Fil d'actualités du 21/11/2019

  • 21/11/2019 - 16:00 : FANATANJAHATENA:Voatendry ho Ambasadaorin'ny Pari365 indray i Andriamirado Arohasina na i DAX.

  • 21/11/2019 - 15:45 : SAINT MARIE:Nosimbain'ny vahoaka ny Kaomisaria tao saint Marie vokatry ny hatezerana.

  • 21/11/2019 - 15:30 : FILAZANA MAIKA:Ilazana isika rehetra izay manana kaonty Tsinjo Lavitra sy Tsinjo Avotra nisokatra tao amin’ny biraon’ny Paositra Malagasy ANDRANONAHOATRA mba hanatitra ny bokim-bolany eny an-toerana manomboka ny Alakamisy 21 ka hatramin’ny Alakamisy 28 Novambra 2019 ihany.Ny Paositra malagasy no manao ny filazana.

  • 21/11/2019 - 15:25 : FANATSARANA:Araky ny toromariky ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena dia nohatsaraina ny fandraisana ny olom-pirenena mikarakara taratasy manamarina fa nahavita fitsarana miaramila "Certificat de Position militaire".Manao ny lamina rehetra ny eo anivon'ny DSNGR Andohalo mba hisorohana ny filaharana lavareny ary hiadiana amin'ny kolikoly.

  • 21/11/2019 - 15:00 : MISS MADAGASIKARA:Mbola tsy mivaha ny olana,nanomboka omaly ny fampivondronana ireo Miss rehetra mandray anjara amin'ny fifaninanana "Miss monde 2019"kanefa ny solotenantsika malagasy mbola eto an-toerana,mitaraina noho izany ny tenany.

  • 21/11/2019 - 14:30 : TOAMASINA:Nirehitra "ny fanariana fako"na déchet ao Toamasina. Efa eny an-toerana ny mpamonjy voina.

  • 21/11/2019 - 14:00 : KIANJA MAHAMASINA:Manomboka ny volana desambra ho avy izao ny fanamboarana ny kianjaben'ny Mahamasina.

  • 21/11/2019 - 11:30 : SAMBAVA:Tamin'ny 8ora 15mn androany alakamisa 21 novambra 2019 maraina teo no nitrangana lozam-pifamoivoizana teto Sambava-centre, teo amin'ny "croisement la voirie" teo indrindra,fiara ampielezan-kevitra Ampiasain'ny Antoko miaradia amin'ny Filoha! no niaran-doza.

  • 21/11/2019 - 11:00 : TSARA HO FANTATRA:Miarahaba manokana ary mirary soa hatrany an'i Yasminah Andriatsima, vadin’i Faneva Ima izay mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany amin'ity anio ity.

  • 21/11/2019 - 10:30 : RAHARA VONO OLONA TANY IMERITSIATOSIKA:Iray no voaheloka higadra mandrapafaty nandritra ny fitsarana omaly.

Voir plus d'infos...

21/11/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190912

Misongadina

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rado Ramparaoelina Hanatsara ny sehatry ny fanabeazana eny Ampitatafika

12/09/2019

Tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho Ben’ny tanàna teny amin’ny OVEC 67 ha omaly Rado Ramparaoelina, kandida Ben’ny tanànan’Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’Ambohimanambola Vonona ny kandida Nantenaina atolotry ny TIM

12/09/2019

Ramatoa Nantenaina Rahagarison dia ben’ny tanàna lefitra teo anivon’ny kaominina Ambohimanambola. Maro ireo asa fampandrosoana vitany ka nangataka ny hirotsahany ho ben’ny tanana ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Tsy rototra ny olona fa efa leon’ny hosoka

12/09/2019

Ho tapitra anio ny fe-potoana handraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly. 3 andro ny fotoana ananan’ny OVEC hanamarinana ny antontan-taratasy, ka ny 17 septambra ny CENI no hamoaka ny lisitr’ireo kandida.

Hamaky ny tohiny...

Parlemantera TIM “Mila an-dRavalomanana Antananarivo”

12/09/2019

Mila olona efa voasedra Antananarivo, mila raiamandreny Antananarivo, mila olona sahy, manana traikefa, mila olona manaporofo fa nahavita, mahavita ary mbola hahavita Antananarivo, hoy ny fanambaran’ireo parlemantera lany tamin’ny anaran’ny Antoko TIM omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mila vehivavy sahy mijoro

12/09/2019

Zava-dehibe loatra ny anjara birikin’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana amin’ny fanasoavana faritra na ny kaominina hatramin’ny firenena misy aza, hoy ny mpandraharaha sady filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle),

Hamaky ny tohiny...

Dosie filatsahan-kofidiana ben’ny tanàna Hasarotina mba ho tombon’ny kandidam-panjakana

12/09/2019

Mampikaikaika ireo kandida maro ny fikarakarana ny antontan-taratasy firotsahana ben’ny tanàna amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Guy Maxime Ralaiseheno Vonona hitondra avo ny tanànan’Ankaraobato

12/09/2019

Vonona hirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’Ankaraobao indray Atoa Guy Maxime Ralaiseheno amin’ny 27 novambra ho avy izao,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

12/09/2019

Tontosa ny 10 septambra lasa teo, ny fametrahana ny vato fototry ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano,

Hamaky ny tohiny...

Pasipaoro diplaomatika Natokana ho an'ireo olom-panjakana ambony ihany

12/09/2019

Araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) lah° 16-HCC / D3, tamin'ny 05 septambra 2019, mametra ny fitsipika anatiny ifampifehezan’ny Antenimieram-pirenena, voatsiahy ao amin’ny fanapahan-kevitra navoakan’izy ireo lah° 07-HCC / D3, tamin'ny

Hamaky ny tohiny...

Fitandroana ny filaminana tamin’ny Papa nandalo Nahomby, hoy ny tafika

12/09/2019

Nanao tomban’ezaka nandritry ny fitandroana ny filaminana tamin’ny fandalovan’ny Papa Fransoa teto Madagasikara tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly ny avy eo anivon’ny tafika Malagasy tamin’ny alalan’ny Emmonat ary notronin’ny avy eo

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra teny Soamandrakizay Hanadihady ny fiadidian’ny Repoblika

12/09/2019

Taorian’ny fitarainana nataon’ireo mpivarotra hani-masaka teny Soamandrakizay ny faran’ny herinandro teo noho ny fatiantoka nahazo azy ireo dia namaly avy hatrany ny teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana fanarenana ara-batana Vitsy ireo mpisehatra

12/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanatanteraka ny kaongresy faha-11 tetsy amin’ny St Michel Amparibe tao anatin’ny 11 taona nisiany ny fikambanan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanarenana ara-batana na Akima.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye Tour de Tanà andiany faha-19 Mahatratra 30 ireo ekipazy handray anjara

12/09/2019

Mahatratra 30 ireo ekipazy handray anjara amin’ny fifaninanana rallye « Tour de Tanà » karakarain’ny klioba Asa Tanà hotontosaina eto

Hamaky ny tohiny...

Rugby Tsinjakabe Hotontosaina amin’ny 15 septambra izao ny andiany faha-III

12/09/2019

Raikitra fa hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahamasina, amin’ny alahady 15 septambra 2019 izao,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Bokotra diso fanidy

12/09/2019

Tafiditra ao anatina teny fampanantenana nataona filoham-pirenena anisan’ny niezinezina indrindra teto ambonin’ny tany ny veliranon’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny hoe « Ny asa tsy vita tao anatin’ny 58 taona dia hovitaintsika ao anatin’ny 5 taona. ».

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana Mangataka ny hametrahana azy ireo eny Ampasampito farafaharatsiny

12/09/2019

Tsy mankasitraka ny hamindrana azy ireo etsy amin’ny toby fiantsonana etsy Andohatapenaka ireo kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tanora sy ny fandraharahana Tena ilaina ny fisian’ny Banky

12/09/2019

Miainga amin’ny tanora ny fampandrosoana ny firenena ary maro amin’izy ireny no manana tetikasa saingy olana hatrany ny fahazoana famatsiam-bola.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Amboatavo Itaosy Saron’ny polisy ilay mpanendaka aman-taonany maro

12/09/2019

Teo Amboatavo Itaosy no tra-tehaky ny polisy ny jiolahy iray voky traikefa aman-taonany maro amin’ny fanendahana zava-tsarobidy. Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny polisim-pirenena, lehilahy iray, 20 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy ny alatsinainy faha 9 septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo Mahatratra 49 % ireo ankizy lasibatra eto an-drenivohitra

12/09/2019

Mahatratra 49 % ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto Antananarivo Renivohitra no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny kaominina sy ny Ong ACF na “Action Contre la Faim” izay nikaon-doha tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fahafehezana ny teknika fitehirizam-bokatra Vary 400.000 taonina isan-taona no very eto amintsika

12/09/2019

Tena zava-dehibe ny fahaizan’ireo tantsaha mpamokatra mifehy ny teknika fitehirizam-bokatra mba tsy hahaverivery fahatany izany. Araka ny fanazavana azo omaly tetsy Ampefiloha, nandritra ilay atrikasa nokarakarain’ny “Forum Conseiller Agricole” na FCA izay natsangan’ny AFAAS eto Madagasikara dia mahatratra 400.000 taonina isan-taona

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana