc: 1424466 soit 35.58% - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 324465 soit 8.10% - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 52063 soit 1.30%

  • 15/11/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA: Manomboka anio amin'ny 10 ora maraina ny fivarotana ny tapakila Tribune Latérale ho an'ny lalao ihaonan'ny Barea de Madagascar amin'ny Sokoor Al Jedian du Soudan ny Alahady 18 Novambra 2018. Izany tapakila izany dia afaka jifaina eny Isoraka amin'ny vidiny 50.000 ariary.

  • 14/11/2018 - 11:30 : PESTA: Mahatratra 12 hatramin'izay no namoy ny ainy noho ny aretina PESTA teto amintsika ho an'ity taona ity.

  • 14/11/2018 - 10:30 : ANTSIRABE: Vato tsy ara-dalana nilanja 667 kg no saron’ny Zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.

Voir plus d'infos...

15/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180908

Misongadina

Marc Ravalomanana Babony i Mahajanga

08/09/2018

Sioka tokana araka ilay fomba fiteny dia vory lanona ny vahokan'i Mahajanga nandray ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

HFI sy ny tariny Miantso tetezamita

08/09/2018

Namoaka fehin-kevitra tetsy amin’ny tranon’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, etsy Faravohitra, omaly ry zareo avy eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony na HFI sy ireo kandida miisa 19 mitaky ny hanemorana fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Serge Imbeh Tsy anisan`ireo mihemotra

08/09/2018

Manoloana ny fehin-kevitra izay nosoniavin`ireo kandida miisa 9 mitaky ny hanemorana fifidianana ho avy izao tetsy an-tranon’ny Amiraly Didier Ratsiraka etsy Faravohitra,

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson “Atsangano ny tetezamita ekem-bahoaka”

08/09/2018

Fitambarana mpino sy tanora Kristianina avy amin’ny fiangonana samy hafa no nanao fanambarana tetsy amin’ny Kamoula Analakely omaly maraina, nilaza fa hanohana tsy misy fepetra an’i Arlette Ramaroson,

Hamaky ny tohiny...

Kandida Dama Mangataka tsipaipaika

08/09/2018

Manam-bola izahay fa tsy manana hafafy, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama Mahaleo, sy ireo mpiara-dia aminy omaly raha nangataka tolo-tanana tamin’ny vahoaka malagasy tetsy amin’ny Pietra Hotel Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Niala tamin’alahelo

08/09/2018

Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly hariva ny fanapahana laharana 30-HCC/30 izay mampahafantatra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika noho ny fametraham-pialan’i Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

HVM sy MAPAR Izay vao ho rombo

08/09/2018

Mitsimbadika amin’izay ny tantara ankehitriny amin’ny fitantanana ny firenena taorian’ny fametraham-pialan’i Hery Rajaonarimampianina halina iny.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Noferan’ny HCC tsy hampirafy

08/09/2018

Nametra-pialana ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina omaly ka i Rivo Rakotovao no hisolo toerana azy mandritra ny fotoana voafetra.

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza « Mamofompofona zavatra hafa ny fifidianana »

08/09/2018

« Tsy mbola nahita fikarakarana fifidianana tena mikorontana ohatra izao hatreto », hoy Imbiky Herilaza, mpahay lalàna mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Tanora Tiako i Madagasikara Miezaka mampahafantra ny vakoka malagasy

08/09/2018

Nahaliana ireo tanora Tiako i Madagasikara (TIM) na ny teto an-drenivohitra na ireo avy any amin’ny faritra ny fitsidihana nataon’izy ireo toerana manan-tantara sy ny vakoka malagasy teto Antananarivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tsy nitsaha-nitotongana ny lazany

08/09/2018

Manomboka mibaribary fa mihena an-toerana ny fitiavan`ny olona ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Omena fahefana feno

08/09/2018

Omaly zoma 7 septambra 2018 ny fe-potoana farany nomen`ny lalàmpanorenana an`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hitondrany ny firenena ka nisolo toerana azy ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao,

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’Atsimondrano Ampy izay ny famitahana anay

08/09/2018

Hatramin’ny nanaovan-dRandriarimalala Harijaona na Jaona Elite fametraham-pialana tsy ho lehiben’ny Vondrona Parlemantera HVM intsony teo anivon’ny Antenimieram-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Norbert Andriamorasata « Efa vonona izahay ! »

08/09/2018

Tsy isan’ireo kandida mitaky ny hanemorana fifidianana aho, hoy ny kandida ho filoham-pirenena atolotry ny antoko UDECMA, Andriamorasata Solo Norbert.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antalaha Rendrika ilay sambobe « Masoala Barge »

08/09/2018

Sambo roa izy ireo no niainga avy tany Toamasina fa nony tonga teny afovoan-dranomasina dia nisy fahasimbana ka nikatso ilay sambo lehibe « Masoala Barge » izay nitondra entana maro toy ny fiara, moto, bisikileta, sakafo, zava-pisotro, ...

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fivahinianana masina Malagasy niisa 84 lasa tany La Mecque

08/09/2018

Tafaverina an-tanindrazana ary noraisina tao amin’ny Mosquée du Vendredi Mahajanga ny alakamisy teo ireo mpino Silamo miisa 35 zanak’i Mahajanga avy namonjy ny fivahinianana masina tany La Mecque- Arabie Saodita.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kitra - Fitsarana baolina Ligim-paritry telo no miombom-peo hanova

08/09/2018

Niainga avy amin’ny fitarainan’ny klioba FCV Vakinankaratra mikasika ny zava-niseho tamin’ny lalao Poule des As nihaonan’ny Fosa Junior Boeny sy ny FCV Vakinankaratra tamin’ny 2 septambra teo tany Mahajanga ka naharesy an’ity farany 3-0 be izao rehefa

Hamaky ny tohiny...

Mpijery baolina Malagasy Miandrandra ny fandresen’ny Barea

08/09/2018

Miandrandra sy maniry fatratra fandresena mazava ho an’ny Barean’i Madagasikara hatrany amin’ny 3-0 manoloana an-dry zareo senegaley

Hamaky ny tohiny...

Kitra-Ligy V7V sy Matsiatra Ambony Haverina anio sabotsy ny fifidianana

08/09/2018

Tsy tontosa noho ny tsy fahatrarana fetr’isa (quorum) nilaina ny fifidianana filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Vatovavy Fitovinany sy any

Hamaky ny tohiny...

Kitra - « Tounoi de vacances » Nifarana ny fifaninanana tany Alakamisy Tsarazaza

08/09/2018

Manatontosa lalao baolina kitra “Tounoi de vacances” miaraka amin’ny fikambanana Mampiray sy ny fikambanana Orimbaton’i Madagasikara ry zareo any amin’ny distrikan’i Fandriana Faritra Amoron’i Mania.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Tsy maintsy hifidy !

08/09/2018

Na nametra-pialana ilay nasaina nametraka na tsia na hahemotra na haroso ny fifidianana dia tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana ihany.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Zava-kanto malagasy Endrika vaovao hahaliana ny vahiny

08/09/2018

Anisan`ireo mpandray anjara amin`ilay fampirantiana lehibe any Parisy Frantsa manomboka ny 18 septambra izao hatramin'ny 1 janoary 2019 i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fitantanam-bola Nahavita ezaka betsaka ny governemanta Malagasy

08/09/2018

Nivoitra io nandritra ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny praiminisitra, Ntsay Christian, nataon’ny solontena vaovaon’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) eto Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

Elodranon’i Ehoala Misedra ny mafy ireo mpitrandraka Mica

08/09/2018

Iharan’ny antsojay sy ny tery vay manta ireo mpandraharaha miantsehatra amin’ny fitrandrahana sy fanondranana manjarano (mica) any amin’ny faritra Anôsy any ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana