Fil d'actualités du 13/12/2019

  • 13/12/2019 - 11:30 : TOE-KARENA:Tontosa ny alakamisy faha-12 desambra, tao amin’ny Chambre de Commerce et d'Industrie d'Antananarivo, ny lanonana famoahana amin’ny fomba ôfisialy ny vokam-pifidianana izay natao ny alarobia faha-4 desambra sy fametrahana amin’ny fomba ôfisialy ny Birao vaovaon’ny Syndicat National des Agents des Impôts (SNAIM).

  • 13/12/2019 - 11:00 : TRANGA:Nesorina tamin'ny toerany Atoa tale jeneralin'ny tahirim-bolam-panjakana vokatr'ilay fiaram-mpanjakana natao lohana mariazy ny 7 Desambra lasa teo.

  • 13/12/2019 - 10:30 : MOROMBE:Ombina Ben’ny tanàna lefitra 40 mahery lasan’ny dahalo tao Bekoropoka.

  • 13/12/2019 - 10:00 : FANKAN-KEVITRA:Mitohy hatrany ny fakan-kevitra ataon'ny fanjakana mahakasika ny fanitsiana ny Fehezandalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany, ny Zoma faha-20 Desambra 2019 manomboka amin'ny 9 ora maraina eny amin'ny Mining Business Center Ivato no fotoana manaraka.

  • 13/12/2019 - 09:00 : FATAMPAHANJIRO:Ireto avy ny toerana mety ahitana fatapahan'ny herinaratra anio:Talamaty-Ambohiotrakely-Iavoloha-residence Iavoloha-Ambatomaro-Tsarahonenana-Andraisoro-Ampadrian'omby-Gendarmes fort du Chesne.manomboka amin'izao ora izao ka hatramin'ny 5 ora hariva.

  • 12/12/2019 - 15:10 : FANATANJAHATENA:Lavon'ny Afrika Atsimo tamin'ny "tire au but"ny Barea Madagasikara sokajy U20 teo amin'ny lalao fiadiana ny manasadalan'ny COSAFA.

  • 12/12/2019 - 14:30 : AMPASIMBAZIMBA-KAOMININA IBITY: Noraisim-potsiny tao an-tranony, taorian'ny fampitam-baovao avy amin'olon-tsotra, ireo dahalo roa niaraka tamin'ny basy vita gasy ny odigasy marobe.

  • 12/12/2019 - 14:00 : TOE-KARENA:Ny fianakaviamben'ny Tahirimbolam-panjakana malagasy dia faly miarahaba an' Andriamatoa RANJALAHY Ihajambolatiana voatendry ho Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana vaovao, araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola nandritry ny Filankevitry ny Minisitra omaly 11 desambra 2019.

  • 12/12/2019 - 13:45 : FANATANJAHATENA:Mitarika 2-0 isaika malagasy amin'izao fotoana izao eo amin'ny lalao baolina kitra COSAFA U20.

  • 12/12/2019 - 11:30 : FANAMBARANA:Manoloana ny feo miparitaka mahakasika ny fiakaran’ny vidin’entana (poketra, kiraro, kilalao, …) izay voalaza fa noho ny fiakaran’ny haban-tseranana, dia mitondra izao fanamarihana manaraka izao ny Foibem-pitantanan’ny Fadintseranana : • Ny tahan’ny haban-tseranana dia voafaritra amin’ny alalan’ny Lalana mifehy ny tetibolam-panjakana irery ihany. • Ny Fadintseranana dia tsy mikitikita taha anelanelan’ny taona ary tsy niova ny taha ny 01 january 2019 no nakaty. • Ny fiovanan’ny vidin’entana dia tsy miankina amin’ny Fadintseranana kanefa kosa maro ireo antony mety hahatonga izany toy ny fiakaran’ny vidin’ny entana any amin’ny mpamokatra na ny tombony alain’ny mpanafatra entana.

Voir plus d'infos...

06/12/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190926

Misongadina

Ampandrana Bel’Air Nisokatra nanomboka omaly ny “PHO Resto”

26/09/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 25 septambra 2019 ny “PHO Resto” etsy Ampandrana Bel’Air.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Niteny ny CFM Ben’ny tanàna mendrika ho ray amandreny no ilaina

26/09/2019

Manao antso hatrany ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM fa fifidianana ifotony tena ahitana taratra ny hoe fanjakana akaikin’ny vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna.

Hamaky ny tohiny...

Feno Harison “Hatombotsika eto Antananarivo ny fanarenana.”

26/09/2019

Tsy vao androany aho no resy lahatra amin’ny fanarenana miainga avy any ifotony ny rafitra rehetra misy eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Mety hiteraka fanintsanana amin`ny fifidianana

26/09/2019

Namamarika ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) fa tsy mbola tafiditra ao anatin`ny fotoanan`ny fampielezan-kevitra ireo kandidà na dia efa misy ihany ireo manatanteraka izany.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny Faritra Voatendry ho Governora i Lylyson sy Hery Be

26/09/2019

Voatendry omaly alarobia 25 septambra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 11 amin’ireo governoran’ny faritra eto Madagasikara, izany hoe ny tapany voalohany. Tahaka izao manaraka izao izy ireo :

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Asa ratsy amin’ny fesiboky Lasibatra ny anaran’ny praiminisitra

26/09/2019

Nanamafy ny fanambarana efa nataony ny eiadidian’ny Primatiora manoloana ny fampiasana ny anaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta amina asa fisolokiana samihafa, indrindra fa ny tambajotran-tserasera.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Io resaka rano io

26/09/2019

Fitenin’ny Malagasy rehefa mahita olona milingilingy ny miteny hoe milalao afo saingy nalaza tato anatin’ity fitondrana ity moa ny teny hoe Velirano.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ankizy manana fahasembanana Mbola sahirana miditra an-tsekoly

26/09/2019

1 638 162 amin’ny mponina miisa 23 812 681 ireo olona manana fahasembanana tamin’ny taona 2015. 2,8% amin’izay no sembana ara-batana, 1% ny ara-pahitana, 1,7% ny amin’ny fihainoana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana