Fil d'actualités du 18/10/2019

  • 18/10/2019 - 16:00 : FANATANJAHANTENA:ho fanomanana ny lalaon'ny Barea rahampitso dia nitsapa ny kianja Windhoek izy ireo anio.

  • 18/10/2019 - 15:30 : BORIBORIN-TANY FAHA IV:Notoloran'ny filatex fitaovana hoeti-miasa amin'ny birao "materiel de bureau"ny boriborin-tany faha IV.

  • 18/10/2019 - 15:15 : MAMPIKONY:Kandida ben'ny tanàna iray no namoy ny ainy tao amin'ny faritra Mampikony voalohany.

  • 18/10/2019 - 15:00 : ANDRAVOAHANGY:Lakandrano 200metatra indray no nodiovina androany tao Andravoahangy tsena.

  • 18/10/2019 - 14:15 : ANOSIZATO:Ahitana lozam-pifamoivoizana indray eny Anosizato amin'izao fotoana izao,moto iray no niaran'ny loza telo mianaka no nitaingina ka ilay renim-pianakaviana no naharatra mafy.

  • 18/10/2019 - 14:00 : AMBOHIDRAPETO:Taorin'ny savorovoro teny Ambohitrimanjaka dia manao hetsika ihany koa ny mponina eny Ambohidrapeto androany mbola manohitra ny fanotofana tany ihany no mahatonga izany.

  • 18/10/2019 - 11:45 : ANOSIPATRANA:Nahitana fatin-dehilahy iray indray natikafin'ny rano tetsy Anosipatrana amin'izao fotoana izao,mbola tsy hay ny tena nahazo azy,mandeha ny fanadihadiana.

  • 18/10/2019 - 11:00 : BAREA CHAN 2020:Tonga soamatsara any Namibie ireo pilalao hiatrika ny lalao miverina rahampitso.

  • 18/10/2019 - 10:30 : AMBOHITRIMANJAKA:Manoloana ilay savorovoro omaly dia nisy mpanao gazety tonga teny an-toerana,nisy ny fanesorana sy famafana ireo sary teny amin'ny mpanao gazety ka manao fanambarana ny eo anivon'ny Crimad (Collectif des Reporter d'Image de Madagascar) sy ny OJM (Holafitry ny Mpanao-gazety).

  • 18/10/2019 - 10:00 : JIRAMA:Hisy fatapahana ny herinaratra manaomboka atamin'ny 9 ora ka haharitra hatramin'ny 5 ora ariva amin'ireto toerana ireto:Tsara fara -Sabotsy Namehana.Antony:Fanarenana andrin-jiro sy fandratranana hazo.

Voir plus d'infos...

18/10/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190719

Misongadina

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Hamaky ny tohiny...

Politique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Hamaky ny tohiny...

Zo tsy azo henjehina ho an’ny depiote Hirosoana ny fanalana azy ?

19/07/2019

Mitreraka resa-be ireo solombavambahoaka manana raharaha eo anivon’y Fitsarana na ihany koa voarohirohy amina heloka hafa satria tsy mbola afaka atao fanadihadiana izy ireo fa manana ilay zo manokana.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika miady amin’ny hosoka sy hala-bato Miroso amin’ny dingana ambony kokoa

19/07/2019

Araka ny efa tapaka tamin’ny fikaonandoha lehibe tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 15 jona teo dia ny « Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato »,

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna “Mety ho IRC indray fa tsy IRD intsony.”

19/07/2019

Tsy zava-baovao no miseho eny amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Nihari-Ni-Rencho.

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Frantsay Veronique Vouland Nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian

19/07/2019

Noraisin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian tao Mahazoarivo ny Ambasadaoro Frantsay izay niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland-Aneini omaly.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mahereza e !

19/07/2019

Tsy mihomehy loza aho ry Jean fa mba raharaha koa iny nahazo anao iny a ! Hay ve ka efa nitsidika an’ilay birao ianao ka mba efa nanantena hahazo ilay seza kinanjo….

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Olan’ny FJKM Lazaina Andrasana ny vahaolana

19/07/2019

Tohin’ny fanakatonan’ny minisiteran’ny atitany ny FJKM Lazaina dia efa nisy ny fampirisihana hanao fitsirihina izay mety ho fanodinam-bola na “audit” kanefa tsy nisy ny fanaovana izany,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kitra - Lalaon’ny Nosy 2019 any Maorisy Hifandona i Madagasikara sy Seychelles rahampitso

19/07/2019

Nanainga lasa atsy amin’ny Nosy Maorisy omaly alakamisy 18 jolay ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy na ny “JIOI 2019”. Hanomboka anio 19 jolay izy io ary hifarana ny 28 jolay.

Hamaky ny tohiny...

Fifanintsanan’ny CAN 2021 Iray vondrona amin’i Côte d’Ivoire, Niger, Ethiopie ny Barea

19/07/2019

Vita omaly ny antsapaka momba ny fiadiana ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana izay ho tompon’ny amboaran’i Afrika afaka roa taona indray na ny CAN 2021 raha toa ka hanakatona tanteraka ny

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Rivo-baovao !

19/07/2019

Asa aloha ny fahitantsika mpanara-baovao azy fa saika samy nilokaloka ny hitondra rivo-baovao eny anivon’ny antenimieram-pirenena eny daholo fony vao lany ireto solombavambahoaka vaovao ireto.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Faritra misy hain-tany Tratra farany ara-toekarena

19/07/2019

Firenena 196 no handray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-14 momba ny fahamainan’ny tany any New Delhi India.

Hamaky ny tohiny...

Toekaren’i Madagasikara Tsy tafavoaka raha tsy miroborobo ny famokarana

19/07/2019

Hatreto aloha dia hita ho mpiantsena fotsiny ihany i Madagasikara fa tsy mpamokatra eo anivon’ireny tsena iraisam-pirenena ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana Ain’ny toekarena ny fitaterana

19/07/2019

Amin’ny 14 ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao no hanatanterahina ny fampiratiana voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa fambolem-bary midadasika Raikitra ny fakan-kevitra any Mahajanga

19/07/2019

Manoloana ny tetikasa fambolem-bary midadasika hataon’ny orinasa “Long De” ao Analatelo, kaominina ambanivohitr’i Katsepy, distrikan’i Mahajanga, faritra Boeny,

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Indostria nomerika maneran-tany Ho tataovan-ketra amin’izay

19/07/2019

Nahita marimaritra iraisana ny amin’ny fomba hakana hetra amin’ireo orinasa goavana miasa momba ny nomerika ireo minisitry ny vola avy amin’ny firenena 7 manankarena indrindra eto ambonin’ny tany izay nivory tany Chantilly – Paris Frantsa omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS Hiakatra ho 6 000 ariary ny volan-jaza

19/07/2019

Hiakatra ho 6.000 Ariary ny volan-jaza amin’ny volana aogositra ho avy io raha nanomboka nihatra izany ny volana mey lasa teo ary tsy mitsahatra miova ho amin’ny tsara ny fanampiana omen’ny CNaPS ireo mpikambana ao aminy.

Hamaky ny tohiny...

Mahavoky - Besarety Tapaka iray andro tontolo ny rano, nijaly ny mponina

19/07/2019

Nanomboka ny alarobia tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ka hatramin’ny omaly alakamisy dia tapaka tanteraka ny rano teny amin’ny fokontany Mahavoky rehetra iny.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

19/07/2019

Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, izay naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera, heveriny fa noho ny tondro molotra dia natolotra ny miaramila ny momba an’i Raly Tovony.

Hamaky ny tohiny...

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

19/07/2019

Voasambotry ny polisin’i Tanjombato ny 16 sy 19 jolay teo noho ny resaka fanendahana amin’ny alina eny amin’iny faritra iny ireo jiolahy efatra.

Hamaky ny tohiny...

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

19/07/2019

Gadra nitsoaka ny taona 2016 sy tovolahy iray mbola manefa sazy ao Tsiroanomandidy saingy nahazo fahefana miasa aty ivelany no tra-tehaka niaraka tamin’ny basy hanatanteraka fanineniny ny asa ratsin’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

19/07/2019

Ny talata lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa nangatahin’ny mponina tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny.

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

19/07/2019

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapan’i Iavoloha ny alarobia 17 jolay lasa teo ny famoahana didim-panjakana momba ny fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ho an’ny taona 2019-2020.

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

19/07/2019

Nankalazaina omaly alakamisy 18 jolay ny « Mandela Day », ahatsiarovana ny daty nahaterahan’i Nelson Mandela niady

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana