Fil d'actualités du 18/04/2019

  • 18/04/2019 - 12:30 : MANJAKAMIADANA: Hikatona ny fahafahan'ny daholobe mitsidika rehefa manomboka ny fanamboarana ny Rova, fa ny fiangonana kosa hivoha hatrany.

  • 18/04/2019 - 12:00 : FADINTSERANANA MALAGASY: Voatendry Tale Jeneraly Atoa Lainkana Zafivanona Ernest, araka ny tapaky ny Filankevitry ny minisitra.

  • 18/04/2019 - 11:30 : TAZOMOKA: Ankizy miisa 7 no namoy ny ainy noho ny tazomoka tao amin'ny Kaominina Ampaharimaina Ambohimandrosoa ao amin'ny Distrikan'Amparafaravola.

  • 18/04/2019 - 11:00 : CFM: Hidina ifotony any amin'ny faritra 22 hampahafantatra ny sata mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny vahoaka sy ny kandida ny eo anivon'ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 24 aprily ho avy izao.

  • 18/04/2019 - 10:30 : RALLYE PASSION: Miisa 35 ireo ekipazy handray ny fiaingana anio amin'ny 12:15 hitandahatra ao Antsirabe, ary hiatrika ny "Epreuve Spécial" Vatofotsy.

  • 18/04/2019 - 10:00 : HAZAKAZAKA FIARAKODIA-RALLYE PASSION ANTSIRABE: Hanomboka anio 18 aprily ary haharitra telo andro ny Rallye Passion, izay tafiditra anatin'ny dingana voalohany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.

  • 17/04/2019 - 11:00 : BAOLINA KITRA: Tafiakatra 18 ny baolina matin'ilay mpilalao Malagasy Carolus, izay milalao ao amin'ny Klioba Al-Adalh any Arabie Saoudite.

  • 17/04/2019 - 10:30 : ANDRIAMPOTSY FENOARIVOBE: Olona 4 tototry ny tany no mbola tsy ao ambanin'ny tany amin'ity Kariera ao Fenarivobe Bongolava ity. 10 izy ireo no niara-tototra tao anaty lavaka sy tionelina 19m eo ho eo. Mety hatsahatra ny fikarohana ary asiana tsangambato hahatsiarovana ireo efatra tsy hita eo amin'ilay fitrandrahana volamena.

  • 16/04/2019 - 12:00 : FRANTSA: Hanolotra 200 tapitrisa euros ho fanarenana ny Katedraly Notre-Dame de Paris izay vakoka iraisam-pirenena may omaly ny fianakaviana Arnault, mpanefoefo ao Europe ary tompon'ny marika Louis Vuitton.

  • 16/04/2019 - 11:30 : KOLIKOLY: Olona roa no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ i Marofoto ao Mahajanga ny 10 aprily 2019 lasa teo. Fanaovana sy fampiasana diplaoma hosoka vesatra hanenjehana azy ireo, ka tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny sampandraharahan’ny jono ao Boeny ary ny iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no voakasik’izany.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190204

Misongadina

Olona akaiky an-dRajaonarimampianina Nidoboka eny Antanimora i Hugues R

04/02/2019

Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny Mpanolotsain’ny filoha teo Hery Rajaonarimampianina dia i Hugues Ratsiferana sy ny namany iray mitondra ny anarana hoe Tantely noho ny raharaha ambara fa fangalarana entana tahaka ny fanaka, solosaina,…

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana solombavambahoaka Hotanterahana amin’ny 27 mey 2019

04/02/2019

Namoaka ny tetiandrom-pifidianana tamin`ny alalan`ny didy hitsivolana lah. 2019-56 ny avy eo anivon`ny primatiora izay miantso ny olom-pirenena ho tonga handatsa-bato amin`ny fifidianana solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

CENI sy ny HCC Lasa fitaovan`olom-bitsy ve ?

04/02/2019

Tsy mamparisika ny olom-pirenena manana zo hifidy loatra ny fanamarinana na ao anaty lisi-pifidianana 4 na tsia satria maro no mihevitra fa na iza na iza lany eo dia tsy voahaja ny safidiny.

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany Nahavita “mission” indray

04/02/2019

Nametraka ny dian-tanany sahady ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimandimby, taorian`ny nanendrena azy indray ho mpikambana ao anatin’ny governemanta Ntsay. Vita ny adidiny tamin`ny fampandaniana ireo volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben’ny fanjakana Ny fampiharana sisa andrasana

04/02/2019

Nivoaka iny ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny politika ankapobeny entin’izao fitondrana izao manatanteraka ny praograman’asany.

Hamaky ny tohiny...

Andriantsizehena Benja Urbain “Mila fandaminana lehibe ny fizarana ny faritra”

04/02/2019

Nandritra ny lahateniny tamin`ny fianianany tetsy Mahamasina, nilaza ny filoham-pirenena fa hisy ny fanovana rafitra hanakaiky kokoa ny vahoaka. Tsy ho 22 intsony ny isan`ny faritra fa ho 23 hotantanin`ireo governora.

Hamaky ny tohiny...

Rantsan’ny CENI ao Ambatondrazaka Tafatsangana ny tranobe mitentina 200 tapitrisa

04/02/2019

Trano lehibe ahitana efitra enina mintena 200 tapitrisa ariary no fotodrafitrasa voalohany vitan’ny CENI tao anatin'izay taona nijoroany izay. Ahitana efitrano fiasana ny CED sy ny CER ary ny CIR izy io.

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Betsaka misoratra anarana eny amin’ny fokontany

04/02/2019

Nifarana ny 31 janoary lasa teo rehefa nanomboka ny 15 janoary ny andiany faharoa tamin’ny fandefasan’ny komitim-pirenena misahana ny fifidianana ilay boky hoenti-manavao ny lisi-pifidianana haparitaka eny anivon’ny fokontany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tany mihotsaka Fa inona marina no mahatonga azy ?

04/02/2019

Raha fantatra mialoha ny loza, efa noraisina ny fepetra rehetra hisorohana azy saingy vinavina sy tombatombana ihany aloha no azo atao, indrindra ny fitandremana.

Hamaky ny tohiny...

Amnesty International « Mahery setra loatra ny mpitandro ny filaminana Malagasy »

04/02/2019

Lehilahy miisa valo voarohirohy ho mpangalatra omby no namoy ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana hoy ny amnesty international tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny voalohany volana febroary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Mpampianatra mamily fiarakodia Mitaraina noho ny tsy fisian’ny “permis”

04/02/2019

Tsy misy taratasy fahazoan-dalana mamily fiara hatrany na “permis” amin’izao eo anivon’ny centre d’immatriculateur na ny ivontoerana misahana izany.

Hamaky ny tohiny...

Antsiranana May kila forehitra ny sampandraharahan’ny fananan-tany

04/02/2019

Zava-doza no niseho tao Antsiranana ny sabotsy teo. Nirehitra ary may kila forehitra ny “Service Domaine” na ny sampandraraharaha misahana ny fananan-tany any an-toerana noho ny firehetana tsy voafaritra mazava ny antony.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Volley-Ball CCZ7 Nandresy avokoa ireo solontena Malagasy 4 omaly

04/02/2019

Ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy Tinoka Roberto no nanokatra ofisialy ny fifaninanana CCZ7 « Fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7 aty Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka taranja volley-ball »

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Analamanga Fantatra ireo hiatrika ny 1/4-dalana

04/02/2019

Taorian’ny andro faha-7 notontosaina teny Carion tamin’ny sabotsy 02 sy alahady 03 febroary 2019 dia fantatra avokoa ireo ekipa 8 hiatrika ny lalao 1/4-dalana amin’ny sabotsy 09 sy alahady 10 febroary izao,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Loza inona foana ity e ?

04/02/2019

Nafana tanteraka ny zava-nisy teto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Taolagnaro, Ihosy ary Betroka Misy mampihorohoro ny mpiasam-panjakana ambony

04/02/2019

Misy trangan-javatra mampalahelo miseho any Taolagnaro sy Ihosy ary any Betroka fa misy olona minia mampihorohoro an’ireo tompon’andraiki-panjankana ao aminy ka mahasahy mitaky lelavola

Hamaky ny tohiny...

Faritra Ihorombe Olana hatrany ny tsy fandriampahalemana

04/02/2019

Manakoako ny tsy fandriampahalemana any Betroka noho ny afitsoky ny malaso. Tsy tokony hiandry ela intsony ny filoham-pirenena satria fantany ny toe-java-misy any, hoy ny Lehiben’ny faritra Ihorombe, Mosa Fernand.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Vato namono olona teny Ampamarinana Ny doboka tafondro tanaty rotsak’orana no antony ?

04/02/2019

Tsy manapoaka zavatra na vato fahavaratra ny Ntaolo. Efatra ny maty, 11 no naratra mafy nihotsahan’ny bolongam-bato izay nizara dimy ka nandravarava tokantrano 5,

Hamaky ny tohiny...

Trano 5 rava, olona 4 maty Hafindra toerana ny mponin’Ampamarinana

04/02/2019

Voasokajy ho faritra tandindonin-doza ny faritra rehetra eny Ampamarinana noho ny fisian'ny triatra miisa 24 amin'ireo haram-bato eny an-toerana. Efa niaraha-nahita ireo loza nisesisesy

Hamaky ny tohiny...

Vola fanampiana ny taksibe Mbola ny faran’ny taona no mandeha amin’izao

04/02/2019

Mitaraina ireo mpamily taksibe eto amintsika amin’izao fotoana. Ankoatra ny fitohanana mahazo azy ireo isan’andro na eto an-drenivohitra na any ivelany dia mihamiakatra hatrany ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara amin’ny andavanandro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana