Fil d'actualités du 13/11/2019

  • 13/11/2019 - 10:00 : FANJARIN-TSAKAFO:Hisy ny valandresaka izay ataon'ny ambasadaoron'ny Amerikana mikasika ny fanjarintsakafo eto Madagasikara ka manasa ny mpanao gazety ny Masoivoho Amerikana androany alarobia 13 novambra, amin'ny 10 ora maraina eny amin'ny ONN (Office National de Nutrition), Anosy, eo ampitan’ny hopitaly HJRA, Antananarivo.

  • 13/11/2019 - 09:30 : TETIKASA TANA-MASOANDRO:Hisy ny fidinan'ireo delegasionina mikasika ny tetikasa Tana-Masoandro anio eny amin'ny kaominina Anosivita.

  • 13/11/2019 - 09:00 : FILAZANA MANJO:Manoloana ny fahafatesan’ny mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina "RAKOTOSON Mamimaherimanana Andrianina" dia miondrika am-panajana eo anatrehan’ny vatana mangatsikany ny Minisiteran’ ny Fiarovam-pirenena sy ny fianakaviamben’ny Foloalindahy Malagasy;Izahay eto amin'ny Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

  • 12/11/2019 - 16:00 : FIAROVAM-PIRENENA:Nihaona tamin'ireo mpitsabo miaramila ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena androany maraina ka nilaza fa hisy ny fanavaozana ny hopitaly miaramila mba ho faka-tahaka aty amin'ny Ranomasim-be Indianina.

  • 12/11/2019 - 15:30 : FILAZANA:Ilazana ny mpampiasa ny lalana Lot N°3 RN7 - SOANIERANA - ANKADIMBAHOAKA fa tapaka ny lalana nanomboka ny 11 novambra 2019 hatramin'ny 17 novambra 2019.

  • 12/11/2019 - 15:00 : CAN 2021:Anio tamin'ny 1:30 teo no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ireo delegasionina Etiopiana.

  • 12/11/2019 - 14:30 : TOAMASINA:Nidina tany Toamasina ny Minisitra Christian RAMAROLAHY Minisitrin’ny Angovo, ny Rano, ary ny Ankoranafo mpisolo toerana nifandinika sy nijery ifotiny ny asa fitsinjarana sy fanavaozana ny tombin-tsolika tany an-toerana.

  • 12/11/2019 - 14:00 : FAHASALAMANA:Nosokafana anio faha 12 Novambra 2019 tetsy amin’ny foibe EKAR Faravohitra ny hatrikasa ho entina handrafetana ny paikady Nationaly eo amin’ny fiarova ara-pahasalamana ny tolotra ara-tsakafo rehetra ho an’ny mponina eto amintsika.

  • 12/11/2019 - 11:30 : JIRAMA:Tapaka ny herinaratra eny Sabotsy Namehana sy ny manodidina azy akaiky, amin'izao ora izao. Antony: voasaringotry ny kamiao ny taribin-jiro lehibe mpitondra herinaratra.Efa am-perinasa tanteraka ny teknisian'ny JIRAMA manarina ny fahavoazana ka rehefa vita ny asa dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra any an-toerana.

  • 12/11/2019 - 11:00 : FANATANJAHANTENA:Tsy afaka hamonjy ny namany i Marco Ilaimaharitra noho ny ratra nahazo azy.

Voir plus d'infos...

12/11/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191108

Misongadina

Rina Randriamasinoro “Miara-mientana hanatsara ny fiainantsika isika”

08/11/2019

Manohy ny fampielezan-keviny ny kandida Rina Randriamasinoro atolotry ny TIM ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohtra ka toerana maro teny Ambohimanarina (Boriborintany faha 6) no notsidihany omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

08/11/2019

Ao anatiny tsara amin’ny fampahafantarana ny kandida izay tohanany amin’ny hazakazaka ahazoana ny lapan’ny

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana “Ilay maha olona no sakana”

08/11/2019

Fitaovana politika sy fitaovana entina manao fampielezan-kevitra ny fitsinjaram-pahefana na dia voafaritra ao anaty lalàmpanorenana satria ny antsika Malagasy dia mifanohitra amin’ny zava-misy any ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Politika eto Madagasikara Tsy marin-toerana

08/11/2019

Maro amin’ireo mpikambana ao anaty antoko politika na mpitarika no mivadibadika palitao noho ny tsy fahamarinan-toerana sy tsy fahamatorana,

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson “Miaraka amin’ny filoha tanteraka aho”

08/11/2019

Niara-niafy, niara-nitolona izahay tamin’ny 2009 ireny, ka ataoko ahoana no tsy hiaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa dia manohana azy ary hiaro azy hatramin’ny farany aho,

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tsy maintsy hatsaraina ny tontolon’ny fitsarana”

08/11/2019

Tokony hojerena ny hamahana ny olana amin’ilay fahazarana mampiditra am-ponja vonjimaika, hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nihaona tamin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) teny Ambohitsorohitra izy omaly, izy rahateo moa no filohan’izany.

Hamaky ny tohiny...

Filoham-pirenena Mitety EPP sy CEG mizara “kits scolaires”

08/11/2019

Ho fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra ho an’ny taona 2019-2020 dia notolorana fitaovam-pianarana ireo mpianatra ao amin’ny EPP sy CEG teny Anosibe Angarangarana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

08/11/2019

Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tompondaka eran-tanin’ny MMA Handray anjara ny mpikatroka Malagasy

08/11/2019

Nahazo fanasana manokana avy amin’ny “One Championship” mpiara-mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny Gamma “Global Association of Mixed Martial Arts”

Hamaky ny tohiny...

Tompondakan’i Afrika 2019 Basikety 3 x 3 Hanomboka anio any Ouganda

08/11/2019

Any an-drenivohitr’i Ouganda manomboka anio zoma 08 novambra ka hatramin’ny 10 novambra 2019 izao no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika 2019 eo amin’ny taranja basikety 3x3 .

Hamaky ny tohiny...

Tompondakan’i Afrika 2019 RUGBY à 7 lehilahy Hotontosaina anio zoma sy rahampitso sabotsy any Johannesburg

08/11/2019

Hotontosaina anio zoma 08 sy rahampitso sabotsy 09 novambra 2019 any amin’ny kianja Bosman Stadium any Johannesburg Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2019 eo amin’ny taranja Rugby à 7 lehilahy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Mitohy ny fiainana

08/11/2019

Lasa ary napetraka any amin’ny toerana tokony hisy azy farany indray iny ny andrarezin’ny kanto malagasy sy fiarahamonina iray.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mila ezaka i Madagasikara amin’ny fampidiran-ketra

08/11/2019

Betsaka ireo ezaka mila iantsorohana hampiaingana ny toekaren’i Madagasikara, hoy ny solontenan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI),

Hamaky ny tohiny...

Fampiatoana ny fitrandrahana Base Toliara Misy akony amin’ny fandraharahana, hoy ny TI-IM

08/11/2019

Nanamafy ny Transparency International Initiative International (TI-IM) fa mampanjaka ny kolikoly ny tsy fisian`ny fanaraha-maso mazava amin`ny fitantanana ny fitrandrahana harena ankibon`ny tany.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Tontolon’ny oniversite Mitokona ny Seces Antananarivo sy Toliara

08/11/2019

Nanao fanambarana omaly ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na Seces, sampana Antananarivo, fa tsy mbola nisy vokatra azo tsapain-tanana hatramin’izao mikasika ny fangatahan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

AMNESTY INTERNATIONAL

08/11/2019

Notehafan’ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International ny fidinan-dRajoelina nijery ny fonja.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mitohy ny krizy Ho mafy ny fisondrotry ny vidim-piainana…

08/11/2019

Mampanahy ny ho tohin’ny fiainam-pirenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy noho ny antony maromaro.

Hamaky ny tohiny...

Haisoratra Voarafitra anaty boky ny zava-bitan’ny Barea

08/11/2019

Voarafitra anaty boky 22 pejy ihany ny tantaran’ny ekipam-pirenena ny Barean’i Madagasikara. Ramatoa Verenako Miriam, mpikambana ao amin’ny akademia no nanoratra azy,

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana