Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

04/06/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200424

Misongadina

IMRA Avarabohitra Ordinatera iray nisy nangalatra

24/04/2020

Solosaina iray no fantatra fa nisy nangalatra tao amin’ny foiben-toeran’ny IMRA eny Avarabohitra Itaosy. Sendra nivoaka kely fotsiny ilay mpiasa raha ny loharanom-baovao no nisy nanararaotra nibata izany.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Finoana Mbola hikatona ny fiangonana Katolika

24/04/2020

Raha nilaza ny eo anivon’ny Fiangonana FJKM fa hiverina hisokatra ny fiangonana fa kosa arahina fepetra dia ny fanajana ny lamina napetraky ny fanjakana, dia mitohy kosa ny fikatonan’ny Fiangonana Katolika na ny EKAR rehetra manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Yann Davidson Vezo - Baskety Mamporisika ny tanora hiasa mafy hatrany

24/04/2020

Anisan’ny mpitsara basikety Malagasy nahazo ny “certification” iraisam-pirenena ahafahana mitsara ny lalao basket 5x5 sy basket 3x3 i Yann Davidson Vezo 31 taona ka avy amin’ny resadresaka nifanaovan’ny MA (Morondava Autrement)

Hamaky ny tohiny...

Edito

Very fanahy mbola velona

24/04/2020

Very fanahy mbola velona ankehitriny ny valalabemandry manoloanana resaka tambavy. Miha mitombo andro aman’andro ny ahiahy ho an’ireo mitohy manadihady.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitaterana ana habakabaka Hiverina tsikelikely afaka 10 andro

24/04/2020

Araka ny loharanom-baovao azo, dia hanomboka hiverina tsikelikely ireo sidina an’habakabaka mivoaka sy miditra an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fiara tsy manaja fepetra Anjaran’ny mpitandro filaminana no mampiatra sazy

24/04/2020

Nomarihan’ny tale jeneraly misahana ny fitaterana an-tanety, ny jeneraly Jeannot Reribaky, hatrany omaly fa manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro ireo fiara fitateram-bahoaka no mahazo miasa.

Hamaky ny tohiny...

Fampiakarana saran-dalana any Itasy Arahina maso akaiky ireo fiara fitateram-bahoaka

24/04/2020

Araka ny toromarika voaray tamin'ny ATT dia namafisina ny fandaminana momba ireo fiara fitateram-bahoaka mampifandray ny faritra Itasy sy Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Taxi an'Antananarivo Mangataka hiasa hatramin’ny 3ora tolakandro

24/04/2020

Mangataka ny hanitarana ny fotoana hahafahany miasa hatramin’ny 3 ora tolakandro tahaka ny taksibe ireo mpamily fiarakaretsaka amin’izao fotoana izao eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Banky BNI Nanemotra 3 volana ny famerenam-bola ho an’ireo mpanjifany

24/04/2020

Miara-mientana amin’ny Malagasy rehetra, indrindra fa ireo mpanjifany ny banky BNI Madagascar amin’izao fotoanan’ny hamehana ateraky ny fiparitahan’ny COVID 19 eto amintsika izao.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Antohomadinika Ankizy tsy ampy taona roa tratra nanendaka

24/04/2020

Ankizy roa vao 16 sy 17 taona monja no tratran’ny polisy saika hanendaka tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe etsy Antohomadinika ny alarobia lasa teo, toerana izay marihina fa mahavaivay tokoa.

Hamaky ny tohiny...

ISOTRY Tratra teo am-panosehana moto halatra ilay lehilahy

24/04/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin'ny CSP4 Isotry ny alakamisy 23 aprily teo noho ny resaka halatra moto.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Maneran-tany 65 155 indray voa omaly, 5033 indray maty

24/04/2020

2 700 871 raha kely indrindra no voa maneran-tany, ka ny 65 155 dia tao anatin’ny 24ora farany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Orinasa afaka haba Mpiasa 150 000 tsy ho voaloa ny karama…

24/04/2020

Na efa miroso amin’ny fanatsaharana ny fihibohana aza tsy mbola misy fiantraikany amin’ny orinasa afaka haba izany, hoy Atoa Hery Lanto Rakotoarisoa Filohan’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires).

Hamaky ny tohiny...

Herisetra mahazo ny zaza amam-behivavy Eny Anosy, Tsaralalana , Tanjombato no hametrahana fitoriana

24/04/2020

Niha nahazo vahana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy tato ho ato. Miseho amin’ny endrika maro izy ireny toy ny fampijaliana, ny tsy fanomezana sakafo…

Hamaky ny tohiny...

Akanjo fripy 500 Ariary dia efa mitafy

24/04/2020

Maraina ihany no tena tsena hoy ireo mpivarotra ! Tsy maintsy hatao izay hahalafosana mba tsy handry fotsy hoy Tiana, mpivarotra friperie.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Coronavirus 58 amin'ny 121 no sitrana hatreto

24/04/2020

Tsy nisy nahitana tranga vaovao ireo olona nakana singa hanaovana fitiliana hatramin’ny omaly 12 ora atoandro, ka mijanona ho 121 ny voa hatramin’izay, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tao Fianarantsoa Miaramila iray no vaky loha

24/04/2020

Miaramila iray no naratra mafy teo amin'ny lohany omaly tolakandro tokony ho tamin'ny 3 ora sasany tany ho any.

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fitaovana ho ana mponina 8 tapitrisa no ilaina

24/04/2020

Hiaraha-mahalala ny maha-zava-dehibe ny fanasan-tanàna amin’ny savony, indrindra amin’izao ady ho fisorohana ny valan’aretina COVID-19izao.

Hamaky ny tohiny...

Fanerena hisotro tambavy Mifanohitra amin'ny lalàmpanorenana

24/04/2020

Tenin’ny Filoham-pirenena ny hoe tsy maintsy misotro ilay tambavy covid organics ny mpianatra miverina an-tsekoly, ary ajanony any an-trano rehefa tsy ampisotroina.

Hamaky ny tohiny...

Tsena isaky ny alakamisy Noravana ny teny Anosy sy Mahamasina

24/04/2020

Maro ny mpivarotra teny amin’ny tsenan’Alakamisy manodidina an’Anosy sy Mahamasina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fifaninanana "ady amin’ny Covid-19" Handray anjara i Madagasikara

24/04/2020

Isan’ireo firenena 60 handray anjara amin’ny fifaninanana momba ny ady amin’ny coronavirus i Madagasikara ny 24-26 aprily.

Hamaky ny tohiny...

Toetr'andro mangatsiaka "Tena hampahazo vahana ny coronavirus"

24/04/2020

Misy ifandraisany tokoa ny toetr’andro sy ny fahasalamana, hoy ny Dr Razafindramavo Lalao Madeleine ekipa teknika avy amin’ny Sampandraharaha fahasalamana sy tontolo iainana .

Hamaky ny tohiny...

Filohan'i RD Congo Niarahaba manokana ny filoha Rajoelina

24/04/2020

ilaza ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina fa niarahaba an’i Madagasikara noho ny fahitana ny fanafody nentim-paharazana hiadiana amin’ny covid-19 ny Filohan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo Félix Tshisekedi.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy any ivelany 8 ireo tratry ny coronavirus, 3 namoy ny ainy

24/04/2020

Malagasy miisa 8 no marary any ivelany amin’izao fotoana izao, dia any Togo, Sénégal, France, Chine, Suisse,… no misy azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana sy fitsaboana Ahiana hatrany ny trangana kolikoly

24/04/2020

Nanentana ny rehetra ny ny Transparency International Initiative International (TI-IM) hitoroka ireo izay manao kolikoly mandritra ny fizarana fanampiana na fitsaboana momba ny covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mahasoroka ny covid-19 ,tsisy voka-dratsy ny tambavy”

24/04/2020

Raha fisorohana ho an’ny ankizy dia 33cl indray mandeha isan’andro, ary in-telo ao anatin’ny herinandro ihany no misotro ho an’ny zaza.

Hamaky ny tohiny...

Fatran` ny CVO Mila serasera matotra kokoa

24/04/2020

Sesilany ny fanehoan-kevitra teny amin` ny fiarahamonina noho ny tsy fifehezan` ireo ekipa mizara ny COV Organics (CVO) indrindra eny amin` ny fokontany.

Hamaky ny tohiny...

Fihibohana Manova olona

24/04/2020

Nandritra ny fihibohana dia maro ireo olona nanova fitafy na “look”. Tao ireo nanalava volon-doha sy volom-bava.

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina Tokony hazavaina bebe kokoa ny tambavy CVO

24/04/2020

Niteraka resabe teto amin’ny firenena tamin’ity herinandro ity ny fahaterahan’ilay tambavy CVO na ny Covid Organics izay fanefitry ny tsimok’aretina coronavirus vokarin’ny IMRA.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Nizara Covid-Organics teto Antanananarivo

24/04/2020

Fifandrimbonan'ny samy ministera amin'ny ady amin'ny Covid 19, ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia nanatontosa fizarana aro vava

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana