Fil d'actualités du 18/07/2019

  • 18/07/2019 - 16:00 : ANTENIMIERAM-PIRENENA:Fantatra izao fa solombavambahoaka avy ao amin'ny IRD avokoa ny filoha lefitra 6 andrafitra ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena.

  • 18/07/2019 - 15:30 : BAREA JIOI:Noraisin'ny ministra "coach": ministry ny totonlo iainana sy ny ekolojia ary ny ala ny BAREA JIOI; natrehan'ireo mpanohana : ETT, Ocean Trade, SMTP, Shalimar. Ary tamin'izany no nanoloran'izy ireo fanampiana mitentina: -4 millions AR(ETT) -2 millions AR (SMTP) -5 millions AR (Ocean Trade) -4 millions AR (Ministeran 'ny tontolo iainana)

  • 18/07/2019 - 15:00 : JIRAMA:Tapaka hatriny omaly ny rano eny Andravoangy ka hatrany Besarety noho ny fanarenana ny fantsona lehibe iray ka ho vinavinaina ho vita anio alina izany,Ny JIRAMA dia maneho ny fialan-tsiny ny mety hgo fanelingelenana.

  • 18/07/2019 - 14:30 : LALAO NY NOSY:amin'izao fotoana izao no hihazo an'ny Nosy Maurice ireo atleta malagasy andray anjara amin'ny lalao ny Nosy.

  • 18/07/2019 - 14:00 : NTSAY CHRISTIAN:Anio no nametram-pialana ny praiminisitra Ntsay Christian.

  • 18/07/2019 - 12:00 : TOAMASINA:Hametraka fanovana ny PDS Razafimanana.

  • 18/07/2019 - 11:30 : IAVOLOHA : Hanao fanambarana lehibe anio maraina izao ny filohan'ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Efa tamin'ny 9 ora sy sasany ny mpanao gazety no nasaina tonga teny.

  • 18/07/2019 - 11:00 : MANDELA DAY:Amin'izao fahatsiarovana an'i Mandela izao dia hanolotra fanomezana ho an'ny zaza kamboty tezaina ao amin'ny toby Manampisoa etsy Nanisana ny masoivoho ny Afrika Atsimo anio.

  • 18/07/2019 - 10:30 : KITRA ANY FRANTSA:Tao ahorian'ny CAN dia nahazo fifanarahana vaovao i Jeremy Morel nifindra ao amin'ny Stade Rennais.

  • 18/07/2019 - 10:00 : TSARA HO FANTATRA:Ny andro anio faha 18 jolay dia andro maneran-tany natokana ho fatsiarovana an'i Nelson Mandela izay nametraka tantara ny fampihavanana an'izao tontolo izao.

Voir plus d'infos...

18/07/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190418

Misongadina

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

18/04/2019

Ny polisy (an-tanàn-dehibe) sy ny zandary (any ambanivohitra) no mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana raha ny mahazatra. Ankehitriny anefa nahetsika an-tanàn-dehibe ary nalefa amina distrika maro ny miaramila izay manda farany amin’ny fiarovana ny firenena. Tranga izay toa mampiseho fa efa tany miady i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

18/04/2019

Maro no niandry sy nanongilan-tsofina nanaraka ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly na teto an-tanindrazana na hatrany ampitan-dRanomasina tamin’ny alalan’ny tranonkala https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect nihaino ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ary filoha nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) teo aloha omaly. Anisan’ny antoko mbola tanora ny HVM ny taonany izay 5 taona izao, fa nandray anjara feno tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, loholona, filoham-pirenena, ary manana ny paikadiny amin’izao fifidianana depiote izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Aretina tazomoka Mbola mahafaty Malagasy maro

18/04/2019

Antony fahefatra mahatonga ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly ary mitana ny laharana faha-3 amin’ny tokony hanatonan’ny Malagasy ny tobim-pahasalamana ny tazomoka. Noho izay indrindra no nisian’ny famelabelarana siantifika mikasika ny fanatsarana ny ady amin’ny tazomoka tetsy amin’ny Hotely Carlton omaly alarobia 17 aprily.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana