Fil d'actualités du 20/08/2019

  • 20/08/2019 - 15:30 : RODOBEN'NY MPANOHITRA:nanatanteraka ny fivoriana voalohany androany 20 Aogositra izay notarihin’ny filohany Marc Ravalomanana filohan’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny DEMOKRASIA . Nanatrika izany avokoa ireo filoha lefitra isaky ny faritany eto Madagasikara ary ireo birao mandrafitra ny RMDM.

  • 20/08/2019 - 15:00 : BONGOLAVA:Nidina hifotony nijery ilay lalana nihotsaka teny Ihazomay ireo olom-panjakana eo anivon'ny Faritra Bongolava izay notarihan'Andrimatoa Lehiben'ny Faritra Bongolava, ny préfet an'i Tsiroanomandidy ary ny avy ao amin'ny travaux publics eto Bongolava. Anomboka tsy ho ela ny asa fanarenana.

  • 20/08/2019 - 14:00 : FANENTANANA HO AN'NY MPITATITRA:Ny ATT dia mamoaka naoty ho fanentanana ny mpitatitra olona rehetra manerana ny Nosy mba hifarimbona amin'ny fitaomana ny olona avy any amin'ny faritany hamonjy ireo fotoana lehibe iarahana amin'i Papa François.

  • 20/08/2019 - 11:30 : SOSIALY:Tonga nijery ny asa fanamboarana ny lalana sy ny lalakely ary fanatsarana sy fanomezana.endrika.ny tanana teny Tsiadana boriborintany faha 2 kaominina Antananarivo Renivohitra ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana ny maraina teo.

  • 20/08/2019 - 11:00 : FITANTANANA NY HARENA VOAJANAHARY:Hatao ao genève sy soisa amin'izao fotoana zao ny fivoriana andihan'ny faha 71 ataon'ireo sampadraharaha iraisam-pirenena mitantana ny varotra harena voajanahary,anisan'ny mandray anjara amin'izany i Madagasikara.

  • 20/08/2019 - 10:30 : NANISANA:mpiasa iray no namohy ny ainy tototry ny tany tetsy nanisana omaly.

  • 20/08/2019 - 10:00 : ANTALAHA:Tovolahy 14 taona nisy tafaporitsaka teny ampelatanan'ny mpagalatr'olona,ra araka ny fitantarany dia nisy dimy lahy izy ireo fa izy no tafavoaka.

  • 20/08/2019 - 09:30 : JIRAMA:Misy fikorontanana ny famatsiana RANO anio Talata 20 Aogositra 2019 nanomboka tamin'ny maraina teo eny amin'ny faritra: Mamory - Tanambao Andafiavaratra - Fitroafana - Mandrosoa - Maibahoaka - Antanetibe - Talatamaty - Ambohitravao - Faralaza - Ankadivory - Ambohinambo - Amborompotsy - Imerinafovoany - Tanjondava - Ankadivory - Ambohijanahary - Ankadindravola - Ivato Tanana - Ivato pharmacie - Mandriambero - Ambohidratrimo - Soamanandray - Alakamisy - Anosiala - Andranomanga.Antony: misy asa fanamboarana tsy maintsy atao ao amin'ny Toby famatsian-drano eny Faralaza.

  • 20/08/2019 - 09:00 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA:Misy lozam-pifamoivoizana miseho amin'izao fotoana izao etsy 67ha,fiara D4D iray nidona tamin'ny tambo iray araka ny fampitam-baovao azo dia tsy nisy ny aina nafoy.

  • 19/08/2019 - 16:00 : FANDRAHARAHANA:Ho tanterahina etsy amin'ny CCI Ivato ny 17katramin'ny 20 septambra ny fiaonamben'ny mpampiasa vola eto Madagasikara ka mpandraharaha avy any ivelany mihoatra ny 50 no ho avy.

Voir plus d'infos...

20/08/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181027

Misongadina

Tonga saina ny vahoaka Ravalomanana no hofidiana

27/10/2018

Mitaky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena indray ny vahoaka rehetra tany amin’ireo tanàna marobe manerana ny Nosy nadalovan’ny kandidà laharana faha-25, manome toky fa handatsa-bato ho azy ny 7 novambra 2018.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lisi-pifidianana Namoaka fanambarana ny HCC

27/10/2018

Namoaka fanambarana ny teo anivon`ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny alakamisy 25 oktobra lasa teo tamin`ny alalan`ny tranonkalany mahakasika ny adihevitra momba ny lisi-pifidianana sy ny zon`ny olom-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Firaisankinan`ireo kandidà Manome 72 ora an`ireo tompon’andraikitra mahefa

27/10/2018

Nifampotoana tetsy anoloan`ny kianjaben`i Mahamasina ireo kandidà maherin`ny roapolo izay namoaka fehin-kevitra iombonana nandritra ny fihaonambem-pirenena izay natao omaly teny amin'ny CCI Ivato ny alakamisy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ekipan’ny 2009 Manomboka migafy sy mamotika indray

27/10/2018

Misesisesy ny karazana herisetra maro samihafa mahazo ny mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana amin’izao. Olona manao akanjo misy ny laharana 25 no tratry ny daroka teny 67 Ha nataona olona manao akanjo t-shirt an’ny mpanohana an-dRajoelina andro maromaro izay.

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Mametraka toromarika

27/10/2018

Tsy tompon-kevitra amin’ny fanemorana ny fifidianana ny CENI Madagascar raha ny nambaran’ny mpampakateny, Ernest Razafindraibe fa ny lalàna no mifehy izany.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Filoha hany mahay manetry tena

27/10/2018

Tsotra sy mahitsy i Marc Ravalomanana, ary afaka mifandray sy miaina miaraka amin’ny Malagasy rehetra na inona na inona sokajiny sy faripiainany.

Hamaky ny tohiny...

Paolo Raholinarivo Nanome hafatra ho an’ny praiminisitra

27/10/2018

Tsy ny praiminisitra ihany fa ireo izay rehetra heverin’ny administratera sivily, Paolo Raholinarivo, ho mpanenjika ny hetsiky ny firaisankinan’ireo kandida miisa 26 dia samy nomeny ny hafatra avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra sy kandida 26 Manao moana sy marenina

27/10/2018

An-daniny, mamerimberina fa fikasana hanemotra fifidianana no anton’ny fitakian’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 26 hanokatra ny lisi-pifidianana amin’izao andro vitsy tsy hahatongavan’ny 7 novambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

GAEFI, TDL, Pastera Jocelyn Ranjarison Hanao fampisehoana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina

27/10/2018

Ho fanohanana ny mpiara-belona ara-panahy sy ho fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Groupe Artistique Evangelique Fenoantsa Itaosy ( GAEFI) dia hanatanteraka fampisehoana goavam-be etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina izy ireo ny 01 novambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basket tompondaka N1 A Ekipan’Analamanga 4 sy Boeny 2 no tafakatra

27/10/2018

Ekipan’Analamanga 5 sy ekipan’i Boeny 2 ary ekipan’i Vakinankaratra 1 no tafakatra hiady ny lalao ankatoky ny famaranana anio sabotsy 27 oktobra 2018 etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Basket 3 x 3 Afrique Naseho omaly tetsy Mahamasina izy 5 mirahalahy

27/10/2018

Nasehoan’ny Federasiona Malagasin’ny taranja basikety baolina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly zoma 26 oktobra ireo mpilalao 5 mirahalahy amin’ny 6 handrafitra ny ekipa nasionaly Malagasy basket 3 x 3

Hamaky ny tohiny...

Edito

Olon-dehibe tsy mahalala menatra

27/10/2018

Asa na efa aretina aty afrika izy ity na aretin’ireo mpitondra aty amin’ny tany fadiranovana. Dia tsy mba mety hifanara-tsaina na oviana mihitsy izany ireo mpitondra sy ireo mijoro ho mpanohitra eto amin’ity firenena ity.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Toekaren’i Algérie Misy ireo sehatra nilofosana mafy vao tojo fampandrosoana

27/10/2018

Anisan’ny firenena afrikanina manana hery ara-toekarena i Algérie amin’izao fotoana. Nanambara ny ambasadaorony, Bafdal Mokaddem, nandritra ny fanokafana ny faha-64 taonan’ny fahafahan’i Algerie

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

ISST Paramed Namoaka mpianatra 27 mianadahy

27/10/2018

Namoaka mpianatra 27 mianadahy ny sekoly manofana ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ISST Paramed etsy Andrefanambohijanahary omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Sabir Molou Efa eo anivon’ny ankohonany

27/10/2018

Taorian’ny fakana an-keriny nihatra tamin’Atoa Sabir Molou, tale jeneralin’ny toeram-pivarotam-panafody Principale eny Ivandry ny sabotsy 13 oktobra lasa teo dia fantatra fa efa navotsotr’ireo olon-dratsy izy ary efa eo anivon’ny ankohonany.

Hamaky ny tohiny...

Sabir Molou Efa eo anivon’ny ankohonany

27/10/2018

Taorian’ny fakana an-keriny nihatra tamin’Atoa Sabir Molou, tale jeneralin’ny toeram-pivarotam-panafody Principale eny Ivandry ny sabotsy 13 oktobra lasa teo dia fantatra fa efa navotsotr’ireo olon-dratsy izy ary efa eo anivon’ny ankohonany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

AFA-BARAKA NY SERANAM-PIARAMANIDINA

27/10/2018

Nalain’ilay artista malaza eran-tany Joss Stone baraka ny seranam-piaramanidin’Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Politika

27/10/2018

Anio indray ny fotoan-dehibe iarahana amin’ny kandida laharana faha 25 etsy Ambohijatovo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Rano fisotro madio Mbola betsaka ireo faritra tsy misitraka izany

27/10/2018

Mbola mihoatra ny 60 % ireo olona tsy misitraka rano fisotro madio eto amintsika, indrindra fa ny any amin’ny faritra ambanivohitra. Raha mahazo izany aza izy ireo dia amin’ny alalan’ny vovo sy ny rano mandeha ihany izay ahiana hitera-doza ho an’ny fahasalamana tokoa, indrindra fa ny ankizy madinika.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra eran-tany Niakatra laharana 6 ny Barean’i Madagasikara

27/10/2018

Nivoaka tamin’ny alakamisy 25 oktobra teo ny filaharan’ireo ekipa eran-tany famoakan’ny FIFA isam-bolana.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Tolotra « Pack Immo » Manome fihenam-bidy 50% ny Vidy Varotra

27/10/2018

Zanak’omby tsy ampianarin-domano tokoa raha ny mpiara-miasa mpiray donak’afo amin’ny gazety Vidy Varotra ireo mpisehatra ny tolotra sy tinady eo amin’ny tontolon’ny trano sy tany amidy na haofa ary koa mitady mpitantana.

Hamaky ny tohiny...

Fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa Tena sarotra eto Madagasikara

27/10/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly zoma 26 oktobra ny fisian’ny hetsika arak’asa “Forum des métiers” andiany faha-9 hiarahan’ny SOS Villages d’enfants sy ireo mpiara-miombon’antoka maro tahaka ny DHL sy ny Allianz ary ny Banky BNI Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana