Fil d'actualités du 19/02/2020

  • 19/02/2020 - 08:30 : RAHARAHA TAHISY: Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahafaty ity tovovavy vao 22 taona ity. Hohenoina avokoa ireo voakasika.

  • 19/02/2020 - 08:00 : ANKADIMBAHOAKA: Nitrangana haintrano lehibe teny an-toerana androany vao maraina.

  • 10/02/2020 - 17:30 : ITAOSY CITE: Mpanafika "Cash point" voahidy ao anatin'ny toerana notafihiny amin'izao fotoana izao. Andrasana ny tohiny.

  • 29/01/2020 - 12:00 : GOVERNEMANTA: Anio tolakandro no hampahafantarina eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny governemanta amin'ny endriny vaovao, taorian'ny fanovana rehefa avy nanao tombana ny Filoham-pirenena.

  • 14/01/2020 - 09:00 : GREVY: Manao fitokonana ary avy namoaka ny mpianatra tao amin'ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia amin'izao fotoana izao.

  • 07/01/2020 - 15:00 : FITANTERANA:Nanatanteraka fiarabana ireo Ray aman-dReny (Minisitra,SG, ary ny PCA ny ATT) tetsy amin'ny ministeran'ny fitanterana Anosy (MTTM)ireo solotena vitsivitsy avy ao amin'ny ATT notarihin'ny tale jeneraly ny Jeneraly Reribaka Jeannot noho ny fahatratrarana ny taona 2020.

  • 07/01/2020 - 14:00 : LOZAM-PIFAMOIVIZANA:Fiarabe iray tapaka isatra indray no nandona telo mianaka tetsy Ivato ny maraina teo,vokany:maty ireo Ray aman-dReny tsy hataorana kosa ilay zaza.

  • 07/01/2020 - 11:30 : SOAVINANDRIANA ITASY:Raikitra ny ady tany eo amin'ny tantsaha sy ny ministra teo aloha George Ruphin,manao antso avo ireo vahoaka iharan'ny tsindry azo lena,hiakatra fitsarana ny 22 Janoary ho avy izao ny raharaha.

  • 07/01/2020 - 11:00 : ANTSOHIHY:Ho tanterahina rahampitso 08 janoary ny lanona famindram-pibaikoana ao amin'ny tobimpileovana sofia . Lieutenant col Haja Rakotonirina no komandin'ny vondron-tobimpileovana vaovao ao amin'ny faritra sofia izay hisolo an'i Lieutenant col Poely Florent izay komandin'ny fileovana sofia taloha .Hanomboka amin'ny 09 ora maraina ny lanona eo amin'ny "rond point" mba hahitan'ny be sy ny maro ny lanona sy hafantarana fa miova ny fibaikoana ao amin'ny vondron-tobimpileovana sofia .

  • 07/01/2020 - 10:45 : FANAMBARANA AVY AMIN'NY GOVERNEMANTA:Hisy ny fanadihadiana mikasika ny savorovoro fizarana "panier garnie"mitentina 65 000Ar ho an'ireo mpiasam-panjakana anivon'ny Ministeran'ny fanabezam-pirenena.Andray andraikiny noho izany ny IGE(Inspection Générale de l'Etat) mba hafatarana izay tompon'andraikitra nahatonga ny savorovoro.

Voir plus d'infos...

24/02/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190420

Misongadina

Marc Ravalomanana Nanome vahaolana ho an’ny fitondrana

20/04/2019

Nanaja ilay 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha vaovao aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly tany Mahajanga saingy efa tonga kosa ny fotoana hitenenako.Vonona aho ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana, hoy izy saingy tsy maintsy miteny kosa aho satria tsy araka ny nampanantenaina ny zava-mitranga.Miiba iny 100 andro iny raha atao ny jery todika; tsy mahalala ny tena laharampahamehana ny mpitondra, mitombo be ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa ary tsy manam-bola ny olona, hoy i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antoko TIM Efa manomana ireo mpandimby

20/04/2019

Atao antoko filamatra eto Madagasikara tahaka ireo antoko lehibe any ivelany : Etazonia, Alemana, na koa ny ANC (African National Conbgress) atsy Afrika atsimo izay efa naharitra 100 taona fa mbola manana ny maha izy azy ihany ny Tiako i Madagasikara na ny TIM. Efa manomana ireo mpandimby ihany koa ny TIM ary ho hita foana amin'ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana rehetra eto Madagasikara: hanabe ara-politika ny olom-pirenena ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Roger Randriamisata “Fandresena ny ota ny Paska”

20/04/2019

Ao anatin’ny fetin’ny paska tanteraka isika amin’izao fotoana izao, ka nezahina ny naka hevitra mpitondra fivavahana dia ny Pasitera Roger Randriamisata nahafahana nahazo fanehoan-kevitra mafonja kokoa mahakasika azy io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana