Fil d'actualités du 17/10/2019

  • 17/10/2019 - 16:00 : MORAMANGA:Nisy ny fiofanana nataon'ireo manmpahaizana Espaniola ho an'ireo hiasa ao amin'ny Orinasa miaramila iray ao moramanga mba ahafahana manaraka ny fivezivezen'ny bala(traçabilité).

  • 17/10/2019 - 15:30 : MINISITERAN'NY FAHASALAMANA:Nisy ny fiahonana izay nataon'ny minisiteran'ny fahasalamana sy ireo mpamokatra sy mpambongady ary ny mpanafatra sira eto Madagasikara,izany no natao hiarovana ny fahasalaman'ny mponina.

  • 17/10/2019 - 15:00 : TALATAMATY:Ahitana lozam-pifamoivoizana indray eny Talatamaty amin'izao fotoana izao,tovolahy iray nitondra môtô no niharan'ny loza ary dia tsy mahatsiara tena moa ilay tovolahy.

  • 17/10/2019 - 14:30 : TSARA HO FANTATRA:Ny andro androany dia andro iraisam-pirenena ho an'ny fahantrana.

  • 17/10/2019 - 14:00 : DIDIM-PANJAKANA:Araka ny volavolan-kevitra naroson'ny minisitry Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana dia Nolaniana ny didim-panjakana mametra sy mandamina ny fitantanana ny BNGRC ho fampanarahana azy hifanaraka amin'ny lalàna 2015-031 mikasika ny fitantanam-pirenena mikasika ny fitantanana sy fandrindrana ny seho sy ny voina.

  • 17/10/2019 - 13:45 : FILAKEVITRY NY MINISITRA:Nandray fanampahan-kevitra ny filakevitry ny minisitra araka ny toromùarika nomen'ny filoham-pirenena fa hatomboka amin'ny faha 21 Oktobra ny fanaovana ireo "Audience foraine"eto Antananarivo.

  • 17/10/2019 - 11:40 : TAOLAGNARO:Jiolahy roa namaky ny Agence Fivoy no tratehaky ny zandarimaria Anosy sy ny fokonolona.

  • 17/10/2019 - 11:30 : TRANGAM-PIARAHAMONINA: Androany alakamisy 17 oktobra maraina teo no nalefa aty Antananarivo ny mpanakanto Les Robert sady Depiote voafidy tany Mananara Avaratra sy Rtoa Sonia vadiny, izay samy naratra noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy ireo tao Toamasina omaly.

  • 17/10/2019 - 11:00 : FANATANJAHANTENA:Niainga nihazo an'i Namibie anio tokony ho tamin'ny telo ora maraina teo ny Barea CHAN hiatrika ny lalao miverina izay atao ny Asabotsy ho avy izao.

  • 16/10/2019 - 15:00 : FANAMBARAM-PANANANA : Depiote 4 amin'ny 151 no nahavita fanambaram-pananana hatramin'ny maraina teo. Namoaka taratasy lasitra fenoana hanamorana ny fanatontosàna sy famenoana ny fanambaram-pananana ho an'ny parlemantera sy ny mpikambana eo anivon'ny governemanta ny Fitsara avo momba ny lalampanorenana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191008

Misongadina

Governemanta Misy minisitra tena ratsy toerana

08/10/2019

Governemanta tsy mba miray hina ny mpikambana ao anatiny rehefa misy ny tsy fetezana eo amin’ny ministera iray. Hita taratra izany tamin’ity raharaha bakalorea izay nahasaringotra ny ministry ny fampianarana ambony.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Manomboka anio ny fanontana ireo bileta tokana

08/10/2019

Hanomboka anio talata 8 oktobra ny fanontana ireo bileta tokana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ka ny Trano Printim-pirenena no hiantsoroka izany.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Rajoelina Mety hanaraka ny dian’ny teo aloha…

08/10/2019

Manomboka hita taratra io fa misy fifanolanana anatiny sy fifampiahiahiana mipetraka eo anivon’ireo samy antoko nanohana ny filoham-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Fanaraha-maso ny fifidianana Efa naka lesona ny Jeune TIM

08/10/2019

Ao anatin’ny fampahafantarana ny kandidan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara ny eo anivon’ny fikambanana Jeune TIM ankehitriny, raha ny fanazavan’ny mpitarika ny Jeune TIM Analamanga, Heriniaina Razanadrakoto.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fandraisan’i Madagasikara ny MCB Tour Hisy akony amin’ny sehatra fizahantany

08/10/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany Parisy renivohitr’i Lafrantsa tamin’ny herinandro lasa teo ny fifaninanana Golf MCB Tour Championship Madagascar izay hotanterahina eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Fanehoan-kevitra sy famoaham-baovao Tandindomin-doza ny asa fanaovan-gazety

08/10/2019

Hatry ny omaly aloha dia tsy nisy ny hoe fampiantsoana hanaovana fanadihadiana na famoahana sazy, na fampitandremana mazava an-taratasy ilay gazety nambara fa namoaka vaovao tsy marina ny amin’ny hoe ferana ny fivoahan’ny vehivavy Malagasy any ivelany.V

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy misy fahagagana !

08/10/2019

Raha ny resaka sy ny fampanantenana, dia tena haingam-pandeha ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fiaraha-miasa sy fandraharahana Mazoto hampiasa vola eto Madagasikara ny Frantsay

08/10/2019

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny avy amin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France),

Hamaky ny tohiny...

Festival de fibre naturelle Hivondronan’ny mpandraharaha vehivavy

08/10/2019

Hivondrana ho iray ao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny 10 hatramin'ny 13 oktobra izao ireo vehivavy mpandraharaha amin'ny asa tanana amin'ny alalan'ny festival de fibre naturelle.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Bakalorea “2ème session” Mpampianatra vaovao no manomana ny laza adina

08/10/2019

Mpampianatra vaovao hafa no nantsoina hamolavola ny laza adina amin’ny “2ème session exceptionnelle” izay hatao ny 23-26 oktobra izao, ka nanomboka omaly ny fiantsoana sy famondronana azy ireo hanomana izany.

Hamaky ny tohiny...

Bakalorea, fiainan’ny Oniversite Andrasana ny ampamoakan’ny Seces anio

08/10/2019

Miandry ny fivoriambe izay atao anio vao afaka mamoaka fanambarana momban’ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena mikasika ny hanatontosana fihodinana faharoa amin’ny Bakalorea ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na Seces eto Antananarivo,

Hamaky ny tohiny...

Mpianatr’Ankatso sy ny mpampianatra Tsy nifampiantso hitokona izany

08/10/2019

Manoloana ny feo mandeha fa hampiantso mpianatra hiaraka hanao fitokonana aminy anio ny Seces dia nanao fanambarana

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana bakalorea Hivaly amin’ny 19 oktobra ho avy izao

08/10/2019

Hivoaka ny sabotsy 19 oktobra ho avy izao ny valin’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny izay notanterahina nanomboka ny 30 septambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

08/10/2019

Nifamono ny samy mpibata entana tetsy Ambanidia. Olona iray no maty rehefa voatsatoky ny antsibe teo amin’ny tendany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tontolon’ny fifandraisan-davitra Hidirana lalina kokoa ny 5G

08/10/2019

Taorian’ny fifanaraham-piaraha-miasa notontosan’ireo orinasam-pifandraisana miisa 2 dia ny Telma avy eto Madagasikara sy ny Ericsson natao tatsy Le Caire,

Hamaky ny tohiny...

Paositra Malagasy Mampahafantatra ireo karazana hajia nampiasainy hatramin’izay

08/10/2019

Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny paositra izay marihina isaky ny datin’ny 09 oktobra ny paositra Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Faritra Tsimiroro Miaina anaty fahantrana tanteraka ny mponina

08/10/2019

Ankoatra ireo olana ara-tsosialy, dia ratsy lalana tanteraka ny mihazo ny any Tsimiroro izay eo anelanelan’i Morondava sy Maintirano.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Mpitaingina moto voahitsaky ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay tovovavy

08/10/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Manakambahiny, akaikin’ny Le Quartz omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro tany ho any.

Hamaky ny tohiny...

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

08/10/2019

Olona 11 no indray namoy ny ainy vokatry ny tsy fitovian-kevitra tamina fisaraham-panambadiana tao amin’ny fokontany Anonobe, Kaominina Emagnabo Distrikan’i Tolagnaro Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo renivohitra 100 isan’ora ny fandikan-dalana amin’ny fifamoivoizana

08/10/2019

Saika mahatratra 2 isaky ny minitra ny tsy fanajana ny fitsipiky ny fifamoivoizana eto Antananrivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Asa ratsy anaty finday sy facebook Mitohy ny fikarohana ireo mpisoloky laza adina bakalorea

08/10/2019

4 tamin’ireo 7 izay voarohirohy tamin’ny fakana tahaka bakalôrea tao Arivonimamo no efa any am-ponja miandry ny fitsarana.

Hamaky ny tohiny...

Anosizato Andrefana Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, ifampitadiavana ny rano

08/10/2019

Maro ireo olana sedrain’ny mponina ao anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana