Fil d'actualités du 16/11/2018

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

  • 16/11/2018 - 09:00 : MPITANDRO FILAMINANA: Hisy fanambarana lehibe hatao ao amin'ny Toby Ratsimandrava anio maraina.

  • 15/11/2018 - 14:00 : CENI: Hiroso amin'ny fampitahana na "confrontation" an'ireo PV an-tsoratra, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana anio manomboka amin'ny 3ora tolakandro ka miantso, ireo kandida, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika izany.

  • 15/11/2018 - 11:30 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga nijery ireo fanotofana tany tsy aradalana teny Andranomahery ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana androany.

  • 15/11/2018 - 11:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Nisokatra androany maraina ary haharitra 2 andro ny fampiratiana momba ny sekoly sy fampianarana ambony tsy miankina na ny "Salon des études supérieurs" karakarain'ny Madajeune, ahitana mpandray anjara manodidina ny 70.

  • 15/11/2018 - 10:45 : CENI 15 NOVAMBRA 2018 10H23 BV 20061 / 24852 (80.72%) MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 8005632 / 9913599 VATO MANAN-KERY: 4003476 TAHAM-PANDRAISANA ANJARA: 54.03% - RAJOELINA Andry Nirina : 1588543 soit 39.68% - RAVALOMANANA Marc: 1424466 soit 35.58% - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 324465 soit 8.10% - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 52063 soit 1.30%

  • 15/11/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA: Manomboka anio amin'ny 10 ora maraina ny fivarotana ny tapakila Tribune Latérale ho an'ny lalao ihaonan'ny Barea de Madagascar amin'ny Sokoor Al Jedian du Soudan ny Alahady 18 Novambra 2018. Izany tapakila izany dia afaka jifaina eny Isoraka amin'ny vidiny 50.000 ariary.

  • 14/11/2018 - 11:30 : PESTA: Mahatratra 12 hatramin'izay no namoy ny ainy noho ny aretina PESTA teto amintsika ho an'ity taona ity.

  • 14/11/2018 - 10:30 : ANTSIRABE: Vato tsy ara-dalana nilanja 667 kg no saron’ny Zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.

Voir plus d'infos...

15/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181005

Misongadina

Lisi-pifidianana mampiahiahy Hitarika krizy vaovao

05/10/2018

Maro ny olona tao anaty lisi-pifidianana nifarana tamin’ny 15 aprily 2018 no tsy anaty anaty lisitra farany. Tsy mitovy ny isan' ny mpifidy anaty lisitra avoakan’ny CENI isaky ny distrika sy ny fitambaran'ny isa anaty isaky ny lisitry ny birao fandatsaham-bato anaty distrikika, ary misy elanelany be satria misy nesorina na nampiana be dia be, hoy depiote Hanitriniaina Razafimanantsoa tao anatin’ny tambajotran-tseraserany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandida ho filoham-pirenena Mety hisy ho sahirana amin’ny resaka taratasim-piara

05/10/2018

Ilay singa maha biometrika ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara sy ny taratasim-piara mihitsy, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany no antony tsy maintsy hanavaozana ireo taratasy rehetra teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Vondron’olon-tsotra « Aoka izay ny antsojay ! »

05/10/2018

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony tontosain-dry zareo avy eo anivon’ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT), raha ny nambaran’ny filohany, Sarah Zoe.

Hamaky ny tohiny...

Fivoahana dosie maloto Hamotika kandida filoha maromaro

05/10/2018

Lasa fomba fiady ny famoahana ny dosie maloton’ireo kandida filoham-pirenena, izay fahita any ampitan-dranomasina tahaka ny any Eoropa.

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana tany Toliara “Tsy maintsy mandresy isika”

05/10/2018

Tany Toliara ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana omaly alakamisy 4 oktobra. Vao tonga izy dia velom-panantenana ny vahoaka nitsena tamin-kafaliana, hany ka lava be ny kortezy nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina, efa ho 3 km. Samy namoaka sy niteny ny hetahetany ny olona.

Hamaky ny tohiny...

Kandida filoha miisa 22 Manome 24 ora hanavaozana ny lisi-pifidianana

05/10/2018

Misy ny fangatahana napetrak’ireo kandida miisa 22 tetsy amin’ny Solimotel Anosy omaly alakamisy 4 oktobra. Manome 24 ora an’ireo fitondrana mahefa sy ny tompon’andraikitra manam-pahefana eto Madagasikara izy mba hanokafana indray ny lisi-pifidianana hampidirana ny lisitry ny olona tsy tafiditra ao kanefa efa feno 18 taona ary manan-jo hifidy.

Hamaky ny tohiny...

KMF/CNOE-Fanabeazana olom-pirenena Vaindohan-draharaha ny fampandrosoana an’i Madagasikara

05/10/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Astauria Antanimena omaly alakamisy 4 oktobra ny fanatontosana ny fanangonan-kevitra FAMAH (FAmpandrosoana an’i Madagasikara Ahoana ny Hevitrao) nokarakarain’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny volana septambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Antoko FAIMA Nitondra am-bavaka ny fiatrehana fifidianana

05/10/2018

Amin’ny alatsinainy izao hanomboka amin’ny 6 ora maraina ny fampielezankevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 7 novambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ho filoham-pirenena Maro no mivezivezy any ivelany

05/10/2018

Ho raikitra ny fampielezan-kevitra ato ho ato ka manararaotra faramparany maka tsodrano any ivelany ireo kandidà “matanjaka”.

Hamaky ny tohiny...

KMMR Andoharanofotsy Vonona ny hampandany ny filoha Ravalomanana

05/10/2018

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Sanatria hiverina ve ?

05/10/2018

Herintaona sahady izay ry voalavo no nandringana Mitsingerina sahady ary tsy mbola lany tamingana. Dia ho sanatria ve hiverina tokoa ianao ry Pesta ? Aty anaty propagandy mihitsy ianao no hizesta!!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanaovan-gazety Hohavaozina ny tontolon`ny asa

05/10/2018

Mpanao gazety miisa 1 145 no nahazo karatra matihanina raha 1 300 tamin`ny farany teo. Haharitra efa-taona ny fotoana azo ampiasana azy io.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Championnats nationaux du Sport Scolaire 2018 Nahazoam-bokatra ny taranja Atletisma

05/10/2018

Ny fifaninanana teo amin’ny taranja atletisma no efa tontosa hatramin’ny farany eo amin’ny fiatrehana ny Championnat Scolaire andiany faha-2 tontosaina any Toliara Atsimo Andrefana ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Volley-Ball Asief Nasionaly Hiatrika ny 1/2-dalana anio ny Trésor sy Mdn ary ny Pzbt sy Men

05/10/2018

Taorian’ireo lalao 1/4-dalan’ny taranja Volley-Ball tontosa omaly alakamisy 4 oktobra 2018 tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ho sorona eto indray !

05/10/2018

Tsy milamina ny tany ama-monina, ary tsy maniry loza fa toa mandindona ny loza ho an’ny firenena amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sendikan’ny Mpampianatra Malagasy Fomba fiadin’ny tompon’andraikitra ny fampisarahana

05/10/2018

Hifarana anio etsy amin’ny INFP (Institut national De Formation Pédagogique) Mahamasina ny fikaonan-doha nasionalin’ny mpampianatra mivodrona ao amin’ny SEMPAMA Nosy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Mamiratra hatrany i Shyn Hifaninana an-kira any Etazonia

05/10/2018

Handray anjara amin'ny "All African Magazine Music Award" izay atao any Etazonia ilay mpanakanto Malagasy Shyn anio 5 oktobra hatramin’ny 7 oktobra 2018 ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Bodo, Rija Ramanantoanina, Nanie Hihaona amin’ny mpakafy any Paris

05/10/2018

Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-30 taona niakaran’i Bodo sy Rija Ramanantoanina an-tsehatra. Hihaona amin’ny mpankafy izy ireo ary hanampy azy i Nanie izay efa mipetraka any Paris sady mankalaza ny faha-25 taona niakarany sehatra ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Famokarana horonantsary sy raki-peo Mihetsika ihany koa ny eny Mahitsy

05/10/2018

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nampahafantarin’ireo tompon’andraikitra ao aminy teny Ankatso ny fitsanganan’ny tranom-pamokarana ara-tserasera “Metatron production”

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Karatra biometrika

05/10/2018

Nahazo taratasy vorontsiloza daholo ireo mpamily fiara eto Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

TRANO MAY TENY FARAVOHITRA

05/10/2018

Sivy ny isan’ny trano may teny Faravohitra, eo ambonin’ny Somagi. Raha araka ny heno dia niainga tao amin’ny trano fivarota-mofo ny afo rehefa niraraka ny menaka.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina Mizotra tsara ny asa

05/10/2018

Mizotra tsara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina amin'izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Faritra Atsimo Hezahina hisitraka rano fisotro madio

05/10/2018

« Fampihenana ny fahavoazana ara-toekarena, vokatry ny loza sy ny tandindon-doza » no lohahevitra nentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fanalefahana ny vokatry ny loza voajanahary tamin’ity taona ity, izay natao tao Ambovombe-Androy.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Faravohitra Nitrangana hain-trano koa

05/10/2018

Nisesisesy mihitsy tato ho ato ny hain-trano teto Madagasikara. Niandoha tamin’ilay famaizan-trano niisa 400 tao Mananjary izany ary nitohy tamin’ny famaizan’ala mirefy 120 ha mahery tao Moramanga ny 2 oktobra teo.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Avaratanana Ambatolampy Ambohidroa Nesorin’ny CUA sy SAMVA niaraka ny fako nisavovona

05/10/2018

Mitohy ny asa fanadiovana sy fanesorana ny fako eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Miteny ny teknisianina Mila finiavana ny fidirana amin’ny asa

05/10/2018

Jean Jacques Rabako Ralambonirina, talen’ny fampianarana sy ny fikarohana ao amin’ny FIMPIMA (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy) sady mpampianatra amin’ny anjerimanontolo, efa niasa tamina banky saingy efa nisotro ronono no vahinin’ny Fandaharana “Teknisianina” tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 fm ny alarobia teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana