Fil d'actualités du 22/01/2019

  • 22/01/2019 - 17:00 : FANATANJAHANTENA: Voafidy faninefany ho filohan'ny Komity Olaimpika Malagasy na ny COM i Siteny Andrianasoloniaiko tamin'ny fifidianana natao androany 22 janoary. Tsy nanana mpifaninana izy.

  • 22/01/2019 - 15:00 : BAOLINA KITRA: Voasazin'ny tribonaly Espagnole 23 volana an-trano maizina sy onitra 14,5 Millions Euro ilay lohalaharana Portugey Christiano Ronaldo noho ny hosoka tamin'ny fandoavan-ketra ny taona 2011 sy 2014.

  • 22/01/2019 - 14:30 : BNGRC: "Noho ny orana dia aoka ho mailo amin ny fihotsahan ny tany ireto faritra MENA ireto Ambohipotsy Andafy Avaratra Manjakamiadana Andohamandry Ampamarinana".

  • 22/01/2019 - 14:15 : ANDRY RAJOELINA: Naneho fiaraha-miory sy nirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo noho ny fihotsahan'ny tany teto an-dRenivohitra ity Filohan'ny Repoblika ity androany.

  • 22/01/2019 - 13:50 : FAMPIANARANA: Mbola hiato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana any Ambanja, Antsiranana, Nosy Be noho ny rano miakatra naha dibo-drano ny sekoly marobe, raha ny fanazavan'ny lehiben'ny CISCO any Ambanja.

  • 22/01/2019 - 13:30 : MAHAJANGA: Dibo-drano ny ankamaroan'ny faritra iva, saingy tsy mbola misy kosa ny traboina hatreto, hoy ny ben'ny tanàna Mokthar Salim Andriantomanga.

  • 22/01/2019 - 13:15 : FIKAROHANA IREO TOTOTRY NY TANY: Efa somary hita soritra ny misy ireo olona 4 mbola tsy hita tototry ny tany eny Tsimialonjafy Andohalo satria noho ny fofona mivoaka saingy matevina ny tany ka mananosarotra ny fanesorana izany.

  • 22/01/2019 - 12:55 : ORINASA AMBATOVY: Nanolotra fanafody sy kojakoja fampiasa amin'ny fitsaboana (seringues, cathéters, perfuseurs) tao Toamasina ny Orinasa Ambatovy ho fandraisana anjara amin'ny ady atao amin'ny valanaretina kitrotro.

  • 22/01/2019 - 12:30 : FANILON'I MADAGASIKARA - FIANTSOANA VONJY: "Miangavy antsika skoto rehetra, lehilahy, vehivavy izay afaka hanome tanana izao maraina izao ny mpamonjy aina eny Andohalo mba ho avy miaraka amin'ny angady sy "seaux" ho fikarohana ny vatana mangatsiakan'ny vady sy ny zanaky ny Filoha Iombonana Fanilon'i Madagasikara teo aloha Nini Raharimanana, izay namoy ny ainy ihany koa. Mitondra foulard".

  • 22/01/2019 - 12:00 : ROLAND RATSIRAKA: Mandeha ny resaka fa i Rolland Ratsiraka no mety hotendrena ho governoran'i Toamasina. Izy izany no hanatanteraka ilay fampanantenana hoe Toamasina ho lasa tahaka an'i Miami ?

Voir plus d'infos...

21/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181120

Misongadina

Rajoelina tia tena Mitady hanakorontana firenena indray

20/11/2018

Nampitomboina ny isan’ny mpifidy dia zaraina ny vato ary mijanona eo amin’ny 40%, hoy i Andry Rajoelina, omaly. “Truqué” ny rindram-baiko na ny “logiciel”, ka izay zavatra ampidirina ao dia lainga no avoakany,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lisi-pifidinana Hisokatra amin'ny 1 desambra saingy...

20/11/2018

Hisokatra amin'ny voalohany ny volana desambra ho avy izao indray ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ka tsy hifarana tanteraka raha tsy amin'ny 15 mey 2019.

Hamaky ny tohiny...

Fifanolanana momba ny fifidianana Tototry ny fitakiana ny etsy Ambohidahy

20/11/2018

Namoaka voka-pifidianana vonjimaika ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny sabotsy lasa teo ary miandry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy.

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Diso be io valim-pifidianana io. »

20/11/2018

Nimenomenona mikasika ny valim-pifidianana avokoa ny rehetra, hoy ny kandida ho filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany, Arlette Ramaroson, raha naneho ny heviny mikasika ny vokatra vonjimaika farany navoakan’ny CENI ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Vaomieran'ny Ranomasimbe Indianina Miantso fitoniana eo amin'ny rehetra

20/11/2018

Nankasitraka ny fizotran'ny fifidianana tamin'ny 7 novambra lasa teo ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indianina (COI).

Hamaky ny tohiny...

HCC Tokony haneho fomba fiasa mangarahara

20/11/2018

Ny asan`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia voafaritry ny lalàmpanorenana, voafaritry ny didy hitsivolana mifehy azy tamin`ny taona 2001 dia ny HCC, indrindra voakasika ny lalàm-pifidianana 2018 -008 sy 2018-009.

Hamaky ny tohiny...

Victor Manantsoa HFI “”Ny fihaonambem-pirenena ihany no vahaolana”

20/11/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly Atoa Manantsoa Victor mpikambana eo anivon’ny hetsiky ny fanorenana ifotony na ny HFI.

Hamaky ny tohiny...

Noho ny fanonganam-panjakana 2009 Very 10 taona i Madagasikara

20/11/2018

Very 10 taona i Madagasikara raha tarafina amin’ny tantara sy ny zavatra niainan’ny firenena nanomboka ny faramparan’ny taona 2008 nikotrehana fanonganam-panjakana. Ny fihodinana faharoa amin’izao fifidianana filoha ankehitriny izao dia tandindon’ny « ni…ni… » tamin’ny taona 2013 miampy ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy miverina amin’ny tany aloha isika ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Fihodinana faharoa..

20/11/2018

Dia gaga anao aho ry Malagasy namana Tsy ekenao ny valim-pifidianana Lazainao feno hosoka ireo taratasy Tena miaiky anao aho raMalagasy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

KMF-CNOE Tsy ampy ny fanabeazana tamin'ny fifidianana

20/11/2018

Anisan'ny voasokajy ho ambany ny taham-pahavitrihana tamin'ity fifidianana ity, ka ahiana tsy ho marin-toerana izay ho filoham-pirenena vaovao eo, raha ny salanisan'ireo olom-pirenena nandrotsa-bato no jerena, hoy ny eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena manabe ny fifidianana (KMF-CNOE), satria hisy fiantraikany amin'ny maha ara-dalàna azy.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana Miantso ny SAMVA mba handray ny andraikiny

20/11/2018

Diso mivangongo loatra ny fako eto an-drenivohitra ankehitriny. Ankoatra ireo toerana ahitana dabam-pako izay feno maloto dia toerana maro tsy hampoizina toy ny eny Ampefiloha ambadiky ny tambohon’ny sekoly ambony ENS ihany koa no efa ahitana izany, mibahana eo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Hamaky ny tohiny...

Trano fivoahana 7,8 tapitrisa ireo olona tsy manana izany eto Madagasikara

20/11/2018

7,8 tapitrisa ireo olona tsy manana trano fivoahana eto Madagasikara. Lohalaharana amin’izany ireo monina eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

ZAVA-PISOTRO MANITRA VOANKAZO Manomboka mahazo vahana eto amintsika

20/11/2018

Manomboka mahazo vahana eto amintsika ny zava-pisotro manitra voankazo.

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy Ravatomanga Hampanantsoin’ny fitsarana Frantsay ?

20/11/2018

Tsy marina ny filazana fa nitsoaka sy tsy niseho teny amin’ny Bianco i Mbola Rajaonah, hoy ny mpisolovava azy Eric Rafidison, omaly. Tonga namaly ny antson’ny BIANCO ny Filoha tale jeneralin’ny vondron-tserasera RLM Communication i Mbola Rajaonah ary niatrika ny fanadihadiana natao azy omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

Vazo fanevan’ny CFM Mitory tanteraka ny fihavanana

20/11/2018

Zava-dehibe ny hira ho an’ny olona manao kanto sy mamorona azy ary ahafahana mampita hafatra haingana be.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby Tournoi Firaisankina Afa bela ny Cheminots Besetroka

20/11/2018

Afa-bela tamin’ny Matadorea Anosipatrana ny Cheminots Besetroka, tamin’ny alahady 18 novambra 2018 tamin’ny lalao famaranana rugby “Tournoi

Hamaky ny tohiny...

Klioban’ny Elgeco Plus Nanolotra fitaovana ho an’ny CUA

20/11/2018

Manome sehatra ny tontolon’ny fanatanjahantena ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nitohy hatrany fiaraha-miasa amin’ ny Klioba Elgeco Plus, izay tompon’ny amboaran’i Madagasikara na “Coupe de Madagasikara” sy ny CUA.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Za’Gasy Natomboka ny hetsika Sabotsy Fifanampiana

20/11/2018

Nosokafana ofisialy tamin’ny sabotsy 17 novambra teo teny amin’ny sekoly Md Etienne Ambanidia ny hetsika Sabotsy Fifanampiana. Hetsika nataon’ny fikambanana Za’Gasy tarihan’i Jean Navandahy Ratiharison hanampiana ara-tsosialy an’ireo mpikambana ao aminy eny amin’ny boriborintany faha-2 isaky ny sabotsy mazava loatra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hiadana sy ho finaritra

20/11/2018

Ela no naniriana ity firenena malalantsika ity hiadana sy ho finaritra. Heverina fa tsy misy manda ny hahatanteraka izany. Raha hanontaniana ireo mpisehatra politika rehetra ny fanirian’izy ireo dia azo antoka avy hatrany fa eny no valiny.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Foibem-paritry ny fahasalamana any Sofia Mitaky ny hanalana ny talem-paritry ny fahasalamana ny mpiasa

20/11/2018

Mandrahona hanao hetsika fanairana ho fitakiana ny fanalana ny talem-paritry ny fahasalamana amin’ny toerany ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny foibem-paritr’i Sofia.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY AMPANDRANA

20/11/2018

Manoloana ilay lozam-pifamoivoizana niseho teny Bel’Air Ampandrana ny alahady tolakandro lasa teo naharatrana olona roa nitondra moto nanao taingin-droa,

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina

20/11/2018

Hafahafa tamin’ny maro ihany ny nandray ny fanambaran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Talen’ny SAMVA « Aoka tsy ho fako politika no hariantsika ! »

20/11/2018

Minitra vitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, dia nitondra fanazavana avy hatrany mikasika ny antony tsy nahatontosan’izy ireo ny asany ny avy eo anivon’ny SAMVA na ny sampandraharaha nampisahanin’ny minisiteran’ny rano ny fanangonana ny fako eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Mbola mila ezaka be

20/11/2018

Manana anjara toerana lehibe amina firenena iray ny firaisamonim-pirenena sivily,

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Mbola mila ezaka be

20/11/2018

Manana anjara toerana lehibe amina firenena iray ny firaisamonim-pirenena sivily,

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 Hodinihina anio sy rahampitso

20/11/2018

Araka ny voalaza ao anatin'ny lalàmpanorenana dia mbola ao anatin'ny fivoriana ara-potoana faharoa ireo parlemantera ary io ilay atao hoe : "cession budgétaire" na fivoriana handinihana ny tetibolam-panjakana amin'ny taona ho avy.

Hamaky ny tohiny...

Indostria eto Madagasikara Marefo ny mpanambola mandraharaha

20/11/2018

Mbola miandry ny fifidianana ho tanteraka soamantsara angamba ny mpanodim-bola sy ny mpandraharaha fa tena maivana ny fampiasam-bola amin’izao fotoana, araka ny tatitry ny filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara, Fredy Rajaonera.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana