Fil d'actualités du 18/04/2019

  • 18/04/2019 - 12:30 : MANJAKAMIADANA: Hikatona ny fahafahan'ny daholobe mitsidika rehefa manomboka ny fanamboarana ny Rova, fa ny fiangonana kosa hivoha hatrany.

  • 18/04/2019 - 12:00 : FADINTSERANANA MALAGASY: Voatendry Tale Jeneraly Atoa Lainkana Zafivanona Ernest, araka ny tapaky ny Filankevitry ny minisitra.

  • 18/04/2019 - 11:30 : TAZOMOKA: Ankizy miisa 7 no namoy ny ainy noho ny tazomoka tao amin'ny Kaominina Ampaharimaina Ambohimandrosoa ao amin'ny Distrikan'Amparafaravola.

  • 18/04/2019 - 11:00 : CFM: Hidina ifotony any amin'ny faritra 22 hampahafantatra ny sata mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny vahoaka sy ny kandida ny eo anivon'ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 24 aprily ho avy izao.

  • 18/04/2019 - 10:30 : RALLYE PASSION: Miisa 35 ireo ekipazy handray ny fiaingana anio amin'ny 12:15 hitandahatra ao Antsirabe, ary hiatrika ny "Epreuve Spécial" Vatofotsy.

  • 18/04/2019 - 10:00 : HAZAKAZAKA FIARAKODIA-RALLYE PASSION ANTSIRABE: Hanomboka anio 18 aprily ary haharitra telo andro ny Rallye Passion, izay tafiditra anatin'ny dingana voalohany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.

  • 17/04/2019 - 11:00 : BAOLINA KITRA: Tafiakatra 18 ny baolina matin'ilay mpilalao Malagasy Carolus, izay milalao ao amin'ny Klioba Al-Adalh any Arabie Saoudite.

  • 17/04/2019 - 10:30 : ANDRIAMPOTSY FENOARIVOBE: Olona 4 tototry ny tany no mbola tsy ao ambanin'ny tany amin'ity Kariera ao Fenarivobe Bongolava ity. 10 izy ireo no niara-tototra tao anaty lavaka sy tionelina 19m eo ho eo. Mety hatsahatra ny fikarohana ary asiana tsangambato hahatsiarovana ireo efatra tsy hita eo amin'ilay fitrandrahana volamena.

  • 16/04/2019 - 12:00 : FRANTSA: Hanolotra 200 tapitrisa euros ho fanarenana ny Katedraly Notre-Dame de Paris izay vakoka iraisam-pirenena may omaly ny fianakaviana Arnault, mpanefoefo ao Europe ary tompon'ny marika Louis Vuitton.

  • 16/04/2019 - 11:30 : KOLIKOLY: Olona roa no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ i Marofoto ao Mahajanga ny 10 aprily 2019 lasa teo. Fanaovana sy fampiasana diplaoma hosoka vesatra hanenjehana azy ireo, ka tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny sampandraharahan’ny jono ao Boeny ary ny iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no voakasik’izany.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190129

Misongadina

Fanavotana takalon’aina tany Tsaratanana Nianjera ny helikoptera

29/01/2019

Nitrangana toe-javatra nampalahelo omaly alatsinainy 28 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany Anadabo, kaominina ambanivohitra Isinko, distrikan’i Tsaratanana (eo anelanelan’i Tsaratanàna sy Andriamena).

Hamaky ny tohiny...

Politique

Masoivoho Amerikanina vaovao Tena mafy amin’ny resaka paik’ady politika

29/01/2019

Taorian’ny nahatapitra ny fe-potoam-piasan’i Robert Yamate teto Madagasikara ny volana martsa 2018, dia ny mpiraki-draharaha Amerikanina Stuart Wilson no nandrindra ny fifandraisana ara-diplomatikan’i Etazonia tamin’ny firenentsika.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Rajoelina Maro ireo ho diso fanantenana aminy

29/01/2019

Izay lazaiko tsy maintsy tanterahiko, hoy ny ambentin-tenin-dRajoelina tamin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Akata « Hiseho masoandro amin-dRajoelina ireo fahavalony ao an-dapa. »

29/01/2019

Nisaotra ilay Nahary ny Malagasy iray manontolo ny avy eo anivon’ny fikambanana Akata Zanadrazana tarihin’ny filohany Brice Christopher Rabehavana.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta vaovao Dika mitovin’ny teo aloha ihany, hoy i Dany Rakotoson

29/01/2019

Arahabaina ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra nahatafanjakana governemanta vaovao tao anatin’ny fotoana fohy ka mirary soa azy.

Hamaky ny tohiny...

Robinson, Dadafara, Roland Ratsiraka Hotendrena ho governoran’ny faritra ?

29/01/2019

Somary nipirina sy tsy re feo firy ireo kandida filoham-pirenena nisafidy ny hanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa sy ireo mpanao politika sasany lohandohan’ny mpisorona akaiky an-dRajoelina,

Hamaky ny tohiny...

Fanovana lalàna sy kajy politika Manaraka ny dian’ny HVM Rajoelina…

29/01/2019

Ny 5 febroary ho avy izao amin’ny 12 alina no ho tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny antenimieram-pirenena. Ny filoha ankehitriny ihany koa, dia efa nanambara ny 1 aogositra 2018 fa hofoanany ny antenimerandoholona.

Hamaky ny tohiny...

Faritanin’i Toamasina Mampiahiahy ny mponina ny hoaviny

29/01/2019

Goavana ny vina napetraky ny filoham-pirenena vaovao mikasika an’i Toamasina, raha mijery ny IEM sy ny velirano, hoy ireo mponina avy any an-toerana naharaisana fitarainana. Eo ihany ny tetikasa Miami fa eo indrindra koa ny resaka seranan-tsambo.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Ntsay Christian Tsy mahasolo tena ny faritra 22, hoy ny filohan’ny Za Gasy

29/01/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny filohan’ny fikambanana Za Gasy, Ratiharison Jean Navandahy taorian’ny nijoroan’ny governemanta Ntsay Christian.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Ntsay Christian Tsy mahasolo tena ny faritra 22, hoy ny filohan’ny Za Gasy

29/01/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny filohan’ny fikambanana Za Gasy, Ratiharison Jean Navandahy taorian’ny nijoroan’ny governemanta Ntsay Christian.

Hamaky ny tohiny...

Minisitra Tinoka Roberto Hanangana ANS manerana ny Faritany

29/01/2019

Tontosa tao anatin’ny « fair play » tanteraka, omaly alatsinainy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,

Hamaky ny tohiny...

Minisitra Tinoka Roberto Hanangana ANS manerana ny Faritany

29/01/2019

Tontosa tao anatin’ny « fair play » tanteraka, omaly alatsinainy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fifaninanana hidirana mpiasam-panjakana Hadio tanteraka, hoy ny minisitra vaovao

29/01/2019

Tontosa soaman-tsara ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy omaly alatsinainy 28 janoary tetsy 67ha.

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Raim-pianakaviana 45 taona natelin’ny rano

29/01/2019

Raim-pianakaviana iray 45 taona no natelin’ny reniranon’i Manambolo any amin’ny distrikan’Ikongo ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Misaotra mataho-tody !

29/01/2019

Vazivazy zarintenany sendra nandalo tao anaty tambajotran-tserasera iray ny hoe “Mandray roa toy ny vava ; hilelalelana maha lasa minisitra.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Sinoa mpitrandraka volamena Maty voakapa famaky

29/01/2019

Lehilahy teratany sinoa iray mpitrandraka volamena any amin’iny Malazamasina Mananjary iny no maty voakapa famaky ny lohany sy ny tanany ny alahady alina lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ZAZALAHIKELY NAMOY NY AINY

29/01/2019

Namoy ny ainy ilay zazalahikely antsoina hoe Rodriguez. Izy io dia isan’ny nampalahelo ny mponin’i Toamasina vokatry ny fisian’ny zavatra maniry, toa ny rambo, teo amin’ny lohany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fikambanana Tsiorintsoa Hohamafisina ny asa sosialy eny Atsimondrano

29/01/2019

Tontosa ny sabotsy 26 janoary teo teny amin’ny foiben-toerany teny Iavoloha ny fivoriamben’ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano, notarihin’ny filoha mpanorina Nofy Lalaina Haingoharijaona.

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Ankizy 4 mianadahy maty tototry ny tany

29/01/2019

Zaza 4 mianadahy no maty tsy tra-drano tototry trano tany Andapa omaly. Nirodana vokatry ny oram-be ny trano nonenany, ka niara-tototra tsy afa-nanavotra aina izy ireo,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana