Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

12/08/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200615

Misongadina

Andry Rajoelina “Voafehy ny aretina, miverina ny asa aman-draharaha…”

15/06/2020

Iray no nindaosin’ny fahafatesana teto Antananarivo, ary sivy tany Toamasina avokoa. Raha nalaina ny antontan’isan’ny namoy ny ainy tamin’ny aretina hafa tamin’ny taon-dasa, ny janoary 2019 dia 312 ny namoy ny ainy,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antoko Monima Nampionona ny vahoaka ao Burundais

15/06/2020

Nandefa taratasy fampiononana ny governemantan’i Burundi sy ny vahoakan’i Burundi ihany koa ny antoko Politika Malagasy Monina izay tarihin’ny filohany, Monja Roindefo Zafitsimivalo, ny 11 jona teo.

Hamaky ny tohiny...

Sarisary

Boriborintany fahatelo Nizara fanampiana ny Depiote Feno

15/06/2020

Nitondra anjara biriky ho fanampiana ireo mponina ao amin’ny Boriborintany faha-3 iadidiany ny Depiote Feno Ralambomanana voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara ny sabotsy 13 jona lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fipoahana Transformateur lehibe Ho vita rahampitso ny asa any Andekaleka

15/06/2020

Taorian’ny fipoahana sy firehetan’ ny Transformateur de Puissance du Groupe numéro 1 (G1) n’ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka ny sabotsy alina teo izay niteraka tsy fahatomombanana lehibe teo amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo sy Antsirabe dia nanapa-kevitra ny jirama fa handefa transformateur de reserve an’ny JIRAMA TAC

Hamaky ny tohiny...

Andapa Miravaka loko volomboasary ny tanàna

15/06/2020

Sainam-pirenena fotsy, mena, maitso, raha ny mahazatra hatramin’izay, miaraka amin’ny arendrina no andravahana ny tanàna rehefa akatoky ny fetim-pirenena toy izao sy ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena koa moa izany, mazava ho azy.

Hamaky ny tohiny...

Vahaolana ho an’i Toamasina sy ny manodidina “Ajanony ny fanomezana vola! ”

15/06/2020

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kianja rugby eny Imamba Soavimasoando Miverina hampiasain’ny klioba RCTS indray

15/06/2020

Miverina hampiasain’ny klioba RCTS « Rugby Club Tanora Soavimasoandro » indray ny tany misy ny kianja rugby eny Imamba Soavimasoandro rehefa nitoerana olona ara-pitantanana hatramin’ny taona 2014 nisian’ny fividianan’olon-tsotra azy io.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Enga anie !

15/06/2020

Ankoatry ny fahatarana fotoana indray, dia hita hoe mirafidrafitra sy voaomana tsara kosa aloha ny resaky ny filoham-pirenena omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Manakambahiny Olona roa maty voafaokan’ny fiara

15/06/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Manakambahiny ny sabotsy lasa teo tokony 08 ora alina.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Imbiki Herilaza “Tsy hanao andrana vaksiny any am-ponja izany isika”

15/06/2020

Nisy ireo voafonja voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid 19 ka nandraisana an-tanana ny fizahana. Hatreto dia betsaka ny fepetra noraisina mba tsy hidiran` ny aretina ao amin` ny voafonja: fitokana monina, hevoka faobe… Mandeha anefa ny resaka mandeha mahakasika ny voafonja fa hanaovana andrana mahakasika ny aretina covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Opération Smile Mitohy ny tohana ho an’ireo sima

15/06/2020

Efa 3500 ireo sima sitrana tamin’ny Opération Smile teto Madagasikara. Tamin’ny Sabotsy lasa teo dia nisy sima 400 eo ho eo izay efa nahazo fandidiana sy miandry fandidiana no notolorana vary, menaka,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanarenana ny toekarena Hojerena manokana ireo mpandraharaha

15/06/2020

Firenena tsara tantana ny tanjona ary hangarahara ny fitantanana ny volam-bahoaka hoy ny filoham-pirenena nandritra ny tatitra tamin’ny vahoaka Malagasy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Krizy eto Madagasikara Mihamafy ny fisondrotam-bidim-piainana

15/06/2020

Efa ambony hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019. Mbola hita mihamafy hatrany izany amin’izao fisian’ny valan’aretina eto Madagaskara izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana CEPE sy BEPC Efa milamina ny laza adina amin’ny ankapobeny

15/06/2020

Efa milamina tanteraka ny laza adina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy raha araka ny fanazavan-dRtoa ministra mpisolo toerana ny profesora Assoumacou.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena “Mitohy ny fandraisana FRAM ho mpiasam-panjakana”

15/06/2020

Efa niverina mianatra avokoa ireo kilasy manala fanadinana ary tianay ny manamarika fa tsy maintsy hisy ny fanadinam-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana teknika. Eo an-dalam-pikarakarana tanteraka isika,

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Mpitsabo nentim-paharazana “Misy ireo tsy tan-dalàna”

15/06/2020

Anaty fahamehana ara-pahasalamana moa isika ankehitriny ka maro ny zava-miseho, hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana, Josephin Andriandrainarivo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana tsy tanteraka Telo lahy voasambotra teny amin’ny 67Ha

15/06/2020

Lehilahy telo no voasambotra nandritra ny famotorana mahakasika ilay raharaha fanafihana tsy tanteraka saika nataona jiolahy tetsy amin’ny 67ha.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fitsaboana tradisionela malagasy Manana fitaovana fanorana ireo tapaka lalan-dra

15/06/2020

Betsaka ireo olona liana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika. Ankoatra ireo olom-boafidy, mpitondra fivavahana….

Hamaky ny tohiny...

Suzy, tovovavy manana fahasembanana In-droa nisy nanolana, bevohoka ny farany

15/06/2020

Zazavavy sembana ara-batana sy ara-tsaina i Suzy. Moana izy ary tsy mahavita mikarakara ny tenany ihany koa hany ka ny Reniny no manao izany rehetra izany. Fony izy 15 taona no fantatra fa efa nisy nanolana ary efa nametraka fitoriana "contre X"

Hamaky ny tohiny...

Tanànan’i Mahajanga Ny fanarian-jaza indray no naresaka

15/06/2020

Ankoatra ny fiatrehana amin’ny ady amin’ny tsimokaretina covid-19 sy ny fitandremana tsy ho voan’ny “dengue”

Hamaky ny tohiny...

Mpanao asa tanana Malagasy Anaty krizy tanteraka

15/06/2020

Ankoatr’ireo olana maro efa taloha tokony hovahana mahakasika ny asa tanana Malagasy dia mbola manampy trotraka ny voka-dratsin’ny krizy ara-pahasalamana ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Toamasina Voafonja 41 tratry ny coronavirus

15/06/2020

Voafonja 41 amin’ireo 179 natoka-monina ao amin’ny fonjan’i Toamasina no fantatra amin’izao fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 raha ny fanazavana avy amin’ny Tale jeneraly misahana ny fandrindrana ny fonja Atoa Ranaivo Tovonjanahary omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana ny Coronavirus Ho avy indray ny “Gellule CVO” atsy ho atsy

15/06/2020

Olona 3 no nitondra ny tsimokaretina teto ny 20 martsa. Ity krizy ara-pahasalamana ity dia niteraka krizy hafa: ara-toekarena, ara-tsosialy… hoy ny Filoha Rajoelina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Tambavy CVO Mbola andrana aloha ny any Nigeria

15/06/2020

Nilaza ny minisitry ny fahasalamana Nizerianina Osagie Eanire fa mbola ao anatin’ny andrana ny covid organics avy amin’i Madagasikara mba ahitana ny fahombiazany na tsia.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny 48 ora Tranga 18 Antananarivo, 22 Toamasina,…

15/06/2020

Miisa 42 ireo olona vaovao voamarina fa tratry ny coronavirus tao anatin’ny 48 ora farany, ka 22 ny sabotsy teo, ary 20 omaly alahady, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana