Fil d'actualités du 19/04/2019

  • 19/04/2019 - 09:30 : AFERANA BOADEROZY: Dosie 16 no eny am-pelantanan'ny Fitsarana manokana momba ny boaderozy ka minisitra teo aloha miisa roa no voasaringotra amin'ny raharaha boaderozy sarona tany Singapour.

  • 19/04/2019 - 09:00 : CENI: Tompon'andraikitra miisa 20 tany amin'ny ratsa-mangaikan'ny CENI no nesorina noho ny fitanilana ara-politika.

  • 18/04/2019 - 12:30 : MANJAKAMIADANA: Hikatona ny fahafahan'ny daholobe mitsidika rehefa manomboka ny fanamboarana ny Rova, fa ny fiangonana kosa hivoha hatrany.

  • 18/04/2019 - 12:00 : FADINTSERANANA MALAGASY: Voatendry Tale Jeneraly Atoa Lainkana Zafivanona Ernest, araka ny tapaky ny Filankevitry ny minisitra.

  • 18/04/2019 - 11:30 : TAZOMOKA: Ankizy miisa 7 no namoy ny ainy noho ny tazomoka tao amin'ny Kaominina Ampaharimaina Ambohimandrosoa ao amin'ny Distrikan'Amparafaravola.

  • 18/04/2019 - 11:00 : CFM: Hidina ifotony any amin'ny faritra 22 hampahafantatra ny sata mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny vahoaka sy ny kandida ny eo anivon'ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 24 aprily ho avy izao.

  • 18/04/2019 - 10:30 : RALLYE PASSION: Miisa 35 ireo ekipazy handray ny fiaingana anio amin'ny 12:15 hitandahatra ao Antsirabe, ary hiatrika ny "Epreuve Spécial" Vatofotsy.

  • 18/04/2019 - 10:00 : HAZAKAZAKA FIARAKODIA-RALLYE PASSION ANTSIRABE: Hanomboka anio 18 aprily ary haharitra telo andro ny Rallye Passion, izay tafiditra anatin'ny dingana voalohany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.

  • 17/04/2019 - 11:00 : BAOLINA KITRA: Tafiakatra 18 ny baolina matin'ilay mpilalao Malagasy Carolus, izay milalao ao amin'ny Klioba Al-Adalh any Arabie Saoudite.

  • 17/04/2019 - 10:30 : ANDRIAMPOTSY FENOARIVOBE: Olona 4 tototry ny tany no mbola tsy ao ambanin'ny tany amin'ity Kariera ao Fenarivobe Bongolava ity. 10 izy ireo no niara-tototra tao anaty lavaka sy tionelina 19m eo ho eo. Mety hatsahatra ny fikarohana ary asiana tsangambato hahatsiarovana ireo efatra tsy hita eo amin'ilay fitrandrahana volamena.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181001

Misongadina

Marc Ravalomanana Efa mipetrapetraka ny fanarenam-pirenena

01/10/2018

Tontosa soa aman-tsara ny andron’ny sabotsy 29 septambara teo tany Parisy tao amin’ny Le Millenaire any Savingny-Le-Temple ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy ny mpila ravinahitra any Frantsa sy Eoropa.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fano Rakotondrazaka-CENI « Mila mahafantatra tsara ny fepetra efa noraisina ny vahiny »

01/10/2018

Tsy mihemotra intsony fa raikitra ny fifidianana. Tonga tsikelikely eto amintsika ny mpanara-maso fifidianana avy amin`ny vondrona iraisam-pirenena, vondrona eoropeanina, SADC,…

Hamaky ny tohiny...

Fano Rakotondrazaka-CENI « Mila mahafantatra tsara ny fepetra efa noraisina ny vahiny »

01/10/2018

Tsy mihemotra intsony fa raikitra ny fifidianana. Tonga tsikelikely eto amintsika ny mpanara-maso fifidianana avy amin`ny vondrona iraisam-pirenena, vondrona eoropeanina, SADC,…

Hamaky ny tohiny...

Vondrona Eoropeanina Handefa mpanara-maso fifidianana miisa 100

01/10/2018

Antomotra ny fifidianana. Mijery akaiky ny fikarakarana sy ny fizotran`ny fifidianana ihany koa ny vondrona eoropeana ka mpanara-maso vahiny manodidina ny 100 no hiditra an-tsehatra.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Fanorolahy Hanohana an’i Marc Ravalomanana

01/10/2018

Hanohana tsy misy fepetra ny Kandida Marc Ravalomanana, laharana faha-25 ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Ekipan’ny Valimbabena “Manome vahana vitsy an’isa ny rafitra ankehitriny”

01/10/2018

Nanamafy tamin’ny antso an-tariby ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny mpandrindra ny fampihelezan-kevitry ny kandida ho filoham-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Mpanohana an-dRajaonarimampianina Tsy mahazoazo ny HVM

01/10/2018

Nahoraka ho tsy nampifanara-tsaina ny avy eo anivon’ilay vondrona politika iray manohana ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina na ny Voromahery ny tsy fanekena ny fampidirana ny resaka antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara na HVM tao anatin’ity vondrona iray ity.

Hamaky ny tohiny...

Pety Rakotoniaina “Heverin-dRatsirahonana sy Rajoelina fa gidro ny gasy

01/10/2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’ny Hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony tetsy Antaninandro i Pety Rakotoniaina sy ireo mpiara-dia aminy ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian Tsy marin-toerana

01/10/2018

Loharanom-baovao iray no nahenoana fa tsy ho ela ary mety amin’ity herinandro ity ihany dia hisolo fanindiminy indray ny filohan’ny governemanta tato anatin’izao repoblika faha-4 izao.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina “Izaho no manana miaramila be indrindra”

01/10/2018

Tsy mitsitsy vola aman-karena i Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao, ka manao izay fomba rehetra hahalany azy indray ho filoha.

Hamaky ny tohiny...

Krizy politika 2009 -2013 Nampitotongana tanteraka ny toekaren’i Madagasikara

01/10/2018

Faha-4 lehibe amin’ireo Nosy eto amin’izao tontolo izao i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Antoko PLD sy Saraha Rabeharisoa Nandalo tao Moramanga ny fifaninanana "Dance Battle"

01/10/2018

Mbola mitohy hatrany ny fitetezam-paritra izay ataon'i Saraha Rabeharisoa, kandidà filohan`ny Repoblika mitondra ny laharana faha-9 sy ny antoko PLD amin'ny fikarakarana ny fifaninanana "Dance Battle", ka ny tanoran'ny faritra Moramanga no nandray anjara tamin'ny sabotsy faha 29 septambra teo tao amin'ny kianjan'ny 1947.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza taitaitra

01/10/2018

Inona ary ity taitaitra be ity ry Jean aa? Sao dia heverinao fa kilalaon-jaza ary ity fiainam-pirenena ity ka hoe tsy maintsy hifanaraka amin’izay revinao daholo no ataon’ny olona ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Biraom-panjakana ao amin’ny faritra atsinanana Sady tsy ampy no tsy misy fitaovana informatika

01/10/2018

Tsy misy fitaovana informatika na iray aza ireo birao fiasan’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny faritra atsinanana. Fantatra io nandritry ny fitsidihan’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny fampananan’asa, Holder Ramaholimasy na Pierre Holder, tany an-toerana ny zoma sy sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Ambalavato Antsirabe Nirehitra ny fitahirizan-tsoliky ny Jirama

01/10/2018

Nitrangana zava-doza indray ny tanànan’antsirabe ny alin’ny sabotsy 29 septambra 2018 lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fifaninanana Asief nasionaly Mpiasam-panjakana 9000 no tonga any Toamasina

01/10/2018

Na dia efa nanomboka tamin'ny alakamisy 27 septambra teo aza ny fifaninanana sasantsasany amin'ny hetsika fitaizam-batana ho an'ny mpiasam-panjakana Malagasy Asief "'

Hamaky ny tohiny...

Telma Coupe de Madagascar Tsy vita hatramin’ny farany ny lalaon’ny CNaPS Sport sy ny ELGECO Plus

01/10/2018

Ny AS Adema hatreto no efa fantatra fa hiatrika ny lalao famaranana amin’ny Telma Coupe de Madagascar rehefa nandresy ny USCA Foot tamin’ny 2 no 1 taorian’ny fanalavam-potoana omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sokafy ny mason-tsaina amam-panahy

01/10/2018

Manomboka hiditra amin’ny tena lalao isika amin’ity fifidianana ity. Andro sisa isaina satria amin’ny herin’ny anio no hanomboka ny propagandy, ka dia hanao ny fara-fahaizany handresy lahatra ny olom-pirenena mpifidy ny kandida tsirairay avy, izay miisa 36.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitohanan’ny fiara eny Ambohibao Hivaha tsy ho ela ny olana

01/10/2018

Ankoatra an’Itaosy dia anisan’ny toerana be fitohanana indrindra sady mampitaraina ny maro ny fiakarana mihazo an’i Ambohibao raha handeha ho any Ivato.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fikambanana “Diaraika” an’i Narson Rafidimanana Nanao ny zaikabeny voalohany

01/10/2018

Ny sabotsy manontolo andro teo no natao tao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly teknika “Camp” Mangarano Toamasina, ny zaikabe voalohan’ny fikambanana sosialy “Diaraika” izay tarihan’Atoa Rafidimanana Narson, minisitra teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Taom-baovao Iraisan'ny Malagasy 2019 Tanjona ny hankatoavan'ny fanjakana azy ho andro tsy fiasana

01/10/2018

Ho an’ny Malagasy rehetra ny fankalazana iraisana ny Taom-baovao izay efa niditra tamin’ny fanamarihana fanindroany tamin’ity taona ity. Tanjona ny hankalazan’ny isan-tokantrano toy ireo fety

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Gerard Noel Ramamimampionona “Loharanon`ny tsy fandriampahalemana ny olona”

01/10/2018

Tsy misy izay tsy mitaraina manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara amin`izao fotoana izao. Rafitra maro no manana andraikitra amin`izany fa anisan`ny tena olana dia ny olona, hoy Gerard Noel Ramamimampionona,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MATY TAO AMIN’NY VIOLON

01/10/2018

Lasa resa-be ankehitriny ny fisian’ilay lehilahy iray izay maty tao anatin’ny “violon” an’ny zandarimaria ao Sambava.

Hamaky ny tohiny...

SEKOLY SAINT VINCENT DE PAUL AMBATONILITA

01/10/2018

Tsy miverina amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny Foibem-pitantanana ny sekoly katolika na ny DIDEC fa tsy maintsy hakatona ny sekoly Saint Vincent de Paul Ambatonilita.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Sehatra fambolena eto Madagasikara Afaka hiteraka fampandrosoana raha….

01/10/2018

Amin’ny 60 tapitrisa ha amin’ny velaran-tanin’i Madagasikara dia mbola misy 18 tapitrisa ha be izao ny tany mamokatra kanefa tsy voavoly.

Hamaky ny tohiny...

Olona mpandainga sy mpamadika palitao Atosiky ny fitiavam-bola, hoy ny psikôlôgy

01/10/2018

Fomba fanao ratsy maro no mihamahazo vahana eto amintsika tato ho ato. Ankoatra ny famadihana palitao hataon’ireo mpanao politika mba hiarovany ny tombontsoany manokana dia mirongatra ihany koa ny famafazana lainga sy ny fampirafesana.

Hamaky ny tohiny...

Miparitaka eny an-tsena ny manga Tokony hohanina madio foana

01/10/2018

Manomboka miparitaka eny an-tsena tsikelikely ny vokatra manga efa ho tapa-bolana mahery izao.

Hamaky ny tohiny...

Zava-pisotro misy etona Manomboka mahazo vahana eto amintsika

01/10/2018

Mihamahazo vahana tsikelikely eto amintsika amin’izao ny zava-pisotro misy etona.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mila ezaka amin’ny lafiny maro

01/10/2018

Ambony be ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara amin’izao fotoana. 400 000 hatramin’ny 500 000 eo ho eo ny tanora mivoaka amin’ny fampianarana isan-taona saingy tsy maharaka ny tsenan’ny asa ka mahatonga ireo tsy an’asa marobe.

Hamaky ny tohiny...

« Caisse d’Epargne de Madagascar » Manana mpanjifa 1,5 tapitrisa manerana ny nosy

01/10/2018

Nitohy tany Toamasina ny fankalazan’ny orinasa “Caisse d’Epargne de Madagascar” ny fankalazany ny faha-100 taona niho\renany .

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana