Fil d'actualités du 17/07/2019

  • 17/07/2019 - 16:00 : CAN 2019:Ho tanterahina anio ny fihadiana izay laharana faha telo eo amin'ny fiadihana ny CAN izay hifadonan'ny Nigeria sy Tunisie.

  • 17/07/2019 - 15:30 : FANDRIAMPAHALEMANA:mpianatra ho pôlisy maro avy ao Antsirabe no havoaka amin'ny Zoma ho avy izao.

  • 17/07/2019 - 15:00 : TSY FANDRIAMPAHALEMANA:Tovolahy iray no hita faty tao Ambalakida faritra Belo Tsiribihina,

  • 17/07/2019 - 14:30 : FAHATONGAVAN'i PAPA:Hraisin'ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranona ireo vahiny .

  • 17/07/2019 - 14:00 : LALAO NY NOSY:Anio tolak'andro no hiatrika ny lalao fitsapana farany ireo ekipa Barea izay anomana ny lalaon'ny Nosy izay atao atsy Maurice.

  • 17/07/2019 - 11:30 : SAMBAVA:tafiakatra hatrany amin'ny 8 000 ariary ny litatra amin'ny vidin-tsolika noho ny tsy fahampian'ny tahiry.

  • 17/07/2019 - 11:00 : LALANA ZAFY ALBERT:Ho tokanana amin'ny heriny anio ny lalana manoloana ny kianjan'Alarobia ka nomena ny anarana hoe lalana zafy Albert.

  • 17/07/2019 - 10:30 : JIRAMA:Misy fahatapahana ny famatsiana RANO anio Alarobia 17 Jolay 2019 manomboka tamin'ny 09 ora maraina teo ka hatramin'ny 06 ora hariva eny amin'ny faritra: HOMI SOAVINANDRIANA- AMBODIMANGA BESARETY- AVARADOHA- AMBOHITRAKELY- AMPASAPITO- ANJANAHARY.

  • 17/07/2019 - 10:00 : JHONNY CLEGG:Nody mandry teo amin'ny faha 66 taonany i Jhonny Clegg izay fantatry ny maro tamin'ny famorona-kira afrikanina "asimbonanga" izay natolony an'ny Atoa Nelson Mandela tamin'izany fotoana.

  • 17/07/2019 - 09:30 : ANDRIM-PANJAKANA:Rtoa Christine Razanamahasoa no voafidy ho filohan'ny andrim-panjakana nandritra ny fivorihana izay nataon'ireo solombavambahoaka omaly.

Voir plus d'infos...

17/07/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190415

Misongadina

Zandarimariam-pirenena Tofoka amin’ny mizana tsindrian’ila…

15/04/2019

Tsy misy vola ny fanjakana, ary io no antony tsy hivahan’ny olana maro amin’izao, raha tsy hilaza afa tsy ny an’ny mpampianatra mpikaroka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandida Alain Ratsimbazafy -Atsimondrano Efa nahazo fiofanana manokana

15/04/2019

Tokana ihany ny kandida solombavambahoaka hatolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia i Alain Ratsimbazafy, izay efa Ben’ny tanànan’Ambohijanaka

Hamaky ny tohiny...

Lalàm-pirenena RN5A Tsapan-dRajoelina amin’izay ny fahorian’ny vahoaka

15/04/2019

Hanomboka izany ny asa fanarenana ny fanamboarana ny lalàm-pirenena RN5A mampitohy an’Ambilobe-Vohémar mirefy 151km, izay vatsian’ny Sinoa vola mitentina 155 tapitrisa dolara.

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson –Mpahay lalàna « Tsy tokony hampiasaina intsony ilay anarana IRD »

15/04/2019

Anisan’ny resabe mbola mitana ny sain’ny maro eto amin’ny tany sy ny firenena ny fampiasan’ireo mpanara-dia ny filoha ankehitriny ilay anarana hoe : “Isika rehetra miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina”.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Inona indray ary ity ?

15/04/2019

Dia ahoana ra Jean a ! Fa inona indray ity kozinao ity e e ? Fa maninona ary no dia hampianarina an’ireny sahady ny zaza ? Dia tena nilaina ve ny nampidera iny sarina voninkazo malaza ho manintona iny teo ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mariazy nivadika ho zava-doza 1 no maty, 70 mahery voapoizina

15/04/2019

Fety no nankalazaina kinanjo tsy fahasalamana faobe sy fandevenana no natrehina. Voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo koa ireo mpivady vao, niaraka tamin’ireo mpangataka sy fianakavian’ny tovovavy.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny varotra fanafody eny amoron-dalana Adidin’ny rehetra, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana

15/04/2019

Mirongatra hatrany ny varotra fanafody tsy ara-dalàna eny amoron-dalana eto amintsika. Anisan’ny tena malaza ary toerana fandehanan’ireo marary mila fanafody na mitsabo tena maharitra ny eny Ambohipo ka raha vantany vao mandalo ny olona iray dia efa misy manontany.

Hamaky ny tohiny...

FLM Atsimo Atsinanana Katekista an’arivony atao mpikambana CNaPS

15/04/2019

Mpitondra fiangonana (FLM) manodidina ny 200 avy amin’ny fileovana 33 ao anatin’ny synodam-paritany Atsimo Atsinanana no nahazo fiofanana avy amin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (na CNaPS) tao amin’ny FLM Fiadanana Farafangana, nandritra ny telo andro.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe Malagasy Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Federasiona Malagasy

15/04/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpikambana ao amin’ny FMP “Federasiona Malagasin’ny taranja Tsipy kanetibe tarihan’ny filohany Beryl Razafindrainony

Hamaky ny tohiny...

Tenisy ambony latabatra Manoman-tena mafy ny Malagasy

15/04/2019

Hanana solontena 2 ny Malagasy amin`ny fiadiana ny tompondaka erantany eo amin’ny taranja tenisy ambony labatatra hatao ny 21 hatramin` ny 28 aprily izao,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy misy tampenam-bava eto !

15/04/2019

Telo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity.

Hamaky ny tohiny...

Tsy misy tampenam-bava eto !

15/04/2019

Telo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity. Amin’izay maha iaraha-manana izay, dia tsy an-dRajoelina sy ny ekipany irery akory i Madagasikara, ka hanaovana izay tian-katao sy izay hitsin’ny loha, ka zon’ny Malagasy rehetra ny miteny sy maneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy ny mety ho tsy fanjariana ataon’ny mpitondra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandrosoana ny firenena Tena ilaina ny vehivavy

15/04/2019

Ny 51%-n’ny kandida mirotsaka solombavambahoaka eto Madagasikara dia vehivavy avokoa. Mampiseho izany fa tena vonona ary mangetaheta hitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena ny vehivavy, hoy ny nambaran’ny kandida depiote tsy miankina ao amin’ny boriborintany fahatelo, Nova Colombe.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Hihetsika ny mpianatra manomboka anio

15/04/2019

Nanao antso avo teny Ankatso ny zoma teo ny solontenan’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fa hisy ny hetsiky ny mpianatra manomboka anio alatsinainy ho fitakiana ny famahan’ny fitondrana ny olana eny amin’ny anjerimanontolo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fikambanana tanora TAMIHAKO Hamelona indray ny maha Malagasy

15/04/2019

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Cemdelac Analakely » teo ambany fiahian'ny ray mpiahy Atoa Michel Domenichini Ramiaramanana ary notronin’ny solontenan’ny

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny Jazz ao Nosy Be Hiara-dalana ny mozika sy ny nahandro Malagasy

15/04/2019

Ny 19 ka hatramin’ny 22 aprily ho avy izao no hotanterahina ao Nosy Be Hell Ville ny hetsika Nosy Be Jazz Festival. Andiany fahatelo moa izany izao izy ity ary raha ny fanazavana dia saika ireo kalaza avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena amin’izay mozika Jazz sy ny tontolony izay dia handray anjara amin’ny hetsika avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana BRINKS nitondra vola Jiolahy 2 matin’ny zandary

15/04/2019

Miala any ny fahasahiana fanafihana fiara tsy laitram-basy mpitatitra vola.

Hamaky ny tohiny...

Halatra taolam-paty-Talatavolonondry Razana 231 tsy hita popoka

15/04/2019

Iraika amby telopolo sy roan-jato no isan’ny razana tao amin’ireo fasana roa nifanakaiky lasan’ireo mpangalatra taolam-paty, na dia tsy fomba aza ny manisa maty amin’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Rugby Famaranana “TOP 6 de l’ocean Indien 2019” Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara

15/04/2019

Norombahin’ny ekipan’i DAKAR “FTM Manjakaray” ny amboaran’ny Oseana Indiana taranja rugby à XV eo amin’ireo ekipa

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana Misy manipy hoditr’akondro ve ny ben’ny tanàna ?

15/04/2019

Nanao hetsika fanairana tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny faran’ny herinandro teo ny fikambanan’ireo mpivarotra eo anivon’ity tsena ity na ny FIMPAVA mba hanairana ny avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hanala ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay manakona ny mpivarotra ara-dalàna ao amin’ny pavillon.

Hamaky ny tohiny...

Fikarakarana taratasin-tany Lafo loatra ny sarany, tsy zakan’ny sarambabem-bahoaka

15/04/2019

Tsy mahavita mikarakara ny taratasin-taniny intsony ny ankamaroan’ireo mponina monina ivelan’ny renivohitra amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

Hamaky ny tohiny...

Ambatomirahavavy Mikaikaika noho ny delestazy ny mponina

15/04/2019

Simba avokoa ny ankamaroan’ny fitaovana, ora iray isan’andro raha kely no miaina ao anaty delestazy ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Ambatomirahavavy.

Hamaky ny tohiny...

THB Champions League D 1 Malagasy Voatazon’ny As Jet Mada ady sahala ny Fosa Juniors

15/04/2019

Voatazon’ny As Jet Mada Analamanga ady sahala 2 – 2 ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny tamin’ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana