Fil d'actualités du 14/01/2020

  • 14/01/2020 - 09:00 : GREVY: Manao fitokonana ary avy namoaka ny mpianatra tao amin'ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia amin'izao fotoana izao.

  • 07/01/2020 - 15:00 : FITANTERANA:Nanatanteraka fiarabana ireo Ray aman-dReny (Minisitra,SG, ary ny PCA ny ATT) tetsy amin'ny ministeran'ny fitanterana Anosy (MTTM)ireo solotena vitsivitsy avy ao amin'ny ATT notarihin'ny tale jeneraly ny Jeneraly Reribaka Jeannot noho ny fahatratrarana ny taona 2020.

  • 07/01/2020 - 14:00 : LOZAM-PIFAMOIVIZANA:Fiarabe iray tapaka isatra indray no nandona telo mianaka tetsy Ivato ny maraina teo,vokany:maty ireo Ray aman-dReny tsy hataorana kosa ilay zaza.

  • 07/01/2020 - 11:30 : SOAVINANDRIANA ITASY:Raikitra ny ady tany eo amin'ny tantsaha sy ny ministra teo aloha George Ruphin,manao antso avo ireo vahoaka iharan'ny tsindry azo lena,hiakatra fitsarana ny 22 Janoary ho avy izao ny raharaha.

  • 07/01/2020 - 11:00 : ANTSOHIHY:Ho tanterahina rahampitso 08 janoary ny lanona famindram-pibaikoana ao amin'ny tobimpileovana sofia . Lieutenant col Haja Rakotonirina no komandin'ny vondron-tobimpileovana vaovao ao amin'ny faritra sofia izay hisolo an'i Lieutenant col Poely Florent izay komandin'ny fileovana sofia taloha .Hanomboka amin'ny 09 ora maraina ny lanona eo amin'ny "rond point" mba hahitan'ny be sy ny maro ny lanona sy hafantarana fa miova ny fibaikoana ao amin'ny vondron-tobimpileovana sofia .

  • 07/01/2020 - 10:45 : FANAMBARANA AVY AMIN'NY GOVERNEMANTA:Hisy ny fanadihadiana mikasika ny savorovoro fizarana "panier garnie"mitentina 65 000Ar ho an'ireo mpiasam-panjakana anivon'ny Ministeran'ny fanabezam-pirenena.Andray andraikiny noho izany ny IGE(Inspection Générale de l'Etat) mba hafatarana izay tompon'andraikitra nahatonga ny savorovoro.

  • 07/01/2020 - 10:00 : ANJOZOROBE:Vehivavy telo sy lehilahy dimy. Ireo hatreto no olona nosamborin’ny mpitandro filaminana tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny taorian’ilay famonoana zandary nitranga tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, iray andro talohan’ny krismasy teo. Misy amin'ireo ny nandray ajara nivantana tamin'ny fanafihana ary ny hafa kosa dia ny niray tsikombakomba.

  • 07/01/2020 - 08:45 : FILAZANA:Misy rangahy lehibe iray sahabo eo amin'ny 68 taona eo maty tampoka ao amin'ny gare routiere Andohatapenaka amin'izao fotoana izao, raha ny vaovao voaray dia avy any Diego izy,ka tsy misy mahalala ny fianakaviany.

  • 06/01/2020 - 15:00 : FIFIDIANANA KAOMINALY:Hivoaka amin’ny zoma 10 jaonary 2020 ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina natao tamin’ny 27 novambra 2019 ho an’ny Faritanin’Antananarivo.

  • 06/01/2020 - 14:30 : ANKORONDRANO:Fiangonana pentekotista etsy ankorondrano narodana androany maraina. Miantso vonjy izy ireo amin'ny tsindrihazolena mahazo ataona orinasa sinoa mpamokatra toaka mifanila amin'izy ireo.

Voir plus d'infos...

17/01/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191203

Misongadina

Rajoelina sy Rakotovao Ady tsy mety vita

03/12/2019

Nahena 5 miliara ariary eo ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, raha niainga tany amin’ny 50 na 40 miliara ariary no najotson’ny fanjakana Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay”

03/12/2019

Rehefa jerena ny lisitra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny lisitra tonga tamin’ny 27 novambra, dia misy elanelany be.

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tao Anosizato Andrefana Ny sefo fokontany no fositra hoy ireo delege

03/12/2019

Nivondrona nanao fanambarana ireo Delegen’ny Birao fandatsaham-bato teny Anosizato Andrefana ny Sabotsy lasa teo. Maro loatra hoy izy ireo ny hosoka sy ny teritery nataon’ny Sefo fokontany teny nandritra iny fifidianana ben’ny tanàna lasa teo iny.

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason Miantso ny mpitsara hihaino ny feon`ny fieritreretany

03/12/2019

Ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) dia eo am-panangonana ireo porofo maro isan-karazany izay mitory tsy fanarahan-dalàna nataon`ireo mpikirakira fifidianana sy mpitantana fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Governoram-paritra Lasa niofana any Sina

03/12/2019

Nanomboka omaly alatsinainy 02 desambra hatramin’ny alahady 15 desambra izao dia any Sina ny ankamaroan’ny governoram-paritra manatrika fiofanana mikasika ny fitantanana sy fanamafisana ny vondrom-bahoakam-paritra.

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara “Mbola lavitra ny lalan-kaleha”

03/12/2019

Nampalahelo ny havitsian’ny olona tonga nifidy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mikatso ny famoahana “Permis biométrique” Vola tsy voaloa sa milina simba no olana ?

03/12/2019

Miato efa ho herinandro mahery izao ny fanaovana ny “ Permis biométrique” sy taratasin’ny fiarakodia eny Ambohidahy, izay lazaina fa olana teknika amin’ny milina no antony.

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Afrikanina Tatsimo “Tokony haka lesona ny mpitondra…”

03/12/2019

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao,

Hamaky ny tohiny...

Depiote any am-ponja Mandeha ny tsindry hamoahana azy ireo

03/12/2019

Raharaha vono olona no nanenjehana ny depiote Raveloson Ludovic Adrien dit Leva Sydney sy olona 3 hafa ka nampidirana azy am-ponja ny 24 aprily 2019.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ballon d’or 2019 Nobatain’i Lionel Messi ny amboara

03/12/2019

Nivoaka omaly ny lisitry ny fifaninanana Ballon d’or 2019 nokarakarain’ny gazety boky France Foot-ball nanasokajiana ireo mpilalao 30 mendrika indrindra manerantany.

Hamaky ny tohiny...

Volley-ball – Open de Madagascar U 23 sy vétérans Teny Cité Itaosy no natao ny andro voalohany

03/12/2019

Nanomboka tamin’ny alahady 01 desambra 2019 teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 08 desambra izao ny fifaninanana volley-ball “Open de Madagascar U 23 sy Vétérans. Ekipa 6 avy amin’ny ligy 4 no mandray anjara ao amin’ny sokajy U 23 vehivavy :

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsisy mafy be izany eto!

03/12/2019

Mafampana hatrany ny toe-draharaha politika. Manao randra-tarihina ny kazarana lonilony nateraky ny fifidianana, izay maro no mahatsapa fa lasibatry ny kilalao maloto ara-politika.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanomezana vahana ny asa fikarohana Misy fiantraikany amin’ny toekarena

03/12/2019

Niditra amin’ny andiany faha-5 ny hetsika fampirantiana ny asa fikarohana na ny Salon de la Recherche au service de l’Economie et de l’Emploi (SREE) izay haharitra 2 andro.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanjarian-tsakafo Ambony ny taha any ambanivohitra

03/12/2019

Nanamafy ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo ONN fa ady maro lafy no atao aminy iarahana amin’ireo sampana samihafa toy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny hanoanana Laharana 116 i Madagasikara

03/12/2019

Lah. 116 amin`ireo firenena 119 i Madagasikara manoloana ny ady amin`ny hanoanana, araka ny tatitra nataon`ny Global Hunger Index (GHI).

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ranom-boankazo, labiera, sigara Hisondro-bidy avokoa

03/12/2019

Nakarina ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (droit d’accise na DA) amin’ireo entana fanjifa tahaka ny ranom-boankazo, ny labiera ary ny sigara.

Hamaky ny tohiny...

Analakely Tsy hita popoka ilay tovovavy nandeha nivalan-drano

03/12/2019

Tovovavy efa 18 taona i Ando Maya, efa manana fofombady. Nanjavona tsy niverina intsony tao amin’ny efitrano fandraisany olona

Hamaky ny tohiny...

Antanimena Teraka teny an-tsisin’arabe ilay Ramatoa

03/12/2019

Samy manana ny anjarany ny olombelona tsirairay. Misy vao teraka dia efa any amin’ireny toeram-pitsaboana tsy miankina handoavana volabe ireny, misy koa ireo teraka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka toy ity nitranga teny Antanimena omaly tolakandro ity.

Hamaky ny tohiny...

Toetr’andro Mananontanona ny rivodoza

03/12/2019

Nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona niforona tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy raha ny vaovao azo omaly atoandro.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy Zandary 40 no nanaovana fanentanana

03/12/2019

Ny 30 %-n’ ireo vehivavy 13 ka hatramin’ny 49 taona no efa niaina herisetra eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

03/12/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahery vaika indray tao Andranonahoatra-Antsirabe ny alahady 01 desambra 2019 lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro nahery kely.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa «QUICK WIN» Antananarivo Hampikorisa ny fitaterana ankatoky ny fety ny polisy

03/12/2019

Tonga nihaona tamin’ny mpanao gazety izay notanterahina teo Analakely,

Hamaky ny tohiny...

Ambovombe Androy sy Amboasary Atsimo Nampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana

03/12/2019

Noraisin’ny Fiadidian’ny Zandary ny fepetra ifehezana ny sisin-tany ifandraisan'ny distrikan'Ambovombe amin'ny distrikan'Amboasary Atsimo, izay kizo ivezivezen’ny omby halatra hifanakalozan’ireo distrika ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana