Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

12/08/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200708

Misongadina

Pr Alain Tehindrazanarivelo “Mbola sarotra ny ady amin’ny Covid 19…”

08/07/2020

Nitsangana ny Komitin’ny manam-pahaizana eto Afrika eo ambany fiahian’ny OMS handinika ny fampanaraham-penitra ny fitsaboana nentim-paharazana eo anatrehan’ny ady amin’ny valanaretina covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Benaivo Andrianaly Narcisse Miandry ny didim-panjakana fanendrena azy ho mambran’ny CENI

08/07/2020

Vita ny adidin’ireo solombavambahoaka nifidy izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.

Hamaky ny tohiny...

Rodin Rakotomanjato « Asa fa tsy balarora no andrasan’ny vahoaka »

08/07/2020

Tonga nanampy sy nitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamboarana ny tetezana tapaka eo amin'ny kaominina Antambolo, distrikan’Arivonimamo, ny depiote voafidy tao an-toerana, Rodin Rakotomanjato.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny kolikoly Mitohy ny fanentanana ataon` ny BIANCO

08/07/2020

Niroso tamin` ny fanentanana ny mponina any Soalala ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) sampana Mahajanga. Nitondra fanazavana ny paikady vaovao iadivana amin` ny kolikoly ny BIANCO.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

FI.TRA.MA Hamoaka ny tsiambaratelon’ny sakana mahazo azy

08/07/2020

Namoaka filazana ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina afak’omaly alatsinainy mikasika ny tsy fahafahan’ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy manao dokam-barotra amina haino aman-jery intsony.

Hamaky ny tohiny...

Razana tsy azo avoaka an'Antananarivo Alevina eny Anjanahary aloha

08/07/2020

Eny Anjanahary no halevina ny razana izay tokony halevina any amin’ny faritra, kanefa tsy afaka hoentina mivoaka an’Analamanga noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus, araka ny fanazavan’ny Jeneraly Elack Olivier

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nodimandry ny Depiote Lucien Rakotomalala

08/07/2020

Nodimandry halina ny depiote voafidy tao Morombe, Lucien Rakotomalala. Niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera ny vaovao fa Covid 19 no naha lavo azy.

Hamaky ny tohiny...

Ankafina Tsimafody Ny olombelona no misolo ny omby mitarika sarety

08/07/2020

Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Ankafina Tsimafody, distrikan’Ambalavao.

Hamaky ny tohiny...

Fepetra fihibohana Tsy voahaja noho ny hasarotam-piainana

08/07/2020

Efa nisy ny fihibohana amin’ny ampahany nandritry ny 1 volana miandoha amin’ny 12 ora tolakandro toy izao raha vao nanomboka tafiditra teto Madagasikara ity valanaretina Coronavirus ity.

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana an`i Madagasikara Hanampy tosika i Frantsa

08/07/2020

Manampy tosika ny fanjakana sy ireo rafitra ara-pahasalamana Malagasy mba hahafahana manampy azy ireo i Frantsa indrindra eo amin`ny lafin` ny fampitaovana, hoy ny masoivoho frantsay, Christophe Bouchard.

Hamaky ny tohiny...

Faritra Atsimon’ny nosy Nahazo 4,16 tapitrisa dolara ny fampianarana

08/07/2020

Nahazo famatsiam-bola avy amin` ny fanjakana Norvezianina indray ny fandaharanasa Fanabeazana ho an` ny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy mifidy saranga

08/07/2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fifamoivoizana an-dranomasina Nirehitra am-pandehanana ny sambo « Shanny »

08/07/2020

Tra-doza an-dranomasina ny sambo « Shanny ». Teo Kingalahy Kaominina Tambohorano andalana hiazo an’i Mahajanga ity sambo ity no tra-doza ny alin’ny 2 hifoha ny 3 jolay tokony.

Hamaky ny tohiny...

Tanjombato Torana ilay lehilahy lehibe nofaohan’ny moto

08/07/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly maraina teny Tanjombato. Lehilahy lehibe iray manodidina ny 50 taona raha tombanana no nofaohan’ny moto tampoka raha variana nivarotra aron-tava mandehandeha teny amin’iny lalana iny.

Hamaky ny tohiny...

RNT12A - Vangaindrano sy Tolagnaro Miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizana

08/07/2020

Efa niverina nanomboka ny marainan’ny alatsinainy 06 jolay 2020 ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RNT12A mampitohy an’i Vangaindrano amin’i Tolagnaro rehefa nisy fahatapahana nanomboka ny alakamisy 02 jolay 2020 noho ny fahasimban'ny Bac eo Ebakiky, PK45+000.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanodinkodinana famatsiam-bola Nomelohin’ny banky iraisam-pirenena

08/07/2020

Miisa 22 ireo firenena tena mila ny fanampiana avy amin’ny banky iraisam-pirenena, raha tsiahivina ny tatitra avy amin’ity rafitra ity ny volana febroary teo.

Hamaky ny tohiny...

Jono an-dranomasina Fitaovana voarara maro sarona tany Nosy-Be

08/07/2020

Fitaovana maromaro ahitana tavoahangy misy ôksizena sy fitaovam-panjonoana ary kojakoja fitondra misitrika anaty rano lalina no saron’ny mpanaramaso ny jono tany amin’ny fari-dranomasin’i Nosy-Be, Faritra DIANA.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Vakinankaratra Mitsahatra avokoa ny fampianarana amin'ny endriny rehetra

08/07/2020

« Mitsahatra avokoa ny fampianarana amin'ny endriny rehetra, na ireo ankizy hanala fanadinana na ireo "classes intermédiaires".

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Analamahitsy Nasaina nifona tamin’ny vahoaka ilay mpangalatra

08/07/2020

Lehilahy iray fantatra fa any Ambatofotsy no tratran’ny fokonolona nangalatra omaly talata vao maraim-be teny Analamahitsy.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Fodiana an-tanindrazana Miantso vonjy ny tatsambo Malagasy

08/07/2020

Miezaka hampifandrindra hatrany ny fifehezana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus sy ny fitsinjovana vahoaka ny fitondrana hatramin’ny nidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Anosibe Ifanja May ny tanàna

08/07/2020

Nitrangana hain-trano goavana omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anosibe Ifanja, Faritra Itasy.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Ambony ny taham-pahavoazana Olona 222 tamin’ny fitiliana 578 voa avokoa

08/07/2020

Nahitana tranga vaovao 222 tamin'ny fitiliana 578 nataona laboratoara 3 araka ny tatitra omaly, izay manome taham-pahavoazana 38,40%, azo ambara fa tena ambony be.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Miverina malaza ny ady gasy

08/07/2020

Toy ny tamin’ny fiandohan’ny fihibohana nandrenesana olona 3 voan’ny COVID 19 teto Madagasikara ihany ny tarehin-javatra miseho eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny,

Hamaky ny tohiny...

Depiote Alain Ratsimbazafy “Sahirana mamonjy toeram-pitiliana ny olona”

08/07/2020

Depiote Alain Ratsimbazafy “Sahirana mamonjy toeram-pitiliana ny olona”

Hamaky ny tohiny...

Fiadidian’ny Repoblika “Tsy voan’ny coronavirus izany ny Filoha”

08/07/2020

Nanao fampitam-baovao ny fiadidian’ny Repoblika omaly manoloana ny ambaran’izy ireo fa fisiana fanapariahana vaovao tsy marina sy fanakorontanana ny saim-bahoaka amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy sy tranonkalam-pifandraisana.

Hamaky ny tohiny...

Toliara Faran’izay hentitra ny sazin’ireo fiara tsy manaja fepetra

08/07/2020

Mikaon-doha amin'ny hametrahana lamina vaovao hiadiana amin'ny Coronavirus ireo mpisehatra amin'ny fitaterana any amin'ny faritra Atsimo andrefan'i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

CVO ho an’ny fianakaviana Nampidinina nanomboka omaly ny vidiny

08/07/2020

Ho fanampiana ny besinimaro indrindra amin’izao fihanaky ny tsimokaretina COVID 19 eto amintsika izao dia fantatra fa nahenan’ny IRMA nanomboka omaly ny vidin’ny tambavy nohatsaraina CVO na ny Covid organics natokana ho an’ny fianakaviana.

Hamaky ny tohiny...

Fampanajana fihibohana Manome vahaolana ny mpandraharaha…

08/07/2020

Nandalo Analakely aho androany (TTF: Omaly) fa voairaka, hoy ny mpandraharaha iray.

Hamaky ny tohiny...

Teratany Frantsay sy Eoropeanina 7 000 no efa tafody any Frantsa

08/07/2020

“Ny masoivoho Frantsay dia mivonona hatrany mifanome tanana ho an` ireo teratany Frantsay ary manaraka ny fepetra rehetra iarahana amin` ny fanjakana Malagasy, indrindra amin` ny ady amin`ny COVID-19 sy ny voka-dratsiny”

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana – COVID-19 Hamafisina ny fepetra any Atsimo atsinanana

08/07/2020

Nisy ny fivoriana teo amin` ireo tomponandraikim-panjakana sy ny teo anivon` ireo kaoperativam-pitaterana any amin`ny faritra Atsinanana mba hisorohana ny fiparitahan` ny aretina COVID-19 any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana