Fil d'actualités du 22/10/2019

  • 22/10/2019 - 12:00 : JOVENA:Nanao fanambarana ny Jovena fa ireto avy ny toerana ahitana solika Essence anio:- Domoina Tsaralalàna- By-Pass- Anosizato- Alakamisy Fenoarivo- Haingo Antanimena- Mazava Ambohimangakely- Ambatolaona- Takariva Ivato- La Digue- Antaninandro- Ampanotokana Mahitsy-Ankazobe- Androndrakely- Mevasoa Andrefan'Ambohijanahary- Akona Ambohimanambola- Ampasika-Vonjy Ankazomanga- Tantely Ankorahotra- Imaitsoanala Ambohijatovo- Ambonisoa Itaosy- Hezaka Ambodimita- Tatsinanana Ampasampito- Anosiala Ambohidratrimo- Ilafy- Ivandry- Valasoa Ambatomainty.

  • 22/10/2019 - 11:30 : ONIVERSITE ANKATSO:Misokatra ny fanaterana ny antontan-taratasy hidirana ho taona voalohany ao amin'ny Facultés des lettres et Sciences humaines, amin'ny Université eny Ankatso, Antananarivo.

  • 22/10/2019 - 11:00 : FILAZANA:Ho fandaminana ny fifamoivoizana dia tapaka ny làlana eo anelanelan'ireto toerana ireto:BATISTOCK Andraharo sy ny rond point Tsaramasay anio Talata 22 Oktobra.

  • 22/10/2019 - 10:30 : FIDINANA IFOTONY:Nidina ifotony nijery ny fitsinjarana solika ny Ministra Vonjy ANDRIAMANGA sy ny Tale Jeneralin'ny OMH. Noamafisiny fa tsy misy olana ny tahiry ary nanentana izy ny mba hakan'ny mpanjifa izay fatra fampiasa mahazatra hisoroana ny tsy fisian'ny solika.

  • 22/10/2019 - 10:00 : FANATANJAHANTENA:Amin'ny Asabotsy izao ny fanokafana ny lalao voalohanay amin'ny "Pro ligue"izay ifandonan'ny CNaPS Sport sy FCA Ilakaka.

  • 22/10/2019 - 09:30 : BAKALOREA:Hanomboka rahampitso ny fiodinana faharoan'ny bakalorea hoan'ireo tsy afaka ny fiodinana voalohany,miisa 97136 ireo mpiadina mbola hiatrika an'izany.

  • 22/10/2019 - 09:00 : JIRAMA:hisy fatapahana ny jiro anio Talata 22 Oktobra manomboka amin'ny 9ora ka hatramin'ny 4 ora tolak'andro eny amin'ireto toerana ireto:Ampahimanga,Morarano,Ambohimanambola.

  • 21/10/2019 - 15:30 : H.J.R.A:Tonga nitsidika nijery ilay naratra nandritra ny savorovoro teny Ambohitrimanjaka ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny Jeneraly Richard RAVALOMANANA, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly Njatoarisoa ANDRIANJANAKA, Komandin’ny Zandarimaria sy ireo mpiara-miasa ny marainan’ny Alatsinainy 21 Oktobra 2019 tamin’ny 08 ora maraina.

  • 21/10/2019 - 15:25 : FILAZANA:Ny FMF dia mampahafantatra fa tsy hanan-kery intsony ny «Licence jaune» aorian’ny 31 décembre 2019. Manasa ireo Klioba ara-dalàna tsirairay mpandray anjara amin’ny fifaninanana noho izany hanatona ny ligim-paritra misy azy avy, hameno taratasy fisoratana anarana mba hahazoana «Licence» amin’ny endriny vaovao.

  • 21/10/2019 - 15:15 : TRANGAM-PIARAHAMONINA:Lany ny solika amin'izao fotoana izao eny amin'ireo mpanjindrara maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina.

Voir plus d'infos...

21/10/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190613

Misongadina

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Mikononkonon-javatra Rajoelina sy ny Frantsay ?

13/06/2019

Eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanomboka ny 6 jona ny didy hitsivolana n°2019-009 manova ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna n°99-012 tamin’ny 19 aogositra 1999 mahakasika ny harena ankibon’ny tany na ny « code minier ».

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hosoka sy hala-bato Hisy ampamoaka goavana anio eny Andavamamba

13/06/2019

Hisy ny adihevitra lehibe iarahan’ny kandida tsy miankina sy ny mpanara-maso ny fifidianana anio alakamisy 13 jona eny amin’ny Live Hotel Andavamanba.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana tany Soanierana Ivongo Nandika lalàna Rajoelina sy ny IRD, hoy Rasomotra

13/06/2019

Nanamafy ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidan’ny TIM tao Soanierana Ivoko Mananjara Fidison na Rasomotra.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

13/06/2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

13/06/2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

Hamaky ny tohiny...

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

13/06/2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Malagasy Amin’ny 24 aogositra 2019 ny fifidianana filohan’ny FMF

13/06/2019

Ny filohan’ny “Comité de normalisation FMF”,Rtoa Atallah Beatrice notronin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny solontenan’ny FIFA mandalo eto amintsika, Rtoa Sarah Solemane sy ny solontenan’ny

Hamaky ny tohiny...

Federasiona Malagasin’ny Basket-ball Vaovao lehibe enina karazana no nampitainy omaly

13/06/2019

Vaovao lehibe enina karazana no nampitain’ny Federasiona Malagasin’ny Basket-ball notarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly alarobia 12 jona 2019.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Ilay “valala tsy an-tanana”

13/06/2019

“Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny fahendrena Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Toekarena sy fandraharahana Mpanondrana lavanila miisa 139 no nahazo fankatoavana

13/06/2019

Tafiakatra 130,9 tapitrisa dolara ny tombony azo tamin`ny fanondranana lavanila ny telo volana voalohany ny taona, nahitana fiakarana 15,9% izany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Hong Kong Raikitra ny fifandonana

13/06/2019

Hahemotra ny fandinihana ny volavolan-dalàna amin`ny famindran-toerana an`ireo olona manana fitsarana ao Hong Kong mankany Sina.

Hamaky ny tohiny...

Fihafanan`ny tany Ahiana ho lany tamingana ireo biby an-dranomasina hatramin`ny 2100

13/06/2019

Manodidina ny 17% ny biby mivelona an-dranomasina maneran-tany no ahiana ho lany tamingana hatramin`ny taona 2100 raha mitohy ny fihazakazahan’ny famokarana etona mangeja hafanana na “gaz à effet de serre”

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy

13/06/2019

Miisa 43 ny mpampiasa sy mpiasa ao anatin’ny distrikan’i Vatomandry faritra Atsinanana nihaino sy nandray an-tsoratra ireo pitsopitsony momba ny lalàna mifehy ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga

13/06/2019

Ny 21 jona 2014 no daty voatendrin’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga.

Hamaky ny tohiny...

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana

13/06/2019

Samy manao izay saim-pantany, ary toy ny tany tsy misy lalàna amina toerana maro eto an-drenivohitra, tahaka ny etsy Anosibe.

Hamaky ny tohiny...

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao

13/06/2019

Hotanterahina amin’ny sabotsy 15 jona ho avy izao ilay hetsika Mazaval Run andiany fahatelo, karakarain’ny Okalou.

Hamaky ny tohiny...

Fifamezivezen’ny posy sy sarety Mila hentitra kokoa ny fanaraha-maso

13/06/2019

Sarety nandika lalàna miisa 20 hatreto no fantatra fa nampidirina “fourrière” ho an’Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

13/06/2019

Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.

Hamaky ny tohiny...

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

13/06/2019

Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

13/06/2019

Nandritra ny fanadihadian’ny zandary tamin’ireo mpamaky fasana tany Ambohibary Manjakandriana no nahalalana fa izy ireo no namaky ny fasana maro manodidina an'Antananarivo sy Manjakandrina, Andriampamaky, Talatavolonondry,

Hamaky ny tohiny...

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

13/06/2019

Nisoloky ho zanak’ilay raim-pianakaviana ivelan’ny tokantrano ilay mpaka takalon’aina zaza kely tao Soavinandriana.

Hamaky ny tohiny...

Halatra misesy tao Taolagnaro Mpanao varo-maizina lavanila 13 no tra-tehaky ny zandary

13/06/2019

Ny zoma 7 jona 2019, tamin'ny 10ora sy sasany alina dia nisy lavanila milanja 32 kg tsy ara-dalàna tratran'ireo zandary tany amin'ny faritra Anosy, distrika Faradofay tao Ebakika, fokontany Esohihy kaominina Taolagnaro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana