Fil d'actualités du 18/04/2019

  • 18/04/2019 - 12:30 : MANJAKAMIADANA: Hikatona ny fahafahan'ny daholobe mitsidika rehefa manomboka ny fanamboarana ny Rova, fa ny fiangonana kosa hivoha hatrany.

  • 18/04/2019 - 12:00 : FADINTSERANANA MALAGASY: Voatendry Tale Jeneraly Atoa Lainkana Zafivanona Ernest, araka ny tapaky ny Filankevitry ny minisitra.

  • 18/04/2019 - 11:30 : TAZOMOKA: Ankizy miisa 7 no namoy ny ainy noho ny tazomoka tao amin'ny Kaominina Ampaharimaina Ambohimandrosoa ao amin'ny Distrikan'Amparafaravola.

  • 18/04/2019 - 11:00 : CFM: Hidina ifotony any amin'ny faritra 22 hampahafantatra ny sata mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny vahoaka sy ny kandida ny eo anivon'ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 24 aprily ho avy izao.

  • 18/04/2019 - 10:30 : RALLYE PASSION: Miisa 35 ireo ekipazy handray ny fiaingana anio amin'ny 12:15 hitandahatra ao Antsirabe, ary hiatrika ny "Epreuve Spécial" Vatofotsy.

  • 18/04/2019 - 10:00 : HAZAKAZAKA FIARAKODIA-RALLYE PASSION ANTSIRABE: Hanomboka anio 18 aprily ary haharitra telo andro ny Rallye Passion, izay tafiditra anatin'ny dingana voalohany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.

  • 17/04/2019 - 11:00 : BAOLINA KITRA: Tafiakatra 18 ny baolina matin'ilay mpilalao Malagasy Carolus, izay milalao ao amin'ny Klioba Al-Adalh any Arabie Saoudite.

  • 17/04/2019 - 10:30 : ANDRIAMPOTSY FENOARIVOBE: Olona 4 tototry ny tany no mbola tsy ao ambanin'ny tany amin'ity Kariera ao Fenarivobe Bongolava ity. 10 izy ireo no niara-tototra tao anaty lavaka sy tionelina 19m eo ho eo. Mety hatsahatra ny fikarohana ary asiana tsangambato hahatsiarovana ireo efatra tsy hita eo amin'ilay fitrandrahana volamena.

  • 16/04/2019 - 12:00 : FRANTSA: Hanolotra 200 tapitrisa euros ho fanarenana ny Katedraly Notre-Dame de Paris izay vakoka iraisam-pirenena may omaly ny fianakaviana Arnault, mpanefoefo ao Europe ary tompon'ny marika Louis Vuitton.

  • 16/04/2019 - 11:30 : KOLIKOLY: Olona roa no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ i Marofoto ao Mahajanga ny 10 aprily 2019 lasa teo. Fanaovana sy fampiasana diplaoma hosoka vesatra hanenjehana azy ireo, ka tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny sampandraharahan’ny jono ao Boeny ary ny iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no voakasik’izany.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190216

Misongadina

Fifidianana Solombavambahoaka Hampijoro kandida vonon-kandresy ny “TIM.K25”

16/02/2019

Tsy ao anaty rafi-panjakana intsony ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, taorian’ny faharavan’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Hamaky ny tohiny...

Olon`ny HVM Hovizanina tanteraka ?

16/02/2019

Araka ny efa notaterina teto dia manahy valifaty politika ny olon`ny HVM.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Orinasa Jirama Ny tetezamita no tena namotika azy

16/02/2019

Hampiakarina avo roa heny araka ny tenin-dRajoelina tokoa ve ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sa hahena avo telo eny mba hampijaly ny vahoaka ?

Hamaky ny tohiny...

Famarotana ny zaridainan’Antaninarenina Handray fepetra hentitra ny kaominina (CUA)

16/02/2019

Misy milaza fa mivarotra tany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ka voatonona tao ny zaridainan’Antaninarenina. Manambara sady manamafy mazava ny fiadidiana ny tanàna tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa tsy nivarotra ny zaridainan’Antaninarenina izany izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pastera Roger Randriamisata “Tarihana tsy hino an’Andriamanitra ny Malagasy…”

16/02/2019

Maro ny olona mandika ny loza samihafa miseholany eto amin’ny firenena, izay efa namoizana ain’olona an-jatony mahery ho kapoka na famaizan’Andriamanitra.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Africa Basket-ball League Nandresy ny Smouha Sc sy ny Petro Atletico

16/02/2019

Tsy nisy alaharo fa nanomboka avy hatrany omaly zoma 15 febroary 2019 tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana Africa Basket League 2019 ho an’ny vondrona D misy

Hamaky ny tohiny...

Tompondakan’ny Ligue 1 Analamanga Vonona handrombaka izany ny Uscafoot

16/02/2019

Hotanterahina rahampitso alahady 17 febroary 2019 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny ankatoky ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’ny baolina kitra eto Analamanga sokajy ligue 1.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana sy asa ratsy Mampiasa fiara “plaque rouge” ireo jiolahy

16/02/2019

Nohararaotin’ny olon-dratsy ny fampiasana takelaka mena (plaque rouge) misy ireo laharan’ny fiaram-panjakana. Io no vaovao nampitain’ny Talen’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny polisim-pirenena, Contrôleur Général de Police,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana