Fil d'actualités du 21/08/2019

  • 21/08/2019 - 16:00 : TOLO-TANANA:Hizara fitaovam-pianaran'ny mpianatra ao amin'ny EPP Imerintsiatosika ny Clioba mpankafy "Peugeot 405" ny faha 28 ny volana Aogositra ho avy izao.

  • 21/08/2019 - 15:30 : ASA SOSIALY:Rehefa voadio ny tanàna dia niroso tamin’ny fandrarahana na famendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy otrik’aretina teny amin’ireo toerana voadio toy ny tsena, ny toeram-pivoahana, ny lalam-bahoaka, ny biraom-pokontany indray ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany sy ny avy eo anivon’ny Departemanta misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity andron’ny Alarobia 21 Aogositra 2019 ity, mba ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy ho fitandroana ny fahasalamana.

  • 21/08/2019 - 15:00 : POLITIKA:Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana Jean-Eric RAKOTOARISOA androany ny Ambasadaoro Pelletier sy ny Mpanolotsaina misahana ny raharaha politika sy toe-karena Julia Jacoby, niresaka momba ny andraikitra lehibe sahanin'ny HCC eto Madagasikara.

  • 21/08/2019 - 14:30 : NOSY BE:Tatran’ny velam-pandrikin’ny polisim-pirenena tao amin'ny seranam-piatamanidina Fascene Nosy Be ireo 3 lahy avy any Antananarivo nikasa teti-dratsy hanondana antsokosoko volamena ho any ivelany.

  • 21/08/2019 - 12:00 : FAMPIANARANA:Miantso vonjy amin'ny fanjakana Malagasy ireo zanaka Malagasy mandranto fianarana any Maroc. Amin’izao fotoana izao efa zara raha misy sakafo ireo mpianatra Malagasy ireo. 250$ × 195 étudiants ny allocations. Allocations 2018 tsy mbola voaray 2019.

  • 21/08/2019 - 11:30 : ANTSIRABE: Trano miisa 2 no may omaly tokony ho tamin'ny 10 ora alina tany ho any.Sarotra ny nifehy ny afo nohon'ny tsy fahafantaran'ny mponina ny laharana azahoana ny sampana mpamonjy voina, hoy ny loharanom-baovao. Noho izany dia voatery novakian'ny olona ny fantson'ny JIRAMA mba ahafahana mahazo rano manondraka ny afo.

  • 21/08/2019 - 11:00 : FANATANJAHAN-TENA:Andriatsima Faneva IMA Lasan’ny ABHA CLUB Nanao sonia fifanarahana 2 taona miaraka amin’ny Abha Club any Arabie saoudite ny kapitenin’ny Barea Faneva.

  • 21/08/2019 - 10:30 : POLITIKA:Claudine Razaimamonjy: asa an-terivozona mandritra ny 7 taona sy fandoavana lamandy mitentina 100 tapitisa ary no sazy azony taorian'ny fitsarana omaly teny amin'ny PAC 67ha.

  • 21/08/2019 - 10:00 : TRANGAM-PIARAHAMONINA:Fantatra fa anio 21 Aogositra no hihazo ny tanindrazany ny nofo mangatsiakan'ilay tovovavy teran-tany britanika izay nitsambikina avy eny ambony fiaramanidina.

  • 21/08/2019 - 09:30 : NIVOAKY NY FONJA I ALAIN RAMAROSON:Tamin'ny 8 ora sy sasany alina no nivoaky ny fonjan'Antanimora, nihazo ny trano fonenany i Alain RAMAROSON rehefa nisazy 30 volana mahery.

Voir plus d'infos...

21/08/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190809

Misongadina

Fitantanan-draharaham-panjakana Misy olona tsy voafehin-dRajoelina

09/08/2019

Misy olona toa manana fahefana be tsy hay tohaina ao anaty fanjakana ao amin’izao fotoana, ary tena mampiteny ny anarany ! Fianakaviana olona ambony sy tena akaiky olona ambony eto amin’ny firenena izy io.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antananarivo Renivohitra Iza no ho kandidàn`ny IRD ?

09/08/2019

Iza ary no ho kandidàn’ny vondrona IRD (Isika miaraka amin`I Andry Rajoelina) ho ben`ny tanànan` Antananarivo Renivohitra ?

Hamaky ny tohiny...

Fifidianan ben`ny tanàna 45 miliara ariary ny tetibola ilaina

09/08/2019

Nitentina 23 miliara ariary ny tetibola nayoakan`ny fanjakana ho an`ny fifidianana ben`ny tanàna ny 21 jolay 2015.

Hamaky ny tohiny...

Biletà tokana Hatonta eto Madagasikara amin’izay ?

09/08/2019

Mety hiakatra 60 miliara ariary ny fanotana ireo biletà tokana ampiasaina amin`ny fifidianana ben`ny tanàna. Biletà roa isaky ny mpifidy mantsy no ampiasaina raha oharina amin`ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Hetsi-panoherana ny hosoka sy hala-bato Haparitaka manerana ny Nosy

09/08/2019

Miantso hatrany ny hery velona rehetra eto amin'ny tany sy ny firenena sy ny olom-pirenena tsirairay mba hiara-mientana hamongotra ny mety ho antony rehetra tsy hisian'ny mangarahara amin'ny fifidianana ny Hetsikin'ny Olom-pirenena Miady amin'ny Hosoka sy ny Hala-bato

Hamaky ny tohiny...

Antoko mpanohitra Hanao fivoriambe rahampitso

09/08/2019

Rahampitso sabotsy 10 aogositra manomboka amin'ny 9 ora sy sasany no hatao ny fivoriam-be voalohan’ny mpanohitra, izay hatao eny amin’ny Hotel Carlton Anosy,

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian “Mila hatsaraina ny fampidiram-bolam-panjakana”

09/08/2019

Tokony hisy ny fanovàna eo amin’ny fomba fitantanana indrindra fa ity ministera ity, izay miandraikitra ny fitantanana sy ny fampidiram-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basket BIG SÔMA 3x3 2019 Hangotraka ny fety any amin’ny torapasik’i Sôma Beach

09/08/2019

Azo antoka fa hangotraka indray ny fetin’ny basikety ao amin’ny torapasik’i Sôma Beach any Mahajanga manomboka anio zoma 09 sy rahampitso sabotsy 10 ary amin’ny alahady 11 aogositra amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Ady Totohondry Malagasy Voaray tetsy amin’ny MJS omaly

09/08/2019

Noraisin’ny solontenan’ny MJS “minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy” nihaona taminy tetsy Andohananalakely omaly alakamisy 08

Hamaky ny tohiny...

Faneva Andriatsima Malaina hiala ao Frantsa

09/08/2019

Taorian'ny fahataperan'ny fifanarahany tao amin’ny Clermont Foot 63 dia mbola mitady izay klioba handray azy indray ny kapitenin'ny Barea,

Hamaky ny tohiny...

Seksion’ny Tenisy A.S.I.E.F Analamanga Tonga eo amin’ny lalao ankatoka sy famaranana

09/08/2019

Tonga eo amin’ny lalao ankatoky ny famaranana ho an’ny sokajy olon-droa miaraka sy eo amin’ny famaranana sokajin’olon-tokana

Hamaky ny tohiny...

Ludovic Ajorque Miandry hantsoina ho Barea

09/08/2019

"Nanamafy ny raiko fa manana razambe malagasy ny ao amin'ny fianakavianay. Raha toa ka tsy nandray anjara tamin'ny CAN aho dia misy fotoanany ny zava-drehetra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Hanova toetsaina !

09/08/2019

Mila manova toetsaina isika malagasy. Azo antoka fa farafahakeliny angamba, 58 taona, no nahenoana ny tolo-bahaolana hamahana ny fahasahiranana teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mpamily taksibe Maro ireo mafy loha rehefa alain’ny polisy ny taratasin’ny fiara

09/08/2019

Tsy i Maneva sy i Jacky mpamily taksibe 135 sy zotra 105 ihany no namaly ireo mpitandro ny filaminana, rehefa lasan’ireto farany ny taratasin’ny fiara entiny,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15

09/08/2019

Na dia efa azon’i Madagasikara tamin’ny volana jona taona 2018 aza ny sata “Madagasikara, firenena afaka amin’ny aretina lefakozatra” dia mbola hitohy hatrany ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ity aretina

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Politikam-pampandrosoana ny firenena Tsy misy azo antenaina hatreto…

09/08/2019

Ny 80% amin’ny Malagasy dia tantsaha avokoa, izany hoe eny ambanivohitra. Mirona kokoa amin’ny politikan’ny tanàn-dehibe sy ny mamirapiratra ny fitondram-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Fanotofana tany, famatsiam-bola Main’ny afo natsangany i Rajoelina

09/08/2019

Nohenjehin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy mpanao politika ekipany i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2008 momba ilay tetikasa goavana fampanofana tany amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’i Mahamasina 4162 ireo mpivarotra ara-dalàna isaky ny alakamisy

09/08/2019

Mahatratra 4162 ireo mpivarotra voaisa ara-dalàna isaky ny alakamisy, raha ny antontan’isa voaray tao amin’ny Boriborintany fahefatra.

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana fanafody tsy manara-penitra Handray fepetra hentitra ny fanjakana

09/08/2019

Manomboka mirongatra ny tsy fahombiazan’ny fampiasana fanafody amin’ny fitsaboana eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Olona misandoka ho dokotera Zazakely iray vao 15 volana monja no lasa jamba tsy fidiny

09/08/2019

Mihamahazo vahana hatrany ireo olona misandoka ho dokotera eto amintsika. Fianakaviana iray indray no lasibatra tany amin’ny faritra, nanana zanaka vao 15 volana monja tratry ny areti-maso.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Fanafihana faobe teny Avaradrano Jiolahy 7 nidoboka eny Tsiafahy

09/08/2019

Eny Tsiafahy no niandry ny fitsarana azy ireo fito lahy izay andian’olon-dratsy nandroba tanàna telo samy hafa tao anatin’ny indray alina,

Hamaky ny tohiny...

Fizahana ny vatana mangatsiakan’i Alana Cutland Andrasana ny vaovaon’ny hopitaly HJRA

09/08/2019

Miandry fatratra ny fampitam-baovaon’ny HJRA mahakasika ny fizahana ny sisan-taolan’ilay tovovavy anglisy ny mpanara-baovao eto an-toerana sy maneran-tany.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Tra-tehaka ilay mpanao aferana merkiora sandoka

09/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny lehilahy iray ikoizana amin’ny fisolokiana merkiora sandoka, manerana ny faritra maro.

Hamaky ny tohiny...

Herisetra ara-nofo Mpianatra 11 taona naolan’ny tovolahy iray

09/08/2019

Zazavavy avy nianatra naolana tovolahy iray raha norebirebeny nanakalo vola ireo roa vavy namany.

Hamaky ny tohiny...

Vohitsara Toamasina 300.000 ariary no namonoana azy telo mianaka

09/08/2019

Araka ny finoan’ny tatsinana, tsy raraka an-tany ny ra latsaka. Tra-tehaka ireo olon-dratsy telo ka vehivavy ny iray namono ny fianakavian’i Soa Monica tany Vohitsara Toamasina ny 13 mey teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana