Fil d'actualités du 30/05/2020

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

  • 13/05/2020 - 19:00 : LAMA: Maty noho ny ratra nahazo azy i Norbert Ramandiamanana na Lama izay tratra teny Analamahitsy ny maraina teo. Voatifitra teo amin'ny foto-peny izy.

Voir plus d'infos...

29/05/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200509

Misongadina

Institut Pasteur de Madagascar Tsy atokisan’ny fanjakana intsony ?

09/05/2020

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny Fiohan’ny Repoblika, ka tsy maintsy misy ny fepetra raisina manoloana ny tarehimarika miteraka savorovoro, hoy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalatiana Andriatongarivo " Maro be ireo tsindry iainan'ny governemanta ..."

09/05/2020

Namaly bontana manoloana ny serasera avy any ivelany toy ny an’ny CEDEAO ny minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo.

Hamaky ny tohiny...

Manahy ny HVM Miteraka savorovoro ny tsy fahampian` ny fepetra

09/05/2020

Miteraka ary hiteraka savorovoro ny tsy fanomezana fanazavana momba ny fahafahana manao fitiliana faobe na tsia avy amin`ny fitondram-panjakana, hoy ny antoko HVM.

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Fotoana tokony hitezerana amin'ny vahoaka ve izao?

09/05/2020

Raha ny zava-mitranga teny amin`ny fiarahamonina taorian` ny nahitàna sy nampalaza ny tambavy CVO no nivaha tsikelikely ny fitandremana teo amin`ny tsirairay.

Hamaky ny tohiny...

Herinandron` i Eoropa Notanterahina tamin`ny alalan` ny aterineto

09/05/2020

Tamin` ity taona ity, noho ny valanaretina Coronavirus, ary ho fanajàna ireo fepetra noraisin` ny fanjakana, dia nofoanana ireo hetsika fankalazana ny Herinandron`i Eoropa eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Roland Ratsiraka “Ampitomboy ny fitiliana, ajanony ny fihibohana"

09/05/2020

Namaivay ny tsikera nomen’ny depioten’i Toamasina I, Roland Ratsiraka, ny fitondram-panjakana nandritry ny fandraisam-pitenenany tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Ihosy Nosoloina ilay “gardien chef” tao amin’ny fonja

09/05/2020

Fantara izao, avy amin’ny fampitam-baovaoa avy any an-toerana, fa efa nosoloina vaovao ny lehiben’ny fandraharahana ny fonja “gadien chef” ao amin’ny fonjan’

Hamaky ny tohiny...

Sport

Razafindrakoto Fidy na i Besetroka Niova taranja tanteraka

09/05/2020

Niova taranja ara-bakiteny na eo amin’ny fiangaliana taranja ara-panatanjahantena na eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika ny CT teo aloha, Razafindrakoto Fidy Mamy Helison na i Besetroka ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Famadihana zava-maniry ho fanafody Misy fepetra 3 tsy maintsy arahina

09/05/2020

Nohazavain’ny Pr Rafatro Herintsoa, misy fepetra telo tsy maintsy voahaja raha toa ka te hamadika zava-maniry ho lasa fanafody araka ny lalana iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly manara-penitra ao Toamasina Tsy ampy ny respirateur hamonjena ireo marary

09/05/2020

Mbola tsy manana ilay fiara 4x4 toy ny hitantsika eto an-drenivohitra misy ilay soratra COVID 19 ireny ny foibem-pibaikoana na ny CCO ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka raha araka ny fantatra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fetison Rakoto Andrianirina Atsangano ny vaomiera ara-toekarena sy sosialy

09/05/2020

Amin’ny alalan’ny fakan-kevitra mivelatra no itondran’ny tsirairay ny anjara birikiny hoenti-manarina ny toekarana sy ny sosialy aorian’ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Banky Foiben’i Madagasikara Hamoraina ny famatsiam-bolan’ireo orinasa

09/05/2020

Niompana tamin’ny voka-dratsy ara-toekarena ateraky ny valan’aretina COVID-19 ny fivorian’ny Komity ara-bola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

American School Tsy miverina an-dakilasy intsony ny mpianatra

09/05/2020

Ho amin` ity taom-pampianarana 2019-2020 ity dia nanapa-kevitra ireo tompon'andraikitra eo anivon` ny American School of Antananarivo (ASA) fa tsy miditra an-dakilasy intsony ny mpianatra mandrapaha-tapitra ny taom-pianarana.

Hamaky ny tohiny...

Sekolim-panjakana Tsy nianatra ny mpianatra fa nozaraina fanampiana

09/05/2020

Saika tsy nianatra avokoa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana omaly zoma.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo

09/05/2020

Na mbola ady tsy fanta-piafarana aza hatreto ny resaka Coronavirus, dia efa manomboka mifantoka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena afaka enim-bolana ny any Etazonia firenena isan’ny be matin’io valanaretina io.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fokontany Anatahizo II Fianakaviana 3200 nozaraina savony sy arotava

09/05/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona mararin’ny coronavirus eto amintsika. Ankoatra ny olon-dehibe dia maro ihany koa ireo ankizy lasibatra, antony nanosika ny Association Ahmadiyya Musulmane de Madagascar hijery manokana ireo

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Olona 25.000 amin’ireo 300.000 no mba nahazo fanampiana

09/05/2020

Vao 25.000 monja ireo olona nahazo fanampiana avy tamin’ny fanjakana hatreto ho an’i Toamasina raha mahatratra 300.000 isa ireo ny mponina any an-toerana hoy ny solombavambahoaka voafidy ao Toamasina I Roland Ratsiraka omaly

Hamaky ny tohiny...

Tsy fitandremana sa mosavy ? Nisy lame tao anatin'ilay mofo dibera

09/05/2020

Mpanjifa mofo dipaina voahosotra dibera iray omaly maraina no namoaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook fa nisy lame tao anatin’ilay mofo novidiany tranga niseho tany amin’ny distrikan’i Nosy Be.

Hamaky ny tohiny...

Tsenan` Antarandolo- Fianarantsoa Hahazaka mpivarotra 400 isa

09/05/2020

Nidina nijery ifotony ny asa fanamboarana ny tsenan` i Antarandolo ao Fianarantsoa ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaraham-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa.

Hamaky ny tohiny...

Fampidirana jiro sy rano Tsy maintsy voaloha ny hetran-trano vao mety

09/05/2020

Betsaka ireo olona tsy manao ho laharam-pahamehana ny fandoavan-ketra na dia tamin’ny fotoana tsy mbola nisian’ny coronavirus teto amintsika aza.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly tsy miankina Tsy mbola misitraka ny fanampiana

09/05/2020

Nodradraina fa hizarana fanampiana avokoa ireo mpiasa tss an'asa eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

« Secrétaire – Trésorier » eny amin`ny fokontany Nofanina momba ny leadereship

09/05/2020

Nomena fiofanana ireo « Secrétaire – Trésorier » vaovao voatendry isaky ny Fokontany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba ho famerenana ny hasin’ny Fokontany sy ny andraikitr’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Coronavirus miparitaka be Nampiato ny fampianarana ireo sekoly tsy miankina sasany

09/05/2020

Nihanitombo isa hatrany ireo olona lasibatry ny tsimok’aretina COVID 19 tamin’ity herinandro ity. Ankoatra ireo olon-dehibe dia maro ihany koa ireo ankizy voa izay efa mihoatra ny folo hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Anosibe Hentitra ny mpitandro filaminana

09/05/2020

Hentitra ary tena masiaka tokoa ny mpitandro ny filaminana polisim pirenena eny amin ny faritra Anosibe ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fanajàna ny elanelana 1 metatra Lasa resaka fotsiny sisa

09/05/2020

Mila andraisana fepetra ny fanajàna elanelana iray metatra izay isan` ireo fepetra hahafahana misoroka amin`ny fiparitahan` ny aretina COVID-19.

Hamaky ny tohiny...

Ben'ny tanànan'Alasora Miangavy ny fanjakana mba hanakatona sekoly

09/05/2020

Mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny COVID 19 ato Alasora, hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Jimmy Randriantsoa, fa tsy miandry hoe misy “cas contact” indray sanatria.

Hamaky ny tohiny...

Tranga mampiahiahy momba ny Covid-19 Olona 67 nambara fa voa averina tiliana

09/05/2020

Nisy ny tranga vaovao 35 notaterina afak’omaly, izay nampitsangam-bolo ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Liva Razafindrasolo « Tsy maty paika ny paikady »

09/05/2020

Manoloana ny krizy ara-pahasalamana mianjady amin` izao dia nitondra ny heviny ny mpandinika ara-politika, Liva Razafindrasolo indrindra mahakasika ny fomba hitantanana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Lehiben’ny OMS aty Afrika Nampitandrina an-dRajoelina…

09/05/2020

Nampitandrina ireo mpitondra Afrikanina ny Dr Matshidiso Moeti, lehiben'ny OMS aty Afrika mba tsy ho alaim-panahy hamoaka tambavy tsy nandalo

Hamaky ny tohiny...

Sabotsy Namehana Efa sitrana ilay “cas contact” iray

09/05/2020

Mivangongo ao Sabotsy namehana ny kaominina manodidina amin’ny fitondrana ny vokatra sy fampianaran-janaka ary sehatra samihafa, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Harisoa Raymond.

Hamaky ny tohiny...

Distrikan'Avaradrano Hosaziana mafy ireo tratra tsy manao arotava

09/05/2020

Hentitra ny distrikan'Avaradrano manomboka izao amin'ireo olona tsy manao arotava.

Hamaky ny tohiny...

Fahafaha-mivarotra ny Covid Organics Mbola fahazoan-dàlana vonjimaika hatreto

09/05/2020

Maro ireo dingana arahina hamadihana ny tambavy ho lasa fanafody, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha coronavirus Hifanatrika amin’ny depiote ny governemanta

09/05/2020

Hotanterahina ny talata 12 mey izao ny fihaonana eo amin’ny depiote sy ny governemanta, araka ny fampiantsoan’ny parlemantera.

Hamaky ny tohiny...

Tanànan’i Toliara Tsy mankasitra ny hanaovana « cache-bouche » izany

09/05/2020

Tsy dia mankasitraka ny hanaovan’ny olona « cache-bouche » izany ny mponina any amin’ny tanànan’i Toliara tsy miroro, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana