Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

12/08/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200624

Misongadina

Afo be teny Vatobe 67 Ha Trano 290 may kila, 3 namoy ny ainy

24/06/2020

Nirehitra ny tanàna teny Vatobe 67Ha izay ao anatin’ny fokontany Andohatapenaka Voalohany omaly tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany tolakandro. Trano miisa 290 no lasa lavenona ary 1000 mahery traboina, raha ny tatitra vonjimaika. Tranohazo ny ankamaroan’ireo may.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle “ Aleo aho hijanona eny Tsimbazaza ihany”

24/06/2020

Nohamafisin’ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle solombavambahoaka voafidy tany Ikongo V7V

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Tsy nofehezina mihitsy ny COVID 19 teto”

24/06/2020

Efa nametraka hatrany am-boalohany ny antoko politika Natiora fa tsy misy na inona na inona antenainay amin’ity fitondrana ity, hoy ny filohany, Ni-Rencho-Mihari.

Hamaky ny tohiny...

RMDM sy antenimierandoholona Nidinika momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra

24/06/2020

Nidinika momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra amin’ny teo anivon’ny antenimierandoholona omaly ry zareo avy eo anivon’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, sosialy, toekarena Tsy te hamoaka vola firy ny fitondrana…

24/06/2020

Ny 14 jona lasa teo no nanapa-kevitra ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Filoham-pirenena fa halefahana ny fepetra satria voafehy ny valanaretina, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Minisitry ny serasera Namaly bontana ny Antenimieran’ny Andriana

24/06/2020

Hihemotra ny fitokanana ny asa fanarenana Ny Rova sy ny kianja Masoandro, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Nodimandry ny Senatera Vola

24/06/2020

Nodimandry ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina teny amin’ny Hopitaly manara-penitra eny Andohatapaneka ny Senatera Razafindratovo Ravololonirina Émilie na I Senatera Vola,

Hamaky ny tohiny...

Fetim-pirenena 26 jona Arahi-maso avokoa ireo toerana firevirevena

24/06/2020

Araka ny efa voalaza dia eto Antananarivo renivohitra ihany no misy ny fanamarihana amim-pomba ofisialy ny fetim-pirenena 26 jona amin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Anthony Hampandroso ny baskety any Bongolava

24/06/2020

Rotsiniaina Anthony na Rotsy, 19 taona, dia mpilalao ny taranja basikety avy any Bongolava.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miha ratsy isan’andro

24/06/2020

Miha ratsy isan’andro ny zava-mitranga eto amin’ny firenena na dia atao ankapobeny fotsiny aza ny fomba fijery azy. Tsy mbola miditra amin’ny tena antsipiriany akory.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Sady efa tsy misy “gél désinfectant” Miverina ny taingim-ben’ny taksibe

24/06/2020

Maro ireo fepetra fiarovana sy fisorohana ny valanaretina tsy voahaja. Tena goragora tanteraka izany amin’izao fotoana izao, izay antony lehibe mampiparitaka haingana dia haingana ny valanaretina.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Seces Antananarivo “Tsy azo ekena ny gaboraraka sy tsy marina”

24/06/2020

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena dia namoaka fanambarana omaly maraina ny eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC Hanomboka tsy ho ela ny fanontana ny laza adina

24/06/2020

Efa vita roa herinandro lasa izay ny laza adina ho an’ny fanadinana CEPE, raha afak’omaly kosa no vita ny an’ny fanadinam-panjakana BEPC, raha araka ny fanazavan’Atoa Andrianiriana Feno Soja,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitiliana ny VIH /SIDA Tamin’ny volana martsa no nisy fitaovana farany

24/06/2020

Misy fiantraikany goavana amin’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto amintsika ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID 19 manerana ny faritra maro, raha araka ny fanazavan’Andrianiaina Herivelo,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fiara Gasycar Ho vokarin’ny Gasy’car VIP ?

24/06/2020

ny fanambaran’ny filoham-pirenena Malagasy fa hisy ny fananganana orinasa mpamokatra fiarakodia antsoina hoe Gasycar dia nampahatsiahy tantara fohy ny orinasa Gasy’car VIP. 6 taona lasa izay dia nisy mpinamana miisa roa avy any

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Soavadia - Toliara Sinoa voatafika, lasa ny volabe

24/06/2020

Teratany Sinoa iray monina ao Toliara no nisy nanafika tao an-tranony miditra ao an-dakoron’ny lisea Laurent Botokeky ao amin’ny fokontanin’i Soavadia Toliara ny harivarivan’ny alatsinainy 22 jona 2020 mbola andro mazava tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Anosiavaratra Voasokatr’ireo jiolahy ny varavaram-by

24/06/2020

Jiolahy miisa folo no indray nandroba sy nanafika mpivady kely monina ao Isahafa Anosiavaratra afaka omaly alatsinainy alina, raha araka ny vaovao azo.

Hamaky ny tohiny...

Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Nitsidika ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato

24/06/2020

Nijery ifotony ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato omaly, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika,

Hamaky ny tohiny...

Betroka Mpamily iray sy ny zanany lahy lavon’ ny jiolahy

24/06/2020

Mpamily iray 50 taona sy ny zanany lahy mbola 19 taona monja no maty novonoin’ny jiolahy efa-dahy. Hihazo aty Antananarivo izy mianaka mpitatitra tantely sy “baie rose” raha niala tany Taolagnaro.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

JIRAMA Faktiora 5000 no hahitsy fa nisy diso

24/06/2020

Araka ny efa notanterina teto omaly hatrany dia nanambara ny JIRAMA fa nisy ny fahadisoana niniana nataon’ ireo mpiasa 50 izay nahitàna tale roa ka nahatonga iny fiakaran'ny Jiro nihoapampana tsapan'ny mpanjifa teo iny.

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny tontolo iainana “Ampiharina ny lalàna, tsy azo ekena ny tsindry”

24/06/2020

“Nahomby tanteraka ny fanatontosana ny tetikasa “tolérance 0” izay nanomboka nampiharin’ny ministera ny volana aprily teo,

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana zon’olombelona Naharay fitarainana miisa 297 ny HCDDED

24/06/2020

Miisa 297 ireo fitarainana voarain’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara ny taona 2019 sy 2020, raha ny tatitra nataon’izy ireo teo anivon’ny antenimierandoholona etsy Anosikely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Zo maha olona Mitohy ny fizarana kopia ho an’ny ankizy

24/06/2020

Zaza 1 amin’ny 2 no tsy manana kopia nahaterahana aty Afrika. Manokatra làlana maro eo amin’ny fiainana ny fananana kopia ary misy mihitsy aza ny zavatra tsy azo hatao raha tsy manana izany toy ny fianarana,

Hamaky ny tohiny...

Trafikana lavanila maitso Olona 2 indray no tra-tehaka tany Manakara

24/06/2020

Lehilahy 26 taona sy vehivavy 30 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Manakara ny 22 jona lasa teo raha nikasa ny hanondrana lavanily maintso tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Antanetibe Mahazaza Navoaka ny razana fa hotrongisina ny fasana

24/06/2020

Nesorina ilay fasan-drazan'olona, ary navoaka tao daholo ny razana satria amboarina ny lalana, ety Antanetibe Mahazaza Ambonirina, hoy ny fitantarana mahakasika ity toe-javatra ity.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Jeneraly Andriankaja Elack - CCO “Tsy maintsy henjanina ny fepetra eto Antananarivo”

24/06/2020

Ao anatin’ny tranga vaovao 84 nambara omaly, ny 83 amin’ireo dia eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Tranga 84 indray andro Miparitaka aok’izany ny coronavirus

24/06/2020

Miisa 84 ny olona vaovao tratry ny coronavirus omaly, ka 1724 ny fitambaran’ny olona rehetra voa nanomboka ny 19 martsa. Fitiliana nataon’ireo laboaratoara miisa telo no nahazoana ireo tranga ireo.

Hamaky ny tohiny...

Voka-dratsin’ny coronavirus Tafakatra 100.000 ireo very asa

24/06/2020

Mahatratra 100.000 ireo olona very asa vokatry ny fihibohana hatreto eto amintsika. Tsy misy fidiram-bola avokoa izy ireo nefa mamelom-bady aman-janaka, mandoa hofantrano…

Hamaky ny tohiny...

Laboratoara LA2M Mahavita fitiliana coronavirus 760 isan’andro

24/06/2020

Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 23 jona ny LA2M (Laboratoire d’Analyse Médicale de Madagascar) eny Androhibe.

Hamaky ny tohiny...

Maorisiana 3 lahy « Négatifs» teny Ivato, « Positifs » tonga tany Maorisy

24/06/2020

Mpandeha fiaramanidina niala avy teto Madagasikara, ary tonga tao amin’ny Nosy Maorisy ny sabotsy 20 jona lasa teo no voamarina fa tratry ny coronavirus, raha ny

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana