Fil d'actualités du 01/04/2020

  • 01/04/2020 - 10:00 : PAPE DIOUF: Nodimandry i Pape Diouf, Filohan'ny Klioba Frantsay Olympique de Marseille teo aloha, araka ny fanamafisana nataon'ny Fahitalavi-panjakana Senegalais RTS. Tratry ny coronavirus izy.

  • 01/04/2020 - 09:30 : ANDRAVOAHANGY: Mifanaretsaka ny mpiantsena sy ny mpivarotra amin'izao satria tsena eny an-toerana. Tsy voahaja ny fihibohana sy elanelana 1 metatra.

  • 01/04/2020 - 08:30 : MAHAJANGA: Ho avy any an-toerana ny Praiminisitra anio, ary hihaona amin'ireo mpikambana ao anatin'ny CCO Covid-19 any an-toerana.

  • 01/04/2020 - 08:00 : COVID 19: Mbola hamarinina eny amin'ny Institut Pasteur ny fitiliana an'ireo olona 7 voalaza fa tratry ny covid-19 araka ny valin'ny "Test Rapide". 50 ireo olona efa voamarina fa voa hatreto.

  • 31/03/2020 - 11:00 : IVANDRY: Tsy mety miala eo amin'ny biraon'ny fokontany ireo zokiolona. Misy resaka milaza fa 35 isaky ny fokontany ihany no mahazo fanampiana. Misavorovo ny sain'ny olona.

  • 31/03/2020 - 09:30 : COVID-19: Haverina hatao fitiliana maika avokoa ireo rehetra nahavita fihibohana 14 andro taorian’ny fahatongavany avy any ivelany, mialohan'ny hiverenany eny amin'ny fiarahamonina.

  • 31/03/2020 - 09:00 : FANAMPIANA ARA-TSOSIALY: Raha teo amin’ny 10 400 no isan'ny zokiolona noheverina hisitraka ny tetikasa vonjy Tsinjo ho fampiharana ny Drafitra sosialy dia nampitomboana ho 24 000 ny tokantrano hisitraka izany fanampiana izany ho an'Antananarivo sy Toamasina, hoy ny Filoha. Tsy mirindra sy mikorontana ny fitsinjarana.

  • 31/03/2020 - 08:45 : FANAMPIANA HO AN'NY MPITATITRA: Ny "message" na hafatra avy amin'ny kaominina miantso ny mpamily haka ny anjarany ihany no manan-kery, araka ny fanambaran'ny lefitry ny ben'ny tanànan'Antananarivo Mamy Rajohnson.

  • 31/03/2020 - 08:20 : FRANCE: 418 no maty tao anatin'ny 24ora. Tafiakatra 3024 ny maty rehetra.

  • 31/03/2020 - 08:00 : ANGLETERRE: Sitrana ary efa tsy mitoka-monina izay voamarina ny 25 martsa fa tratry ny covid-19.

Voir plus d'infos...

01/04/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200324

Misongadina

Coronavirus 17 ireo voa, 15 hafa “wanted”

24/03/2020

Misy olona 5 vaovao voamarika fa mitondra ny valan’aretina, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Olona 17 izany no mitondra izany amin’izao fotoana iza, ary arahi-maso akaiky ny fitsaboana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fisorohana ny Covid 19 1253 mitoka-monina

24/03/2020

Ny 112 tamin’ireo mpandeha 145 tamin’ny sidin’ny Air Madagascar MD 51 ny 19 martsa no tratra antso tamin’ny fiantsoana nataon’ny manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

24/03/2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny karaman'izy ireo tsy mbola voaloa tamin'ny zoma lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Navoaka ny fiara mifono vy

24/03/2020

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny MBC Ivato ny « Centre de commandement operationnel » hoenti-mifehy sy miatrika ny areti-mandripaka coronavirus na

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery manerana ny Nosy Miara-manonja avokoa

24/03/2020

Tsy maintsy miara-manonja avokoa ny haino aman-jery rehetra manerana ny Nosy, raha ny toromariky ny fanjakana, izay nohamafisin’ny Tale

Hamaky ny tohiny...

Ankorondrano Nisy mpivarotra gazety nosamborin’ny polisy

24/03/2020

Nisy mpizara gazety na “crieur” nosamborin’ny polisim-pirenena omaly teny Ankorondrano omaly. Niantso ny Polisin’ny SUT Tsaralalana noho izany ny Filohan’ny Holafitra na ny OJM Atoa Gérard Rakotonirina.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Lalao Olimpika Tokyo 2020 Tsy handefa atleta i Canada

24/03/2020

Tsy handefa atleta handray anjara amin'ny lalao olimpika hatao any Tokyo Japon amin'ity taona 2020 ity ny firenena Kanadiana araka ny fanambarana nataon'ny COC "Comité Olympique Canadien" sy ny CPC

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fifaterana any Ambatondrazaka Miha gaboraraka tanteraka

24/03/2020

Goragora tanteraka ny fifampifehezana eo amin’ny lalànan’ny fifamoivoizana amin’ireo fitaterana any Ambatondrazaka. Miha mahazo

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fiatrehana ny COVID19 “Ilaina ny fanazavan-tsaina”

24/03/2020

Mazava ny nambaran’ny filoham-pirenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny faribolam-pandinihana miozolimanina, Moussa Soalihy, raha naneho ny heviny mikasika ny fihanaky ny valan’aretina COVID19 eto Madagasikara ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

24/03/2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

24/03/2020

Toa hita tsy taitra ihany ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny aretina malaza sy mandringana eran-tany coronavirus. Vao maraina dia maro be no nirodorodo mbola nivoaka hitady vola na dia tsy nisy aza ireo taxibe nifamezivezena.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tsena mora Niteraka fitangoronana be

24/03/2020

Isan’ny fepetra noraisin’ny fanjakana hoenti-mitsinjo ny vahoaka eo anatrehan’ny olana nateraky ny fanapahan-kevitra momba ny coronavirus ny fanaovana “Tsena mora”.

Hamaky ny tohiny...

Taxi-be Mbola nisy ihany ireo mafy loha

24/03/2020

Na dia efa voarara tsy hiasa aza ireo karazam-pitateram-bahoaka eto Antananarivo renivohitra dia tsikaritra mbola nisy nanohy izay asany an-davan’andro izay ihany ireo fiara mpitatitra eto an-drenivohitra ny 23 martsa 2020 teo.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Hajanona avokoa ny tsena isan-kerinandro

24/03/2020

Anisan’ny lalana iray hahafahana mandresy ny otrik’aretina Coronavirus ny fanajana ny fahadiovana.

Hamaky ny tohiny...

Fiveloman’ny madinika Mitohy ny fiainana

24/03/2020

Mitohy ny fiainana ho an’ireo gasy madinika na dia efa voarara aza hatramin’ny omaly fa tsy misy mahazo mivoaka ny trano intsony ny rehetra ary olona iray ihany no mandeha miantsena. Toy ny isan’andro ihany anefa no hita teny amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra toy ny eny amin’ny 67 ha, ambodin’Isotry, Anosibe….

Hamaky ny tohiny...

JIRAMA 67 HA Filaharam-be ny fandoavan-jiro, nisy fitakiana CIN

24/03/2020

Na dia efa voarara tsy azo natao intsony aza nanomboka omaly Alatsinainy 23 Septambra ny fivoahana ny trano sy ny fivorivoriana dia mbola vahoaka be ihany no tonga nilahatra nandoa jiro

Hamaky ny tohiny...

Fandrobana sekoly Lehilahy iray no tratra ambodiomby

24/03/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny mpiasan'ny ANS ary natolotra ny polisim-pirenena ao amin'ny CSP1 Analakely ny alakamisy 19 martsa teo noho ny resaka halatra.

Hamaky ny tohiny...

Laharana maitson’ny Coronavirus 23.000 isan’andro ny antso voaray

24/03/2020

Taorian’ny nahafantarana fa efa mahatratra 12 ireo olona voan’ny coronavirus eto amintsika dia nanao tohivakana ny antso voarain’ilay laharana maitso 910.

Hamaky ny tohiny...

Fréquence plus tv sy startimes Hiara-hiasa akaiky

24/03/2020

Amin’izao fotoana izao dia efa saika tomombana avokoa ny lafiny ara-teknika rehetra ao amin'ny Fréquence Plus TV. Efa hita ao ireo fandaharana maro toy ny Kalaza sy Akory Aby. Araka ny nambaran'ny tompon'andraikitry ny vondrona Radio Fréquence Plus dia efa manomboka mivelatra araka ny fivoaran'ny teknolojia ihany koa ny fandaharana vokarin'izy ireo ankehitriny ary mandray ny artista rehetra manana sangan’asa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana