Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200612

Misongadina

Marary vaovaon’ny Coronavirus 10 Antananarivo, 31 Toamasina

12/06/2020

363 ny fitiliana vitan’ny IPM ny 10 jona, ka ny 79 natao teto Antananarivo, dia nahitana tranga tranga 9, ka ny 7 avy any Toamasina, ary 2 avy eto Antananarivo. 80 kosa ny fititiliana natao tany Toamasina, ka nahitana tranga 21 (15 avy ao Toamasina, 5 Fenoarivo Atsinanana, 1 Soanierana Ivongo).

Hamaky ny tohiny...

Politique

Felix Randriamandimbisoa Nisafidy tsy hanao politika aloha

12/06/2020

Na dia voatendry ho mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo aza ankehitriny ny depiote teo aloha, Felix Randriamandimbisoa dia nilaza ny tenany fa nisafidy ny tsy hanao na hierika politika aloha hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sipomad Ambohimanambola Nirehitra ny « Magasin de stockage des déchets »

12/06/2020

Nirehitra nidedaka afo omaly alakamisy 11 jona 2020 ny « Magasin de stockage des déchets » ao amin’ny orinasa Sipromad Ambohimanambola mifanila bodirindrina amin’ny orinasa Papmad sy 100 metatra mahery kely miala ny toeran mpamokatra « Gaz » an’ny orinasa Total.

Hamaky ny tohiny...

Vonison Andrianjato Natao fanadihadiana teny Fiadanana

12/06/2020

Nandalo fanadihadiana teny amin’ny sampana mpikaroka ny heloka bevava eny Fiadanana omaly ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Andrianjato Vonison. Voalaza fa nisoloky sy nangalatra ny fitaovana Soa Radio ny tenany,

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny PMU Mbola tsy nahazo ny zony hatramin’izao

12/06/2020

Mbola tsy nahazo ny zony hatreto ireo mpiasan’ny PMU eto amintsika na dia efa tamin’ny 27 febroary lasa teo aza no nikatona ity orinasa iray misehatra amin’ny hazakazan-tsoavaly ity.

Hamaky ny tohiny...

Iarivo Radio Hampahafantatra ny asan’ny kaominina

12/06/2020

Natao hampahafantarana ny asa sy andraikitry ny atao hoe kaominina eto Antananarivo renivohitra ny Iarivo Radio 95.6 FM, hoy ny taleny, Felix Randriamandimbisoa.

Hamaky ny tohiny...

Fandravana tsena eny Analakely sy Soarano Tsy te hahalala izay didim-pitsarana any ny CUA…

12/06/2020

Nitohy hatrany ny fandravana tsena ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA teny Soarano sy Analakely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fandravana tsena eny Analakely sy Soarano Tsy te hahalala izay didim-pitsarana any ny CUA…

12/06/2020

Nitohy hatrany ny fandravana tsena ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA teny Soarano sy Analakely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson Manahy finiavana hampisara-bazana

12/06/2020

Manoloana ny fikasana hampizarazara ny malagasy dia nanao fijoroana vavolombelona momban’ny firenena iray izay saika maty tanteraka fa velona indray ary lasa firenena matanjaka voalohany eran’i afrika ny mpitsara iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson.

Hamaky ny tohiny...

Fitateram-bahoaka any Betafo-Antsirabe Mitaraina ny Garduc Vakinankaratra

12/06/2020

Ato anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny Firenena izao, misy ny toro-marika isan-karazany nomena sy napetraky ny Fitondram-panjakana ho tsy maintsy hajaina sy harahan’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fahasahiranana miampy

12/06/2020

Fahasahiranana miampy fahasahiranana! Izay no azo amintinana ny andavan’androm-piainan’ny malagasy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mahajanga Nahazo fanampiana sy fiofanana ireo mpitondra botry

12/06/2020

Amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny covid-19 izao dia notoloran’ny CT avy any Mahajana teo aloha, Atoa Moustapha, sy ny mpikambana ao amin’ny CFM avy any amin’ny Faritr’i Melaky, Atoa Mohamady Sakra, fanampiana hoenti-miatrika an’izany toy ny “caches-bouches”

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Datim-panadinana Miandry filankevitry ny ministra

12/06/2020

Miandrandra paikady entina hanarenana ny kalitaom-pampianarana eto Madagasikara izay hita fa tena miharatsy tokoa ary ny vahaolana haroson’ny fanjakana amin’ireo mpampianatra tsy miankina izay tojo olana tanteraka amin’izao amehana ara-pahasalamana izao ny rehetra. Na ireo mpanabe ary indrindra ireo ray aman-dreny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanarenana ny toekarena Zava-dehibe ny famokarana

12/06/2020

Ny fampiakarana ny famokarana amin’ny alalan’ny fanomezana ny asa isan-tokantrano ka hampitombo ny fanjifana no hanarina haingana ny toekarena eto Madagasikara raha ny nambaran’ny mpahay toekarena iray nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

Hamaky ny tohiny...

Seha-pihariana Jono 1,5 tapitrisa ny Malagasy velominy

12/06/2020

Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ny toekarena Malagasy. Ny sehatra jono izay tsy nitsaha-nihemotra ny taona 2019 hatramin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Namontana Lehilahy iray maty voatsatok’antsy

12/06/2020

Nandriaka ny rà teny amin’ny faritra Namontana omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora teo.

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny filaminam-bahoaka « Mariky ny fiandrianam-pirenena ny fananganan-tsaina »

12/06/2020

Mbola betsaka ihany ireo tokantrano Malagasy tsy manangan-tsaina amin’izao. Nampahafantatra ny maha-zava-dehibe izany ny Contrôleur Générale de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys Minisitry ny filaminam-bahoaka omaly, tao amin’ny Direction des Combatants Nationalistes Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Norovony Hanitriniaina , 25 taona Nandoa rà tsy nijanona, sitrana tao amin’ny FITRAMA

12/06/2020

Fikambanana iray manohana sy miezaka mampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Resaka “Bonbons 8 miliara ariary” Misokatra ny fanadihadiana

12/06/2020

Nirarakompana ny fanontaniana teny amin`ny Antenimierandoholona mitady ny mangarahara mikasika ny famoaham-bolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Clémence Raharinirina « Mpanao didy jadona ny ben’ny tanànan’Antananarivo »

12/06/2020

Tsy refesi-mandidy ary tena marina ny fambarany hoe « tsy baikon’iza na iza » ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny hoy ny mpanolo-tsaina eo anivon’ny kaominina, Clémence Raharinirina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Trano 50 may kilan’ny afo

12/06/2020

Trano manodidina ny 50 teny Manarintsoa Anatihazo sy Manarintsoa Afoavoany ahitana mponina 200 eo no may hotohoton’ny afo omaly. Tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany no nanombohan’ny loza.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Madagasikara Voafonja 14 no tratry ny coronavirus

12/06/2020

Voafonja miisa 14 no voamarina fa tratry ny coronavirus eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Minisitry ny fitsarana Johnny Richard Andriamahefarivo. Ny 13 amin’izy ireo, dia any Toamasina ary 1 eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Olona ahiana ho voan’ny Coronavirus 11 andro tsy misy valiny ny fitiliana

12/06/2020

Misy amin’ireo manana fianakaviana ahiana ho mararin'ny covid-19 izay mihidy any amin'ny CHU Anosiala no manao fitarainana. Mitaraina izahay ary manaitra ny tompon'andraikitra tsirairay fa mijaly ny marary, hoy izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny coronavirus Firy marina no sitran’ny CVO ?

12/06/2020

Miisa 312 tamin’ny marary 1203 no sitrana ho an’ireo olona voan’ny coronavirus eto Madagasikara, ka manome 25,91% eo ny taham-pahasitranana. Manome 0,83% eo kosa raha kajiana ny taham-pahafatesana,

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus eto Madagasikara Mampanahy ny hitranga afaka iray volana…

12/06/2020

Mihazakazaka ny fiakaran’ny antontan’isan’ireo voan’ny coronavirus eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fitiliana singa Covid-19 Tsy voatery hitovy ny fe-potoana hivaliany

12/06/2020

Samy manana ny toetoetrany ny singan` ireo olona hatao fitiliana “coronavirus”.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana