Fil d'actualités du 14/01/2020

  • 14/01/2020 - 09:00 : GREVY: Manao fitokonana ary avy namoaka ny mpianatra tao amin'ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia amin'izao fotoana izao.

  • 07/01/2020 - 15:00 : FITANTERANA:Nanatanteraka fiarabana ireo Ray aman-dReny (Minisitra,SG, ary ny PCA ny ATT) tetsy amin'ny ministeran'ny fitanterana Anosy (MTTM)ireo solotena vitsivitsy avy ao amin'ny ATT notarihin'ny tale jeneraly ny Jeneraly Reribaka Jeannot noho ny fahatratrarana ny taona 2020.

  • 07/01/2020 - 14:00 : LOZAM-PIFAMOIVIZANA:Fiarabe iray tapaka isatra indray no nandona telo mianaka tetsy Ivato ny maraina teo,vokany:maty ireo Ray aman-dReny tsy hataorana kosa ilay zaza.

  • 07/01/2020 - 11:30 : SOAVINANDRIANA ITASY:Raikitra ny ady tany eo amin'ny tantsaha sy ny ministra teo aloha George Ruphin,manao antso avo ireo vahoaka iharan'ny tsindry azo lena,hiakatra fitsarana ny 22 Janoary ho avy izao ny raharaha.

  • 07/01/2020 - 11:00 : ANTSOHIHY:Ho tanterahina rahampitso 08 janoary ny lanona famindram-pibaikoana ao amin'ny tobimpileovana sofia . Lieutenant col Haja Rakotonirina no komandin'ny vondron-tobimpileovana vaovao ao amin'ny faritra sofia izay hisolo an'i Lieutenant col Poely Florent izay komandin'ny fileovana sofia taloha .Hanomboka amin'ny 09 ora maraina ny lanona eo amin'ny "rond point" mba hahitan'ny be sy ny maro ny lanona sy hafantarana fa miova ny fibaikoana ao amin'ny vondron-tobimpileovana sofia .

  • 07/01/2020 - 10:45 : FANAMBARANA AVY AMIN'NY GOVERNEMANTA:Hisy ny fanadihadiana mikasika ny savorovoro fizarana "panier garnie"mitentina 65 000Ar ho an'ireo mpiasam-panjakana anivon'ny Ministeran'ny fanabezam-pirenena.Andray andraikiny noho izany ny IGE(Inspection Générale de l'Etat) mba hafatarana izay tompon'andraikitra nahatonga ny savorovoro.

  • 07/01/2020 - 10:00 : ANJOZOROBE:Vehivavy telo sy lehilahy dimy. Ireo hatreto no olona nosamborin’ny mpitandro filaminana tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny taorian’ilay famonoana zandary nitranga tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, iray andro talohan’ny krismasy teo. Misy amin'ireo ny nandray ajara nivantana tamin'ny fanafihana ary ny hafa kosa dia ny niray tsikombakomba.

  • 07/01/2020 - 08:45 : FILAZANA:Misy rangahy lehibe iray sahabo eo amin'ny 68 taona eo maty tampoka ao amin'ny gare routiere Andohatapenaka amin'izao fotoana izao, raha ny vaovao voaray dia avy any Diego izy,ka tsy misy mahalala ny fianakaviany.

  • 06/01/2020 - 15:00 : FIFIDIANANA KAOMINALY:Hivoaka amin’ny zoma 10 jaonary 2020 ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina natao tamin’ny 27 novambra 2019 ho an’ny Faritanin’Antananarivo.

  • 06/01/2020 - 14:30 : ANKORONDRANO:Fiangonana pentekotista etsy ankorondrano narodana androany maraina. Miantso vonjy izy ireo amin'ny tsindrihazolena mahazo ataona orinasa sinoa mpamokatra toaka mifanila amin'izy ireo.

Voir plus d'infos...

21/01/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191126

Misongadina

Andry Rajoelina Tsy mila an’i Rina ho ben’ny tanàna ?

26/11/2019

Nifantoka betsaka tamin’ny propagandy an-kolaka hoenti-mandresy lahatra ny vahoakan’Antananarivo hisafidy ny kandidam-panjakana ny votoatin’ny fandaharan’ny filoha Rajoelina tamin’ny fahitalavi-panjakana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Politika sy fitantanana firenena Marina ny an-dRavalomanana

26/11/2019

Na i Hery Rajaonarimampianina na Rajoelina dia samy mikofoka manorina sekoly, manao “kits scolaires”, mandray mpampianatra, manofana. manamboatra lalana, manamboatra fotodrafitrasa, miaro ny tontolo iainana,...

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Mila manara-dalàna ny rehetra”

26/11/2019

Sesilany ireo fandikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra. Betsaka no tsy mankasitraka ny fomba amam-panao ataon`ny fitondram-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro Hitory noho ny fanaratsiana azy

26/11/2019

Manoloana ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka azy mialoha izao fotoana hanatontosana ny fifidianana ho ben’ny tanàna izao dia nilaza omaly ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida ho ben’ny tanàna,

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Tokony hiala rehefa tsy hiasa…

26/11/2019

Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Betsaka ny zavatra andrasana amin’izy ireo toy ny fandaniana ny LFI 2020, fandrafetana ireo mpikambana eo anivon’ny HCJ…

Hamaky ny tohiny...

Mba handresena ny hala-bato Hefao ny adidy, mandehana mifidy …

26/11/2019

Miantoka ny ho avy politikan’ny firenena ny fifidianana izay hotanterahina rahampitso alarobia 27 novambra. Fifidianana miisa roa izay no efa notanterahina teto, dia ny nifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antsirabe I Nametrahana PDS

26/11/2019

Notendrena ho filohan'ny delegasiona manokana (PDS) vaovao ao amin’ny kaominina Antsirabe Ranivomboahangy Lalanirina Emmanueline.

Hamaky ny tohiny...

Fanenjehana olom-panjakana ambony Ny lalàna no mbola mananosarotra

26/11/2019

Tamin’ ny volana jona 2018 no nanao fianianana ireo mpikambana eo anivon’ ny Fitsarana avo (Haute cour de justice) saingy tapitra tamin’ny 05 febroary 2019 ny fe-potoam-piasana ireo depiote nandrafitra izany ka miandry indray ireo mpikambana vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Zandarimariam-pirenena Tena mila fanadiovana tokoa

26/11/2019

Vita soa tao anaty fanarahan-dalàna sy fangaraharana ny fifaninanana ho mpianatra zandary andiany faha-75, izay natao nanerana ny nosy isaky ny faritra nandritry ny andron'ny 23 sy 24 novambra 2019.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Kandida 5 namoy ny ainy

26/11/2019

Nikatona tanteraka halina tamin’ny 12 ora ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Filohan’ny FIFA eto Madagasikara “Zava-dehibe ny baolina kitra any an-tsekoly”

26/11/2019

Eto amintsika hatramin’ny alahady 24 novambra alina teo ny filohan’ny FIFA, Atoa Gianni Infantino, hotronin’ny delegasiona miisa 10 miaraka aminy ka anisan’izany ny Sekretera jeneraliny,

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Malagasy Resy tetsy Mahamasina avokoa ny Fosa Juniors omaly

26/11/2019

Samy resy avokoa ny ekipan’ny Fosa Juniors omaly alatsinainy 25 novambra tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hambom-po diso toerana

26/11/2019

Samy nanana ny nandraisany ny resaky ny filoham-pirenena omaly hariva tamin’ny fahitalavitra ny olom-pirenena tsirairay.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fihariana sy fandraharahana Hohamoraina ny findraman’ny Malagasy vola

26/11/2019

Hiasa eto Madagasikara ny Birao manelanelana ny banky sy ny mpihindram-bola (BIC) hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy findramam-bola.

Hamaky ny tohiny...

Fandaharan’asa FEC faha-6 Famatsiam-bola sisa andrasana

26/11/2019

Nanomboka tamin’ny 11 hatramin’ny omaly 25 novambra ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahenina sady farany nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

Hamaky ny tohiny...

Tetibolam-panjakana lasitra « Nisy fomba fandrafetana vaovao »

26/11/2019

Mizara roa ny tetibolam-panjakana isaky ny minisitera raha ny voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Varotra sy fanjifana Niaka-bidy ny menaka mandry

26/11/2019

Tena mandeha ny varotra menaka eny amin’ny tsenan’Anosibe. Mahalany 40 ka hatramin’ny 60 litatra isan’andro mantsy ny mpivarotra iray rehefa tena mandeha ny tsena,

Hamaky ny tohiny...

Foara vidy varotra andiany faha-11 Tsy mandoa fidirana izay hitondra alika hanao fampisehoana

26/11/2019

Hotanterahina ny alakamisy 28 novambra haharitra efatra andro ilay Foara Vidy Varotra andiany faha-11, karakarain’ny Vondrona Vidy Varotra

Hamaky ny tohiny...

Mahavoky, Andravoahangy, Faravohitra 5 andro nisesy nijaly rano ny mponina

26/11/2019

Tao anatin’ny 5 andro dia nisedra olana tamin’ny fahatapahan-drano ny mponina teny amin’ny faritra Mahavoky, Andravoahangy, ary Faravohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fiovaovan’ny toetr’andro Tsy maintsy ampivadiana amin’ny fambolena

26/11/2019

Miha mivoatra hatrany ny fahapotehan’ny tontolo iainana kanefa tsy dia hifantohan’ny fiarahamonina.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Vono olona mampivarahontsana Nalaina ny lela, fo, aty ary betron-dohany

26/11/2019

Tranga mampivarahontsana sy mampihoron-koditra no niseho tao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Iarintsena Andranoboboaka, Distrikan’Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo.

Hamaky ny tohiny...

Taom-pambolen-kazo 2019 – 2020 Zanakazo 40.900 no efa vonona ho an’ny faritra Atsinanana

26/11/2019

Ho fiatrehana ny taom-pambolen-kazo 2019 -2020 sy ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena handrakofana ala an’i Madagasikara dia iray amin’ireo Faritra 22 nahitana ny tanin-janakazo be velarana indrindra ny tao amin’ny DREDD Atsinanana .

Hamaky ny tohiny...

Andravoahangy Tra-tehaka ireo mpanendaka amin’ny alina

26/11/2019

Andrenesana antso vonjy hatrany eo Andravoahangy ampitan’ny mpivarotra solomaso mihazo an’ny Look’s isan’alina manomboka amin’ny 9 ora alina.

Hamaky ny tohiny...

Rongony milanja 60 kilao Roalahy saron’ny polisy

26/11/2019

Rongony milanja 60 kilao, efa vita karaoty no saron’ny polisim-pirenena, tao amin’ny kaomisaria Soanierana Ivongo, ny alahady hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 05 minitra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana