Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

12/08/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200630

Misongadina

Miha tsy araka ny fitsaboana 20 no maty, 48 marary mafy

30/06/2020

Tafiakatra 20 ny olona matin’ny coronavirus eto Madagasikara, ka tao anatin’ny tapa-bolana avokoa ny antsasa-manila.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimieram-pirenena Fidiana anio ny solon’i Thierry Rakotonarivo CENI

30/06/2020

Tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimieram-pirenena amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay hisolo ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

Hamaky ny tohiny...

Association Nosy Malagasy Miantso ny rehetra mba hifanome tanana…

30/06/2020

Fotoana mety ho an’ny Malagasy izao hitakiana ireo Nosintsika giazan’ny Frantsay hoy ny filohan’ny Association Nosy Malagasy Arlette Ramaroson omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny « Iles Eparses » Mila hitarina ny vina

30/06/2020

“Matoa manohana an` i Madagasikara ny vondrona SADC dia misy firaisan-tsaina eo amin` ny samy Malagasy” hoy Ndremitsara Tarzan, mpahay toekarena.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Vahao tanteraka ny fihibohana!”

30/06/2020

Ny olona niresaka fotsiny no niova. Raha filoham-pirenena no hita isaky ny 15 andro dia lasa praiminisitra izany ny alahady teo, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

By Pass Olona 10 nosamborina tany anaty BAR

30/06/2020

Toeram-pisotroana iray etsy by-pass no mbola hitan'ny Polisy nivarotra omaly hariva, ka voatery nandraisana fepetra izany.

Hamaky ny tohiny...

Fifanolanana an-taonany amin’ny banky Tsy rariny ny fanaparam-pahefana, hoy i Lercia

30/06/2020

Mitaky ny hanajanonan’ny fitsarana famoahana « réputé contraditoire » mikasika ny raharaha efa an-taonany maro hifanolanany amin’ny banky BMM Atoa LERCIA mpandrahara avy any Toamasina ary efa monina eto Antananarivo ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Imerintsiatosika RN1 May hotohoton’ny afo ilay kamiao feno entana

30/06/2020

Kamiao iray feno entam-barotra hizotra mianandrefana manaraka ny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny no nirehitra omaly hariva.

Hamaky ny tohiny...

Anjanahary Tratra ilay mpampiasa lakile « passe-partout »

30/06/2020

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena amin’ny fampandriana fahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rakotomalala Cyrelle Mario Antenaina hampivoatra ny basket 3x3 any Alaotra Mangoro

30/06/2020

Mbola tanora kanefa dia efa manana vokatra tsara teo amin'ny fitantanana ny ekipana basikety amin'ny maha-mpanazatra azy eo amin’ity taranja ity i Mario

Hamaky ny tohiny...

Edito

Amoron-tevana

30/06/2020

Amoron-tevana tsy misy arofanina ankehitriny ny fiainan-dRamalagasy manoloana ny adin-tsaina, mba tsy hilazana hoe horohoron-tsaina, aterak’ity taremarika momba ny aretina COVID 19 tsy mitsaha-mitombo ity.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Tsy fanajana fepetra Taxi-be 39 nalefa foriera, an-jatony nosamborina…

30/06/2020

Omaly maraina hatramin’ny folo ora dia taxibe miisa 38 no tratran'ny Polisy tsy nanara-dalàna toy ny fanaovana taingim-be ….nefa mbola ao anatin’ny ady hatao amin’ny tsimokaretina COVID 19 isika.

Hamaky ny tohiny...

Tetezana ao Ivohibe Tapaka efa ho efa-bolana izao

30/06/2020

Efa-bolana izao no tsy afaka nifamezivezy intsony ny mponina ao anatin’ireo distrika maromaro any amin’iny lalam-pirenena faha-27 iny hany ka mihitsoka tanteraka ny vokatra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampianarana Tokony ho vakansy anio ny mpianatra

30/06/2020

Raha ny tetiandrom-pampianarana eo anivon` ny ministeran` ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana teknika, dia mifarana anio, 30 jona, ny taom-pianarana taona 2019-2020.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Mpianatra mpitsabo – HJRA Tsy hiasa raha tsy mivaly ny fitakiana

30/06/2020

Nitokona ireo mpianatra taona faha-7 sy faha-8 izay efa mandray an-tànana ny marary sy miasa ao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

Pharmalagasy Am-pikarohana ireo mpiasa ambony

30/06/2020

Eo am-pikarohana ireo mpiasa ambony na ireo izay ho mpitantana ny ozinina goavana mpamokatra fanafody vaovao, Pharmalagasy, ankehitriny ny fitondram-panjakana, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Tazomoka any Iakora Nahitam-bokany ny paikady nampiasaina

30/06/2020

Nahitam-bokany ny ady amin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Iakora. Nanomboka ny volana mey lasa teo mantsy dia maro ireo ezaka sy paikady

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Lalànan’ny tetibola nasiam-panitsiana Tsy ampy ny natokana ho an’ny sosialy

30/06/2020

Lany tsy nisy fanovana na nasiam-panintsiana teo anivon'ny Antenimieram-pirenena teny amin'ny CCI Ivato ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panintsiana 2020 (LFR 2020).

Hamaky ny tohiny...

Toekarena sy tsenam-bola Manahirana ny fifehezana ny fitotongan’ny ariary

30/06/2020

Tsy voafehy ny fitotonganan’ny Ariary mitaha amin’ireo vola vahiny ifanakalozana tahaka ny Euro sy Dolara amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

ITAOSY Tratra ilay tovovavy mpanendaka olona marefo

30/06/2020

Ela ny nitoratorahana ilay tovovavy iray mpanendaka sy mpisoloky eny amin’iny faritra Itaosy Atsimondrano iny omaly Alatsinainy. Raha araka ny loharanom-baovao mantsy dia hataon’izy io mahita faisana mihitsy ireo ankizy madinika sy olon-dehibe hitany fa marefo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fenerive Est Voasambotra ireo 5 lahy mampiorohoro amin’ny flesy

30/06/2020

Jiolahy miisa 5 no voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’iny faritra Fenerive Est iny noho ny fanaovana fikambanan-jiolahy sy halatra miaro fakian-trano ary fanendahana miaraka amin’ny fampiasana « arme blanche ».

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Andraisoro Tratra teny an-kodiny ilay lamba very

30/06/2020

Ny 27 jona teo no hita notafian’ny vehivavy iray ny lamba isan’ireo entana very tamin’ny trano iray nisy namaky teny Andraisoro.

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena tsy tia fahadiovana Nasaina nanadio tatatra sy namafa lalana

30/06/2020

Araka ny nambaran'ny fitondram-panjakana manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 dia nohamafisina ny sazy omena ireo olona minia tsy manara-dalàna.

Hamaky ny tohiny...

Zaza Malagasy Ankizy 4 amin’ny 10 no miasa alohan’ny faha-18 taonany

30/06/2020

Ankizy miisa 4 amin’ny 10 no miasa alohan’ny faha-18 taonany eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Famindram-pananana Maimaim-poana hatramin` ny faran` ny taona

30/06/2020

Noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo ny fanapahan- kevitra mikasika ny vola tokony aloha amin’ny famindram-pananana.

Hamaky ny tohiny...

Sehatry ny asa Hiresaka amin` ireo filoham-pirenena ny OIT

30/06/2020

Hanatanteraka fihaonambe iraisam-pirenena amin` ny alalan` ny aterineto ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny asa (OIT) hahafahana mamaritra ny fiantraikan` ny valanaretina COVID-19 eo amin` ny sehatry ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra, mpiasa ho any Frantsa Efa afaka mangataka “visa”

30/06/2020

Niverina niasa omaly ny masoivoho frantsay eto Madagasikara. Efa manomboka mandray ireo fangatahana fahazoan-dalana hivezivezy (visa) any Frantsa ny ivotoerana TLS saingy kosa amin` ny alalan` ny famandrihan-toerana (sur rendez-vous).

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Olona matin’ny covid-19 Misy vaovao hafenimpenina?

30/06/2020

Tsy ampy sy tsy fantatra mazava intsony tato ho ato ny mahakasika ireo olona namoy ny ainy noho ny valanaretina coronavirus, fa dia mionona fotsiny amin’ny hoe nisy olona roa na iray namoy ny ainy indray omaly. Teo aloha rehefa misy mamoy ny ainy, dia ambara fa nisy diabeta, ambony ny tosidrà, tsy afaka nisotro tambavy CVO,…

Hamaky ny tohiny...

Ambohitrimanjaka –Andoharanofotsy Olona 75 voasazy fa tsy nanaraka fepetra

30/06/2020

Nahatratra 75 isa ireo olona tratra tsy nankato ny fepetra iadiana amin'ny coronavirus omaly maraina tao anatin'ny tanànan’Ambohitrimanjaka sy Andoharanofotsy hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fanentanana tena maharesy lahatra ny olona

30/06/2020

Mba hisorohana ny fiverenan' ny valanaretina Covid-19 dia manao fitiliana eny amin' ireo faritra ahiana mbola mety hiaingan'ny aretina ny any Frantsa. Fantatra fa fitiliana maimaimpoana 700 000 isan-kerinandro eo no atao amin' izany. Ny firongatra andiany faharoa, raha misy,

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Misy zaza 15 volana tratran’ny covid-19

30/06/2020

Fantatra izao fa zazakely iray vao 15 volana monja ary tsy tao anatin’ireo “prélèvement” rehetra vao natao tamin’ny farany no mitondra ny tsimokaretina covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Faritra Menabe Miainga ao Morondava ny ady amin’ny Covid 19

30/06/2020

Nanomboka omaly ary hifarana anio ao Morondava ny fanomezana toromarika ireo iraka manokana hiasa haingana ho amin’ny fanentanana sy fampanajana ireo

Hamaky ny tohiny...

Sakana ara-pahasalamana Nanome toromarika ny mpitandro ny filaminana ireo minisitra

30/06/2020

Nanatanteraka fitsirihana ireo sakana ara-pahasalamana omaly ireo tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana isan'ambatatongany eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana