Fil d'actualités du 16/05/2019

  • 16/05/2019 - 13:00 : FIFIDIANANA: Namoaka toromarika sy tondrozotra mahakasika ny dingana samihafa tokony hatao amin'ny resaka fifanolanana ara-pifidianana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.

  • 16/05/2019 - 11:30 : FITATERANA: Hosaziana handoa honitra 100 000 hatramin'ny 1000 000Ariary ireo mpitatitra mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy tsy manaja ny bokin'andraikitra ankoatra ny mety ho fidirana am-ponja.

  • 15/05/2019 - 11:00 : BIANCO: Tafiakatra 60 ireo kandida te ho Filohan'ny Bianco, izay tokony ho fantatra ny 23 jona aorian'ny fantina ataon'ny komity manokana hivoahan'ny anarana 3 hisafidianan'ny Filoha

  • 15/05/2019 - 10:30 : TOAMASINA: Namoahan'ny Prefektiora taratasy fampiatoana ny orinasa HITA (Huile Industrielle de Tamatave) noho antony ara-tontolo iainana.

  • 15/05/2019 - 10:00 : KARAMA FARANY AMBANY; Tsy mbola hihantra ho an'ny mpiasam-panjakana ilay 200 000Ar noho ny fanadiovana mbola hatao amin'ny alalan'ny rindram-baiko Augure

  • 15/05/2019 - 09:30 : SAMBIRANO: Ny 20 mey izao no hisokatra amin'ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila.

  • 14/05/2019 - 11:00 : TETIBOLAM-PANJAKANA : Andrasana anio amin’ny Filankevitry ny minisitra ny famoahana ny antsipirihiny mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.

  • 14/05/2019 - 10:30 : TOAMASINA: Olona 3 mianaka hita faty tao an-tranony tao Dépot 4e Tamatave omaly hariva. Efa namofona sy nisy olitra ireo razana.

  • 13/05/2019 - 12:00 : MARC RAVALOMANANA: Any Manjakandriana ny tenany amin'izao fotoana izao miaraka amin'ny vahoaka, ka ankoatra ny fampielezan-kevitra dia mijery hiragasy miaraka amin'ny vahoaka ao an-toerana.

  • 13/05/2019 - 11:30 : FAHA-47 TAONAN'NY 13 MEY 1972: Tonga maro ireo mpikatroka TIM nanatitra fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey nanatitra voninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny tolona nataon'ny mpianatra ny 13 mai 1972.

Voir plus d'infos...

17/05/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190419

Misongadina

Rajoelina sy ny IEM 3 volana nampiesonana ny Malagasy

19/04/2019

Telo volana kakotra anio 19 aprily 2019 no nitondran’ny filoha ankehitriny Andry Nirina Rajoelina na ny fitondrana IEM satria io no nanamarika azy. Sehoseho sy tapi-maso eraky ny tanàna no natao na inona na inona fanazavana mety hanakonana izany. Tsy misy asa goavana nisongadina, nijapy ny programan’ny teo aloha, ary tsy arakaraka ny fampanantenana natao tany amin’ny propagandy na nialoha izany aza ny zava-nisy, toy ny tamin’ny hoe efa fahavononan’ny mpamatsy vola ny IEM, araka ny fampahafantarana voalohany io IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) tany Frantsa ny 15 septambra 2018.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

19/04/2019

Andrim-panjakana iray anisan’ny hiankinan’ny fiainam-pirenen’ity nosy misy antsika ity ny Antenimieram-pirenena Malagasy amin’ny ankapobeny. Rariny raha mba hofantarintsika olom-pirenena tsy an-kanavaka amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena Malagasy sy ny asany ary ny fomba firafiny sy fomba fiasan’izay depiote ho lany ao ary ny tombontsoa maro samihafa mety ho azo ao. Hisy ihany karazana fanehoan-kevitr’ireo depiote nahavita taom-piasana maromaro nifandimby tao. Farany, hotsiahivintsika etoana ny anaran’ireo filoha nifandimby nitantana an’ity Antenimieram-pirenena Malagasy ity hatramin’ny niandohany ka hatramin’ny taona 2018 teo.

Hamaky ny tohiny...

Tafika Malagasy Misy tsy mankasitraka ny CEMGAM vaovao ?

19/04/2019

Taorian`ny fivorian`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 10 aprily lasa teo dia manomboka mafana ny amin`ireny minisitera ireny ho an`izay nisy fanendrena tompon’andraiki-panjakana ambony. Vao nivoaka ny tatitra dia efa naneho ny heviny ny maro ary saika fandavana sy tsy fankasitrahana ka anisan`izany ny tafika Malagasy. Maro ireo tsy nankasitraka ny fanendrena an`ny General de Division Rakotonirina Theophile Justin ho lehiben`ny Etamazaoro jeneralin`ny Tafika Malagasy ao amin`ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena (CEMGAM).

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Namelona ny afom-panantenan’ny vahoaka i Dada

19/04/2019

Nitsidika an’i Mahajanga ny Rodoben'ny Mpanangana tarihan’i Marc Ravalomanana nanomboka omaly alakamisy. Fotoana iray hanaovana angaredona hahatrarana ny tanjona iombonana izy ity. Nanolotra ireo kandidan’ny TIM any amin'ity faritany ity ny filoha Marc Ravalomanana. Notsindriany manokana fa zava-dehibe ny kandida atolotry ny antoko satria dia misy ny fitsipiky sy ny toromarika avy amin'ny mpitarika ny antoko ho an'ireo mpikambana ao aminy, ary ankatoavina sy hajaina izany.

Hamaky ny tohiny...

Rovan’i Manjakamiadana Politika no nandorana azy dia politika ihany koa no hanarenana azy

19/04/2019

Naneho ny heviny mahakasika ny fanarenana ny rovan’i Manjakamiadana na ny Rovan’Antananarivo kasain’ny fitondram-panjakana ankehitriny hatao Ny Andriana Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina, omaly. Nambarany fa tsy antony ara-drazana na ara-pomba akory no nandoran’ny sasany ity rova iray ity fa noho resa-politika.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Gédéon Rajaonson “Fitondrana repoblikanina tena izy no ilaina”

19/04/2019

Aleo hipetraka amin’izay ny fitondrana repoblikanina amin’ny fotoana maharitra mba hamaha haingana ny olan’ny firenena Malagasy, hoy ny mpahay sady mpampianatra toekarena Gédéon Rajaonson. Manarak’izany dia tokony hampiseho mihitsy ny fanjakana fa akaiky ny vahoaka izy mba hiteraka fifampitokisana. Hatramin’izay dia niteraka olana hatrany ny fananan’ny antoko politika fomba fijery samihafa mahakasika ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana