Fil d'actualités du 30/05/2020

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

  • 13/05/2020 - 19:00 : LAMA: Maty noho ny ratra nahazo azy i Norbert Ramandiamanana na Lama izay tratra teny Analamahitsy ny maraina teo. Voatifitra teo amin'ny foto-peny izy.

Voir plus d'infos...

02/06/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200408

Misongadina

88 no voan’ny Coronavirus Marary vaovao 6 tao anatin’ny roa andro

08/04/2020

Niakatra ho 88 ireo voamarina fa voan’ny coronavirus eto Madagasikara. Ny 54 amin’ireo dia avy any ivelany na “cas importé”, ary efa 34 kosa ireo tsy nivoaka teto,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Federasiona Malagasin'ny Basikety Aleo hajaina ny fihibohana

08/04/2020

Nanamarika ny 06 aprily andro maneran-tany ho an'ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana i Madagasikara tamin'ny alalan'ny fanentanan'ny FMBB

Hamaky ny tohiny...

Edito

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fanomezan-dalana hody Tsy nifankahazo ny resaka

08/04/2020

Hita fa tena feno olona be indray teny amin’ny gara Andohatapenaka omaly, tsy voahaja ny elanelana iray metatra.

Hamaky ny tohiny...

Zotra nasionaly Niakatra avo roa heny ny saran-dalana

08/04/2020

Ankoatry ny fiandrasana ora maro, tsy maintsy mbola niatrika ny fidangan’ny saran-dalana ihany koa ireo olona namonjy fodiana ho an’ny faritany nanomboka omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Minisitry ny Fanabeazana “Hampiana ny mpianatra, ho tohanana ny mpampianatra”

08/04/2020

Tsy misy taona fotsy .Nanamafy izany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana Josoa, nandritra ny lahateniny omaly teny amin` ny CCO COVID-19 Ivato omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Andrana amin’ny vaksinin’ny Coronavirus Mbola tsy miditra amin’izany i Madagasikara

08/04/2020

Niteraka resabe ny mikasika ny vaksiny hiadiavana amin’ny Coronavirus, ka ao anatin’izany ilay hoe aty Afrika no hanaovana fanandramana voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Arovava Hampianarina ny olon-drehetra ny fanamboarana azy

08/04/2020

Na dia ireo firenen-dehibe nandalovan’ilay tsimok’aretina coronavirus aza dia tsy nahavita nizara maimaim-poana arovava ho an’ireo olona rehetra ao aminy.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

08/04/2020

Mitombo isa hatrany ny tsy an’asa eto amintsika. Ho an’ny orinasa afaka haba dia efa nanomboka tamin’ny volana Janoary lasa teo izy ireny no nanala mpiasa tsikelikely noho ny tsy fisian’ireo akora fototra hafarana avy any ivelany hampiasainy

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

08/04/2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpivarotra kiraro fripy amin’izao fotoana izao nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Tsy kely lalana ny ratsy Efa misy mpanendaka ireo mahazo Vatsy Tsinjo koa

08/04/2020

Amin ny toerana maro misy ny fizarana fanomezana Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondrana dia misy ireo tovolahy manao andiany manaraka ny olona nahazo.

Hamaky ny tohiny...

Anosipatrana Nizara fanomezana ny loharano

08/04/2020

Nizara fanomezana ny omaly 07.04.20 ny loharano. Vary 6 kilao,menaka litatra,tsiasisa 8kp,savony 1,sira1,siramamy atsasakilao,vovo dronono soja

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany

08/04/2020

Tafiakatra 80 000 ny olona maty Miisa 1 407 123 ny olona tratry ny coronavirus maneran-tany, raha ny isa azo omaly alina tamin’ny 10 ora sy sasany.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan` ny Sinoa-Malagasy Kinga amin’ny fizarana fanampiana

08/04/2020

Nanolotra fanomezana iatrehana ny COVID-19 ny fikambanan` ny Sinoa-Malagasy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fianarantsoa, Toamasina, Ambatomanga Samy narahi-maso akaiky, hoy ny Minisitry fahasalamana

08/04/2020

Fanaraha-maso ny marary, fanairana, miasa, mandray an-tànana ireo marary. Tanjona ny hitiliana malaky ny tsimokaretina, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad raha nanontaniana momba ny paikady hiatrehana ny coronavirus.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus teny Ampitatafika Mbola tsy fantatra marina izay toerana nisy ilay marary

08/04/2020

Nitondra fanazavana mahakasika ilay toerana nahitana ilay olona voalaza fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus omaly ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Atoa Rado Ramparaoelina.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID-19 Nanome tolo-kevitra fohy sady mazava ny HVM

08/04/2020

Napetraka ny fepetra momba ny fihibohana na “confinement” nefa fitangoronana no nateraky ny fitsinjarana vatsy sy tsena mora,

Hamaky ny tohiny...

Fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Maika ny fampihenana ny isan’ireo migadra

08/04/2020

Tsy tokony hitaredretra intsony ny governemanta Malagasy ny amin’ny fampihenana faran’izay haingana ireo Malagasy anya m-ponja hisorohana ny fihanaky ny aretina Corona virus hoy ny fanambarana nataon’ny Amnesty International.

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Hatao "mise en quarantaine" ireo olona mody

08/04/2020

Taorian'ny nanambaran'ny filoham-pirenena tamin'ny alahady alina teo ny hanohizana 15 andro imdray ny fihibohana eto amintsika sy namoahany ny fanapahan-kevitra ny hamelana an'ireo olona mipetraka sy miasa any amin’ireo

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid-19 Mila atao mangarahara kokoa

08/04/2020

Amin’izao fandalovana anaty krizy lalina izao no hitarafana ho hatraiza ny fahaiza-manaon’ny fitondram-panjakana ?

Hamaky ny tohiny...

Dr Berija Ravelomanantsoa “Misy mamitaka ny filoham-pirenena”

08/04/2020

Henontsika fa misy ny atao hoe TDR, izay fitsapana atao ao anaty 15 minitra. Alaina ny ra dia jerena ao ny hery fiarovana.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Jean Michel Henri « Fahendrena ny fanitarana ny fihibohana”

08/04/2020

Mankatoa tanteraka ny fanapahan-kevitra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny depiote Jean Michel Henri amin` ny fanitarana 15 andro ny fihibohana eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa. « Fahendrena izany.

Hamaky ny tohiny...

EPP AMBATOMANGA Tsy nisy voan’ny Coronavirus ireo mpianatra 50 notiliana

08/04/2020

Efa vita fitiliana avokoa ny 50 isa tamin’ireo mpianatra miisa 104 manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana