Fil d'actualités du 21/08/2019

  • 21/08/2019 - 16:00 : TOLO-TANANA:Hizara fitaovam-pianaran'ny mpianatra ao amin'ny EPP Imerintsiatosika ny Clioba mpankafy "Peugeot 405" ny faha 28 ny volana Aogositra ho avy izao.

  • 21/08/2019 - 15:30 : ASA SOSIALY:Rehefa voadio ny tanàna dia niroso tamin’ny fandrarahana na famendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy otrik’aretina teny amin’ireo toerana voadio toy ny tsena, ny toeram-pivoahana, ny lalam-bahoaka, ny biraom-pokontany indray ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany sy ny avy eo anivon’ny Departemanta misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity andron’ny Alarobia 21 Aogositra 2019 ity, mba ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy ho fitandroana ny fahasalamana.

  • 21/08/2019 - 15:00 : POLITIKA:Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana Jean-Eric RAKOTOARISOA androany ny Ambasadaoro Pelletier sy ny Mpanolotsaina misahana ny raharaha politika sy toe-karena Julia Jacoby, niresaka momba ny andraikitra lehibe sahanin'ny HCC eto Madagasikara.

  • 21/08/2019 - 14:30 : NOSY BE:Tatran’ny velam-pandrikin’ny polisim-pirenena tao amin'ny seranam-piatamanidina Fascene Nosy Be ireo 3 lahy avy any Antananarivo nikasa teti-dratsy hanondana antsokosoko volamena ho any ivelany.

  • 21/08/2019 - 12:00 : FAMPIANARANA:Miantso vonjy amin'ny fanjakana Malagasy ireo zanaka Malagasy mandranto fianarana any Maroc. Amin’izao fotoana izao efa zara raha misy sakafo ireo mpianatra Malagasy ireo. 250$ × 195 étudiants ny allocations. Allocations 2018 tsy mbola voaray 2019.

  • 21/08/2019 - 11:30 : ANTSIRABE: Trano miisa 2 no may omaly tokony ho tamin'ny 10 ora alina tany ho any.Sarotra ny nifehy ny afo nohon'ny tsy fahafantaran'ny mponina ny laharana azahoana ny sampana mpamonjy voina, hoy ny loharanom-baovao. Noho izany dia voatery novakian'ny olona ny fantson'ny JIRAMA mba ahafahana mahazo rano manondraka ny afo.

  • 21/08/2019 - 11:00 : FANATANJAHAN-TENA:Andriatsima Faneva IMA Lasan’ny ABHA CLUB Nanao sonia fifanarahana 2 taona miaraka amin’ny Abha Club any Arabie saoudite ny kapitenin’ny Barea Faneva.

  • 21/08/2019 - 10:30 : POLITIKA:Claudine Razaimamonjy: asa an-terivozona mandritra ny 7 taona sy fandoavana lamandy mitentina 100 tapitisa ary no sazy azony taorian'ny fitsarana omaly teny amin'ny PAC 67ha.

  • 21/08/2019 - 10:00 : TRANGAM-PIARAHAMONINA:Fantatra fa anio 21 Aogositra no hihazo ny tanindrazany ny nofo mangatsiakan'ilay tovovavy teran-tany britanika izay nitsambikina avy eny ambony fiaramanidina.

  • 21/08/2019 - 09:30 : NIVOAKY NY FONJA I ALAIN RAMAROSON:Tamin'ny 8 ora sy sasany alina no nivoaky ny fonjan'Antanimora, nihazo ny trano fonenany i Alain RAMAROSON rehefa nisazy 30 volana mahery.

Voir plus d'infos...

21/08/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190607

Misongadina

Ahiahina kolikoly avo lenta Nosamborin’ny polisy Frantsay i Ahmad

07/06/2019

15 andro tsy hanombohan’ny dingana famaranan’ny fiadiana izay ho Tompondakan’i Afrika eo amin’ny Taranja baolina kitra na ny CAN 2019 no miseho ny tantara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tabera Randriamanantsoa « Fotaka iny fifidianana iny »

07/06/2019

Tsy mbola nahita fifidianana fotaka toy iny depiote iny aho, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, raha nilaza ny heviny voalohany indray taorian’ny fitetezam-paritra nataony.

Hamaky ny tohiny...

Fifanolanana momba ny fifidianana Fitoriana 41 no voarain`ny HCC

07/06/2019

Nanomboka ny 28 mey ka hatramin`ny omaly, mahatratra 41 ireo fitoriana voarain’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ka saika avy amina faritra maro manerana ny nosy no nahazoana izany.

Hamaky ny tohiny...

Todisoa Andriamampandry Tsy handiso fanantenana ny vahoakan’ny Boriborintany faha 6

07/06/2019

Tsy handiso fanantenanana ireo vahoakan’ny Boriborintany fahenina nifidy azy Atoa Todisoa Andriamampandry, kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Nahazo ny maro an’isa tsy azo hozongozonina ny IRD

07/06/2019

Manodidina ny 30% ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina ny 27 mey lasa teo. Araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Radiom-pirenena Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Marine Le Pen sy ny antoko RN Mampiaka-peo momba ny “Îles Eparses”

07/06/2019

Nampiaka-peo ny Antoko RN (Rassemblement National) tarihin-dRamatoa Marine Le Pen any Frantsa, manoloana ny raharaha « îles Eparses » anisan’ny votoatin-dresak’i Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron tany Paris ny 29 mey lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena Hiavaka ny fankalazana

07/06/2019

Nampahafantarin’ireo Vaomieran’ny “Civisme” omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fizotry ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena ity.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fihinanam-be eny Iavoloha Nofoanana mba hakana fom-bahoaka

07/06/2019

Hiova endrika ny lanonana ara-panjakana eny Mahamasina hanamarihana ny faha-59 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena sy ny fetin’ny foloalindahy ny 26 jona izao.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Rantsana dimy « Nahazo baiko avy any an-danitra »

07/06/2019

Nanao fanambarana tetsy amin’ny CNEAGR Nanisana omaly ny avy eo anivon’ny fikambanana Rantsana 5 fa nahazo baiko avy any an-danitra izy ireo mba hiantso ireo mpitondra fivavahana

Hamaky ny tohiny...

OTIV Madagascar Tsy maintsy mitady vahaolana anio

07/06/2019

Nisy fihaonana nataon`ireo tompon’andraikitry ny OTIV manerana ny nosy sy ny filoha Rajoelina, ny talata lasa teo, manoloana ny fahalanian`ny vola sy tsy fandovam-bola voalaza ho nataon`ny teo anivon`ny OTIV.

Hamaky ny tohiny...

Tanora nifanafika Sakoroka be teny Faravohitra

07/06/2019

Sakoroka sy savorovoro no niseho teny Faravohitra akaikin'ny lisea tao anatin'ny firavan'ny mpianatry ny lisea omaly hariva, raha ny vaovao niparitaka.

Hamaky ny tohiny...

International Tourism Fair Madagascar 2019 Mpisehatra ara-pizahantany 300 no handray anjara

07/06/2019

Hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 13 hatramin’ny 16 jona ho avy izao indray ny hetsika International Tourism Fair Madagascar andiany fahavalo.

Hamaky ny tohiny...

Sambaina Manjakandriana Fatim-behivavy efa simba hitan’ny olona

07/06/2019

Fatim-behivavy iray no hitan’ny fokonolona tany Andraraody fokontany Mandimbisoa Kaominina Ambanivohitra Sambaina, distrikan’i Manjakandriana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisan-davitra Hisy fihatsarana hatramin`ny 2021

07/06/2019

Hisy fihatsarana ho an`ny 3 taona manaraka, raha ny tombana navoakan`ny Ways Guy Reports na eo amin`ny kalitao na eo amin`ny vidiny amin`ny sehatry ny fifandraisana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basikety - Tompondaka N1 B 2019 Hangotraka ny ampahefa-dalana anio zoma

07/06/2019

Hangotraka ireo lalao ampahefa-dalana amin’ny fifaninanana basikety fiadiana ny ho tompondakan’ny sokajy N1 B 2019 anio zoma 07 jona any Tsiroanomandidy :

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Diso ady sy fahavalo

07/06/2019

Raha resaka politika dia mbola ny hoe “tsy misy TIM maharesy TGV na IRD” na koa hoe “Andry Rajoelina tsy nahavita ny vitan’i Dada izany”.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka

07/06/2019

Mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina avy amin’ny Corps de la Paix miisa 42 no nampanaovin’ny Masoivohon’i Etazonia Michael Pelletier fianianana nandritra ny lanonana natao teny amin’ny trano fonenany teny Ambaranjana omaly 6 jona 2019.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Kolontsaina sy vakoka Hofanina ireo mpiandraikitra mozea

07/06/2019

Manaraka fiofanana mandritra ny roa herinandro amin’izao fotoana ireo tompon’andraikitra sy mpiasa eo anivon’ireo tranombakoka na mozea eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Iray volan’ny teny Malagasy Olona 50 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana kabary

07/06/2019

Hankalazaina amin’ity volana jona ity ny iray volan’ny teny Malagasy. Tsy diso anjara amin’izany ny fikambanana Ny Andraina izay miezaka manome lanja ny soatoavina Malagasy eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Anosibe Misy andiana mpanendaka manafika sady midaroka

07/06/2019

Efa tena mihoa-pefy ary feno fahasahiana ireo mpanendaka ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana mifanesy eny 67ha Lehilahy iray sy vehivavy bevohoka nadoboka am-ponja

07/06/2019

Noho ny harom-paosy vola roa alina ariary, vehivavy bevohoka iray no voasambotry ny polisy ny talata 4 jona teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

Hamaky ny tohiny...

Diplaomasia Malagasy

07/06/2019

Mitonantonana, hoy ny voambolan’ireo mpanao politika sasany sy ny mpanara-baovao eto Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Fifandraisan’i Macron sy Trump Manga ny lanitra

07/06/2019

Miavaka ary hafa mihitsy ny fifandraisako amin’ny filoha Emmanuel Macron, hoy ny filoha Amerikanina Donald Trump omaly tany Caen teo nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta tamin’ny mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny...

SOUDAN Nolavin`ny lehiben`ny mpanohitra ny fifampiresahana

07/06/2019

Nanda ny fifanakalozan-kevitra naroson’ny tafika ny lehiben`ny mpanohitra Sodaney taorian’ny herisetra mahatsiravina nataon’ny miaramila ny alatsinainy teo tamin’ireo mpanohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana parlemantera any Danemark Nanaiky ny fahareseny ny praiminisitra Lokke Rasmussen

07/06/2019

"Tsara ny fifidianana nataontsika saingy nisy indro kely", hoy ny praiminisitra Lars Løkke Rasmussen,

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fiarahamonina Voailika ireo ankizy mivadi-tongotra

07/06/2019

Ny fikambanana Miracle feet sy ireo mpiara-miombon’antoka tahaka ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Fondation Telma no nifandrimbona tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mivadi-tongotra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Tsipoapoaka Voarara ny fivarotana sy ny fampiasana azy

07/06/2019

Efa mizotra miandalana mankany amin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena isika eto Madagasikara ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

PRIMA BABY 10 taona Hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny ankizy

07/06/2019

Feno folo taona katroka amin’ity taona 2019 ity ny Prima baby.

Hamaky ny tohiny...

Consulat de Monaco sy ny orinasa Star Mizara bodofotsy ho an’ireo ankizy sahirana

07/06/2019

Efa tadifitra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika eto Madagasikara ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Mausolé Mpanendaka tratra teo am-pisintomana pôketrana vehivavy

07/06/2019

Lehilahy mpanendaka iray no voasambotry ny pôlisy teny Mausolé ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 05 ora maraina rehefa avy nanendaka vehivavy roa nikasa handray taxibe teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Fanamparam-pahefana sy vono olona Hatolotra ny fitsarana ilay kaomisera sy ny zanany

07/06/2019

Hiakatra fampanoavana ato ho ato ilay raharahan’ny mpitandro filaminana mianaka voarohirohy fa nidaroka tompona fiara.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

07/06/2019

Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Turkish Airlines Cargo «Tsy mitombina fa saika nipoaka ny fiaramanidina Airbus 330»

07/06/2019

Araka ny vaovao nampintain’ny tompon’andraikitry ny kaompaniam-pitaterana Turkish Airlines Cargo, tsy nisy fipoahana ny zotra ana habakabaka ny alahady heriny tamin’ny 10 ora latsaka fahefany atoandro teo, teny Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana