Fil d'actualités du 09/09/2020

  • 09/09/2020 - 00:30 : ANTENIMIERANDOHOLONA:Nandroso ny datin'ny 11 desambra 2020 ny CENI mba hanatanterahana ny fifidianana loholona.Nahena ho 18 moa ny isan'ireo loholona ka ny 16 amin'ireo no fidiana.Mpifidy lehibe no mifidy fa tsy ny vahoaka mivantana.

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

Voir plus d'infos...

23/10/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200820

Misongadina

Fanakatonana ny MAGRO Tetika hanagadrana an-dRavalomanana ?

20/08/2020

Taorian’ny taratasy manome fe-potoana enim-bolana hialan’ny orinasa MBS eny Anosipatrana, dia niroso amin’ny fanakatonana ny orinasa MAGRO an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa ny fanjakana amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Governemanta miova matetika Porofon’ny tsy fahaiza-mitantana

20/08/2020

Nandrasana omaly ny fanovana mpikamban’ny governemanta, araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray, saingy mbola tsy tanteraka aloha izany.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AAA Behoririka “Nandoa hetra ara-dalàna izahay”

20/08/2020

Aleo hazava fa tsy ny Magro no nakatona fa ny AAA Behoririka, hoy ny mpitantana ny orinasa taorian’ny fanakatonana nataon’ny Fitantanana ankapoben’ny hetra na ny DGI omaly.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Misy mpankafy any Afrika

20/08/2020

Tonga hatrany Bamako, renivohitr’i Mali ka hatrany Abidjan, renivohitr’i Cote d’Ivoire ny fanamiana misy ny sarin’ny filoham-pirenena Malagasy teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Flyover Hitsefotra ohatry ny Tana Masoandro ihany koa ?

20/08/2020

Notapahana mandritra ny Filankevitry ny minisitra 24 jona lasa teo fa hatomboka afaka herinandro vitsy ny dingana voalohany amin` ny asa fanamboarana an` ireo FlyOver na teteza-mihantona ambony kihon-dalana miisa roa, dia ny etsy Andohatapenaka/Ampasika, sy ny etsy Anosizato.

Hamaky ny tohiny...

Pr Radanoara Julien “Misy firenen-dehibe ao ambadiky ny fanonganam-panjakana…”

20/08/2020

Nisy fanonganam-panjakana niseho tany Mali izay nanasamborana an` ny filoham-pirenena Ibrahim Boubacar Keita (IBK) sy ny praiminsitra ary ny mpikambana eo anivon` ny governemanta any an-toerana ny talata lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ny krizy tsy voalamina Mbola manam-potoana hiantsiana ady ihany ny fanjakana

20/08/2020

Mitana ny sain’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao ny raharaha fanakatonana ny orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay heverina ho misy ambadika ara-politika.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Malagasy nihitsoka tany ivelany 815 no efa tafody an-tanindrazana

20/08/2020

Mitohy ny fampodiana an-tanindrazana ireo Malagasy nihitsoka tany ivelany taorian’ny fikatonan’ny sisintan’i Madagasikara ny 19 marsa 2020, noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus.

Hamaky ny tohiny...

Sambava Vola sandoka 3.240.000 Ar no tratra

20/08/2020

Vola sandoka mitentina 3.240.000 Ar no tratra tany amin’ny distrikan’i Sambava. Ahitana 10.000 Ar miisa 24 sy 20.000 Ar

Hamaky ny tohiny...

Zandarin’i Fandriana Nahazo fankasitrahana avy amin’ny depiote

20/08/2020

Tsy diso anjara amin’ny fanolorana azy ireo fitaovana hoenti-miady amin’ny tsimokaretina covid-19 ireo zandary miasa any amin’ny distrikan’i Fandriana Faritra

Hamaky ny tohiny...

Mihari-Ni-Rencho “Hiverina hihiboka isika aorian’ny Bakalorea”

20/08/2020

Mivoy ny fomba fijery afovoany ny antoko politika Natiora saingy nisafidy ny hiditra ao anatin’ny rodoben’ny mpanohitra na RMDM satria misy fitantanana tsy mety eto ary rehefa miteny izahay dia tsy henoina, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihary-Ni-Rencho.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra iraisam-pirenena Hiaka-tsehatra ny Barea amin’ny novambra

20/08/2020

Fantatra omaly hariva ireo daty ofisialy vaovao hanatanterahana ny fifanintsanana CAN Total sy ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022 eo amin’ny taranja baolina kitra.

Hamaky ny tohiny...

Ligue des Champions FC Bayern sy PSG no hanao famaranana

20/08/2020

Narapaky ny Bayern Munich ny Olympique Lyonnais halina.3 no 0 ny isa teny amin’ny fafana.Nahatafiditra baolina roa i Gnabry teo amin’ny minitra faha 18 sy faha 33.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Politikan’ny entim-po

20/08/2020

An-taonany maro izay no nanakoakoan’ny antso avo mikasika ny tokony hametrahana amin’izay izany fampihavanam-pirenena izany fa indrindra ny hampitsaharana ny valifaty politika eto amin’ity firenena ity.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanety Nafana ny adihevitra teny Ambodivona

20/08/2020

Novoaboasana nandritra ny fivorian’ny ATT sy ny mpitatitra omaly 19 aogositra teny Ambodivona ny fiomanana tokony hatao amin’ny famerenana ny fitaterana izay niato 5 volana mahery.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly tsy miankina “Ahemory ny datim-panadinana”

20/08/2020

Nanao hetsika nanoloana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fiofanana ara-teknika etsy Anosy omaly ireo talen-tsekoly sy mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina vitsivitsy eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Jerry Rakotoarijaona “Atao fitaovana politika foana ny fanabeazana eto”

20/08/2020

Isan’ny raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny resaka “écran plat” tao amin’ny CCO sy ny resaka fanabeazam-pirenena, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Minisiteran’ny fahasalamana Nanameloka ny famonoana Paramed

20/08/2020

Namoaka fanambarana manameloka ny herisetra nitarika ny fahafatesan-dRakajilahy Joseph, ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampanihy sady lehiben’ny Tobim-pahasalamana fototra (CSB I) ao Beteva Distrikan’i Miandrivazo niseho ny 12 aogositra teo ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Sambava Roa lahy tratra namaky trano sy nangalatra moto

20/08/2020

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Sambava ny talata 18 aogositra teo noho ny resaka vaky trano sy halatra moto.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Fanonganam-panjakana tany Mali Vita hatreto ny momba ny filoha IBK

20/08/2020

Nametra-pialana rehefa tratry ny tsindrin’ireo miaramila mpikomy ny filoha Maliana Ibrahim Boubacar Keita (IBK).

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Antananarivo Tanàna maro no mijaly rano

20/08/2020

Ankerana Ankadindramamy, Soamanandrariny, Ambatobe, Mandrosoa, Masinandriana, Analamahitsy Cité, Analamahitsy Tanàna, Andranobevava, Andrononobe, Andafiavaratra, Ambohitrarahaba,

Hamaky ny tohiny...

Maitre FRAM Amboasary Sud Lasa mivaro-drano hividanan-kanina

20/08/2020

Misedra ny mafy ireo mpampianatra FRAM ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Amboasary Atsimo.

Hamaky ny tohiny...

Voina am-perin’asa Mila famonjena maika ireo roalahy nipoahan’ny vato

20/08/2020

Lehilahy roa zanak’olom-pianadahy no indray naratra mafy ny sabotsy teo teny Ivato Anjomakely, rehefa nipitihan’ny vato napoakany tamin'ny vanja. Zazalahy kely 15 taona ny iray tamin’izy ireo raha 26 taona kosa ilay iray, izay samy nanampy ireo Ray aman-dReniny amin’ity asa ity.

Hamaky ny tohiny...

Chef Mbinina « Aza entina manonofy ao Antananarivo intsony ny olona »

20/08/2020

Asa mampanakarena ny fambolena sy fiompiana, hoy Randrianaivo Ambinintsoa Arson na Chef Mbinina, filoha mpanorina ny orinasa malagasy La Gastronomie Pizza.

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjovana ireo Zokiolona Hatsaraina, haparitaka ny fizarana «pension »

20/08/2020

Hatsaraina ny fomba fizarana ny vola fisotroan-dronono eto amintsika manomboka izao raha araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana nandritra ny fitsidihany ifotony nataony teny amin’ny « Perception Principale Avaradrano ».

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Coronavirus Mihena ny fitiliana, mihena ny tranga

20/08/2020

Mijanona ho 173 ireo lavon’ny covid-19 hatram’izay satria tsy nisy ny namoy ny ainy, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Boeny Voa ny 38,20%n’ireo voatily

20/08/2020

Hatramin’ny omaly dia miisa 293 ny isan’ireo voan’ny Covid 19 ao amin’ny faritr’i Boeny raha toa ka miisa 767 ny fitiliana vita.

Hamaky ny tohiny...

Fivoahana amin’ny fihibohana Ho hentitra ny polisim-pirenena

20/08/2020

Raha mbola tsy mivoaka tanteraka amin'ny fihibohana ny eto Analamanga dia tsikaritra fa efa mitohana sahady ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra na dia mbola tsy miasa aza ireo fiara mpitatitra. Manginy fotsiny ireo mpivarotra mameno ny sisin-dalana .

Hamaky ny tohiny...

Depiote Nicolas Randrianasolo “Tafiditra resaka politika ny ady amin’ny Covid 19”

20/08/2020

Nambaran’ny depiote voafidy any an-toerana, Nicolas Randrianasolo, fa : “mbola tsy nahazo ny fitaovana sy fanampiana hoenti-miady amin’ny tsimokaretina covid-19 mandrak’ankehitriny ny distrikan’i Betroka Faritra Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid-19 Dokotera Sinoa miisa 30 no mifarimbona amin’ny Malagasy

20/08/2020

Nanomboka ny volana aogositra 1975 ry zareo Sinoa no nandefa andiana mpitsabo eto Madagasikara, voafaritra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eo amin’ny firenena roa tonta.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana