Fil d'actualités du 09/09/2020

  • 09/09/2020 - 00:30 : ANTENIMIERANDOHOLONA:Nandroso ny datin'ny 11 desambra 2020 ny CENI mba hanatanterahana ny fifidianana loholona.Nahena ho 18 moa ny isan'ireo loholona ka ny 16 amin'ireo no fidiana.Mpifidy lehibe no mifidy fa tsy ny vahoaka mivantana.

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

Voir plus d'infos...

23/10/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200818

Misongadina

Fanadinam-panjakana Sao dia mba ho kitoatoa indray ?

18/08/2020

Terena fotsiny ny mpampianatra, hoy ry zareo sendikan’ny mpampianatra omaly, raha nahita ireny tany Toamasina ireny ianareo. Ataovy ny fanatanjahantena dia apetrao ny arotava.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Politika avo lenta Mifamingana ny samy mpitondra...

18/08/2020

Fanomezana ara-pitaovana no nataon’ny PNUD, fa tsy nisy hoe tsenambaro-panjakana, hoy ny Minisitry ny atitany teo anatrehan’ilay raharaha fampitaovana mitentina 216 tapitrisa ariary mahery, izay ity minisitra ity sy ny vadiny no manasonia ny faktiora,

Hamaky ny tohiny...

Faniry Razafimanantany “Anjaran’ny vahoaka no mandray fanapahan-kevitra”

18/08/2020

Tsy azo ialana ny hoe hifamatotra amin’ny krizy ara-pahasalamana ny krizy ara-tsosialy ary hifandray amin’ny krizy ara-tsosialy ny krizy ara-toekarena dia io hitantsika mitarika amina krizy politika io,

Hamaky ny tohiny...

TAMAMI Mangataka ny hanesorana ny Praiminisitra

18/08/2020

Mangataka ny hanalana ny lehiben’ny governemanta Ntsay Christian amin’ny toerany ny antoko politika TAMAMI, tarihin’ny filoha nasionaliny Atoa Samihary Floriot.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ambodivona Maty may kilan’ny afo ilay lehilahy lehibe

18/08/2020

Nitrangana haintrano namoizana ain’olona omaly maraina tetsy Ambodivona, akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Galana. Lehilahy lehibe iray izay 85 taona no fantatra fa namoy ny ainy tamin’izany,

Hamaky ny tohiny...

Mpitsabo Malagasy FI.TR.AMA Hampidina ny vidim-panafodiny mba ho zakan’ny rehetra

18/08/2020

Hanao fanavaozana makadiry eo anivon’ny orinasa tantanany Rafanomezantsoa Jean Nirina manomboka izao.

Hamaky ny tohiny...

Fahavakisan’ny sambo WAKASHIO Nangataka tolo-tanana amin’i Madagasikara i Maorisy

18/08/2020

Nangataka tolo-tanana amin’i Madagasikara i Maorisy mba hanampy azy hiatrika ny voina taorian’ny fahavakisan’ilay sambo mpitatitra entana MV Wakashio ao an-toerana ny 25 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Tameantsoa- Betioky Atsimo Vehivavy narary teo am-pandriana may kila

18/08/2020

Nisesy ny haintrano namoizana ain’olona tato ho ato. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Masoivohon’i Japon Yoshihiro Higuchi Mangataka ny hamelana an’Ambatovy hisokatra

18/08/2020

Mpiasa 3500 no nalefa “chômage technique” tao amin’ny Orinasa Ambatovy nanomboka ny volana mey noho ny fisian’ny olona voan’ny Covid 19 sy ny fahafatesana teratany Filipianina iray.

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Nanao antso avo koa ireo mpivarotra eny amin’ny Plage

18/08/2020

Raha mbola tsy nahitam-baliny ankehitriny ny fangatahan’ireo mpivarotra “brochettes” eny amin’ny “Bord”

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana “Tsy maintsy hampandehanina ny fotodrafitrasa”

18/08/2020

Nisento kely ny mponin’i Ranomafana taorian’ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hanalalahana ny fisokafan’ny lalam-pirenena ao amin’ny faritra Atsinanana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Maneno ny lakolosy

18/08/2020

Maneno ny lakolosy. Tsy hoe fidirana an-tsekoly akory fa tena lakolosy fanairana mikasika izay heverina ho loza mitatao amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vohemar Havaozina ny seranan-tsambo

18/08/2020

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny “culture de rentes” toy ny fambolena jirofo, lavanila... niaraka tamin` ireo lehiben` ny sampandraharaha ara-paritra ao SAVA ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) Richard Randriamandrato, omaly maraina tany Sambava.

Hamaky ny tohiny...

Tsenam-barom-panjakana Nivoaka ny drafitra ho amin` ity taona ity

18/08/2020

Nivoaka eny amin` ny pejy fesibokin` ny minisiteran` ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny planina navaozina mahakasika ny tsenam-barom-panjakana ho amin` ity taona 2020 ity.

Hamaky ny tohiny...

Famolavolana tanàna vaovao Handrafitra bokin`andraikitra iombonana ny ministera

18/08/2020

Manana ny rehetra handray anjara amina takalo-kevitra vitsivitsy amin’ny alalan’ny tranonkala na WEBINAR ny Ministera Lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Fonenana izay ao anatin’ny fanatanterahana ny fanapariahana ny Tanàna Vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

SEMPAMA « Omeo anay ny minisiteran’ny fanabeazana »

18/08/2020

Tsy nitsitsy fitenenana ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina Havaozina ny satan’ny mpanakanto

18/08/2020

Ho fampiarana ny fandaharan’asa sahanin’ny fitondram-panjakana izay mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ho fampivoarana ny

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Anosibe Nifoka rongony no sady nandratra olona izy roalahy

18/08/2020

Lehilahy roa no voasambotry ny polisin'ny boriborintany fahadimy ny 16 Aogositra lasa teo teny Anosibe Rond point tokony ho tamin'ny 9ora alina. Tratra nifoka rongony izy ireo ka olona nivoaka ny elakelan-trano avy teo akaikin'ny Supermaki no nahatsikaritra izany.

Hamaky ny tohiny...

Antsahavaribe Vohemar Olona telo matin’ny fitsaram-bahoaka

18/08/2020

Vehivavy roa sy lehilahy iray no niara-namoy ny ainy, niharan’ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny Kaominina Antsahavaribe Distrika Vohemar. Voatonona ho mpisoloky, manome fanafody fampatoriana toy ny « valium » ny olona iantranoany izy ireo avy eo mangalatra lavanila.

Hamaky ny tohiny...

Halatra Tuk Tuk Voavely maritoa ny lohan’ilay mpamily

18/08/2020

Lehilahy iray 25 taona izay voalaza fa mpangalatra tuk tuk no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny SUT Toamasina ny 16 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Akany Iarivo Anosizato Maniry hotohanana hatrany ireo fianakaviana sahirana

18/08/2020

Mahatratra 300 ireo olona mipetraka ao amin’ny Akany Iarivo Anosizato amin’izao avy amina fianakaviana sahirana ara-pivelomana miisa 102.

Hamaky ny tohiny...

Anosinalainolona-Marovoay 320 ha no ho afaka volena in-droa isan-taona

18/08/2020

Lakandrano mirefy 3 km sy 14 m ao amin’ny Kaominina Anosinalainolona, Disitrikan’i Marovoay no diovina sy halalahina. Nanomboka ny sabotsy 15 Aogositra ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Ambalabe Ouest – Antsohihy Lehilahy iray hita faty tao anaty lakandrano

18/08/2020

Hatairana ny an’ny olona, omaly marina, nahita fatin-dehilahy iray nihohoka tao anaty lakandrano tao Ambodimadiro, Fokontany Ambalabe Ouest, Antsohihy.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Lasa tokoa angamba ny Coronavirus Efa tanam-be midôla i Toamasina

18/08/2020

Tena miverina amin’ny fiainana andavandro ara-bakiteny ny mponina ao Toamasina amin’izao fotoana izao, taorian’ny fanalefahana ny fepetra ara-pahasalamana.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus eto Madagasikara 1 896 isaky ny olona 1 tapitrisa ny taham-pitiliana

18/08/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga indray no lavon’ny covid-19, ka 171 ireo namoy ny ainy hatramin’izay. 59 ny tranga vaovao omaly, hita tamin’ny fitiliana 371, izay manome taham-pahavoazana 15,90%.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 216 tapitrisan’ny CCO Tsy mbola naneho hevitra ny PNUD

18/08/2020

Fampitaovana nataon’ny mpiara-miombon’antoka, fa tsy nisy vola nandalo tao amin’ny CCO na ny ariary aza ilay raharaha 216 tapitrisa ariary nividianana ireo fitaovana, hoy ny Minisitry ny atitany Tianarivelo Razafimahefa. Tsy misy vola nomena notantanin’ny CCO, hoy izy.

Hamaky ny tohiny...

CTC-19 Mahamasina Mifanakalo traikefa amin’ny any ivelany

18/08/2020

Nisy ny fifanakalozana traikefa mikasika ny fandraisana an-tanana ireo mararin'ny Covid-19 izay nifanaovan'ireo miaramila misehatra eo amin’ny fahasalamana ao amin'ny CTC-19 Mahamasina sy ny dokotera

Hamaky ny tohiny...

Fizaham-pahasalamana Miha vitsy ireo manantona CSB II

18/08/2020

Mihena ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana ambaratonga fototra na CSB II amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana