Fil d'actualités du 20/09/2019

  • 20/09/2019 - 16:00 : MAHAJANGA:Tontosa androany tao Mahajanga ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa « Fikajiana sy fampiasana maharitra ireo karazan-java-manan’aina ao amin'ny faritra Avaratra-Andrefana (faritra Boeny»

  • 20/09/2019 - 15:30 : JIRAMA ANTSIRABE:Noho ny asa tsy maintsy hatao dia hisy fahatapahana ny JIRO amin’ireto andro sy ora ary faritra manaraka ireto: SABOTSY 21 SEPTAMBRA 2019 manomboka amin'ny 08ora maraina hatramin’ny 12ora atoandro: CITE CNAPS – MAHAFALY VATOFOTSY – MIARAMASOANDRO CITE PISTE – EST LYCEE – MAHAZOARIVO NORD – AMPIHAVIANA – TSIHITAMASO – ANTANIMENAKELY – AVARATRA TRIBONALY. ALAHADY 22 SEPTAMBRA 2019 manomboka amin'ny 08ora maraina hatramin’ny 11ora atoandro:SAHATSIHO – ANDROVAKELY – AMBALAVATO AVARATRA – AMBALAVATO ATSIMO – TOMBOARIVO-PARC DE L’EST – ATSINANANY GARE – MANODIDINA JIRAMA ANDRANOMADIO – MAHAZOARIVO ATSIMO – MAHAZOARIVO AVARATRA – ANTSIRAKELY – ANTSOSO – ANTSONGO – VOHIJANAHARY – AMBALAVATO 401 – ANTSAHASOA – ANTSAHAMANITRA.

  • 20/09/2019 - 14:30 : ANTSIRANANA:Ho lasa Toby jeneraly Randrianasoavina ny toby ny zandary Trano bozaka ao Antsiranana ka hisy ny lanonana fanokafana izany rahampitso faha 21 Septambra.

  • 20/09/2019 - 14:00 : FANATANJAHAN-TENA:Anio no andro fahatelo amin'ny fiadina tompon-daka eran-tany eo taranja fibatana fonjam-by izay andraisan-tsika anjara.

  • 20/09/2019 - 12:00 : TAHAM-PHAFAHANA BEPC TANY AMIN'NY FARITRA :Ireto misy taham-pahafahana BEPC amin'ny faritra vitsivitsy : - Cisco Vatomandry : 18,5% - Cisco Mananjary : 25,2% - Cisco Antananarivo renivohitra : 36,61% - Cisco Sambava : 11,5% - Cisco Bealanana : 29% ( efa natao 9,00 ny délibération) - Faritra Atsimo Andrefana : 18,5%

  • 20/09/2019 - 11:30 : VAHAOLANA AMIN'NY FAMPIANARANA :FOANANA NY CLASSE DE 2nd SPÉCIAL Io no vaha olana hita voaloany mba ho entina hanatsarana ny kalitao fampianarana hoy ny Talem-paritra ny Fampianarana any SAVA.

  • 20/09/2019 - 10:30 : FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA:Anio ny fotoana voalaza fa hifindran'ireo kaoperativa maromaro ho eny amin'ny toeram-piantsonana Andohatapenaka.

  • 20/09/2019 - 10:00 : SAMPANA MPAMONJY VOINA:Fankalazana ny faha 70 taona ny sampana mpamonjy Voina eto Antananarivo Renivohitra. . Niaranientana ny mpiasan'ny CUA rehetra androany nanao fanadiovana faobe niainga teo Ambohijatovo nisandrahaka taminy faritra manodidina an'Analakely.

  • 20/09/2019 - 09:30 : Hisy fahatapahana ny JIRO anio Zoma 20 septambra 2019, manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora tolakandro eny Betsizaraina Ambohimangakely, ary amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva eny Amboahaja - Ambatofahavalo - Ivato - Mandrosoa Ivato Antony :Asa fanoloana andrin-jiro hazo ho "béton", asa fikojakojana fanao isaky ny fotoana voafetra.

  • 20/09/2019 - 09:00 : TSARA HO FANTATRA: Ny 21 SEPTAMBRA 2019 dia andro eran-tany iadiana amin'ny aretina Alzheimer ka hisy ny FITILIANA MAIMAIMPOANA sy VARAVARANA MISOKATRA ny Sabotsy 21/09/19 manomboka amin'ny 8ora maraina ao amin'ny Foibe Fenomanana Mahazoarivo.

Voir plus d'infos...

20/09/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190417

Misongadina

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

17/04/2019

Tena nanome sary ratsy ary nanimba an’i Hery Rajaonarimampianina ireo olona nanodidina azy (namana, mpanolontsaina, minisitra, depiote, mpiasam-panjakana ambony,…). Telo volana nitantanana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa toa efa tratran’io toe-javatra io sahady. Misy ireo akaiky azy tsikaritra fa efa manao fanararaotam-pahefana ary tena manambany olona, fa izy ireo izao no eo amin’ny fahefana. Vao nitondra herinandro vitsy dia toa efa nisy nisoloky hoe iraky ny filoha hanao hanao ny IEM.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

17/04/2019

Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

17/04/2019

Namoaka fanambarana ny Sehatra Fanaraha-Maso Ny Fiainam-Pirenena (SEFAFI) mahakasika ny anton`ny ilana solombavambahoaka. Amin’ny 27 mey ho avy izao, ny olom-pirenena dia hifidy depiote 151 amin’ny kandidà 803 samy hafa. Ny and. 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia milaza fa « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana ».

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fiandrianam-pirenena ahoana e ?

17/04/2019

Resahina sy ventesina ny resaka fiandrianam-pirenena eto Madagasikara, ka lohalaharana amin’io ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Rehefa manonintohina ny tombotsoa politikan’ny mpitondra ny fihetsiky ny avy any ivelany dia ny hoe : tany manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany i Madagasikara, ka aza hidinkidirana. Isan’ireny ilay raharaha toa mampifanolana ny Afrikanina Tatsimo sy ny Fanjakana Rajoelina, izay tsikaritra ezahina takona sy alamindamina amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Etona mangeja hafanana Tokony hidina ambanin’ny 14%

17/04/2019

Nanatanteraka atrikasa fiofanana mahakasika ny fandrefesana etona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny Birao Nasionaly Mpandrindra ny REDD+ omaly talata 16 aprily. Haharita 3 andro izy io ary tanjona ny handinihana sy hifampizarana ny famolavolana ny tatitra mba ahafahana manatontosa ny fanamarinana ireo tarehimarika efa azo eo amin’ny sehatry ny ala, ny fiompiana ary ireo hafa manodidina ny etona mangeja hafanana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tantaram-pirenena Nahatety vanim-potoana maro i Michel Rakotobe

17/04/2019

Mampiranty ireo sary mifandraika amin`ny tantaram-pirenena etsy amin’ny CEMDLAC Analakely nanomboka omaly talata 16 aprily Rakotobe Michel. mpaka sary an-gazety sady arsivista. Manodidina ny 500 isa ireo sary ampirantiany hatramin`ny sabotsy 20 aprily ho avy izao. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mifototra kokoa amin’ny fankalazana ny 29 martsa ny fampirantiana. Hita ao ireo sary sy lahatsoratra an-gazety nivoaka tamin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Halatra taolam-paty Fisolokiana avo lenta ?

17/04/2019

Raha ny fanadihadiana azon’ny zandary hatramin’izay nahitana resaka halatra taolam-paty, mijanona ho fisolokiana avo lenta hatrany izany. «Ireo izay tratra dia tsy mahita ny mpandray ny taolam-paty izay heveriny ho entam-barotra. Ny atidoha mikotrika nampaniraka olon-kafa milaza fa misy mitady. Ilay voairaka mamoaka vola hividianana izany kinanjo tsy hita ilay tompon’ny ketrika fa efa azon’ilay nahitana ny taolam-paty ny vola ary ity farany dia mpiray tsikombakomba amin’ilay tena mpaniraka. Matetika ireo mpanera sy ireo mpanelanelana izay efa namoaka vola nefa tsy nahita mpividy no tra-tehaka, sady efa nividy lany vola no itobian’ny entam-barotra tsy ahitana mpandray ary voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Dia ireny miahaka fotsiny ireny ny entana fa matahotra ny hosamborina ireo nividy tsy nahita mpividy”.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana