Fil d'actualités du 09/09/2020

  • 09/09/2020 - 00:30 : ANTENIMIERANDOHOLONA:Nandroso ny datin'ny 11 desambra 2020 ny CENI mba hanatanterahana ny fifidianana loholona.Nahena ho 18 moa ny isan'ireo loholona ka ny 16 amin'ireo no fidiana.Mpifidy lehibe no mifidy fa tsy ny vahoaka mivantana.

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

Voir plus d'infos...

19/10/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200902

Misongadina

Ravalomanana sy ny TIKO Ho potehana mandritra ny fahamehana

02/09/2020

Taorian’ny teto Antananarivo sy Toamasina, dia nakaton’ny Sampan-draharahan’ny hetra omaly ihany koa ny Tiko AAA any Andranomanelatra Antsirabe, orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Loholon`i Madagasikara 18 monja sisa amin` ny volana janoary 2021

02/09/2020

Raha nivory ireo mpikambana anatin’ny vaomiera ikambanana (CMP) ny 28 aogositra lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza sy ny 31 aogositra teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, dia nisy hatrany ny tsy fisian’ny fitovian-kevitra teo amin’ny Solombavambahoaka sy ny Loholona.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Miantso ny Praiminisitra mba hanara-dalàna

02/09/2020

Gaga sy talanjona aho satria ny tatitra ny tatitra sy ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana indroa miantoana nataon’ny antenimierandoholona sy antenimieram-pirenena androany vao vita, hoy ny Filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Frantsay Manohy ny hetsika hitazomana ny “îles eparses”

02/09/2020

Raha matoritory ankehitriny ny resaka nosy Malagasy eto Madagasikara na ireo nosy manodidina dia manohy ny hetsika hitazomany izany kosa ny fitondrana frantsay. Mbola tsaroana ilay teny malaza nataon’ny filoham-pirenena frantsay,

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina Mila mitandrina....

02/09/2020

Nisy moa ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Filankevitra monisipaly ny herinadro lasa teo. Tena nanamarika ny fivoriana moa dia no terena hatao latsa-bato miafina ny fandaniana ny lahadinika izay tokony ho atao tsangan-tanana ka tsy nanaiky ny ankamaroan’ireo mpanolotsaina ka nivoaka ny efitrano fivoriana avy hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana toekarena Mila fitoniana ara-politika ny mpamatsy vola

02/09/2020

Tsy mitsa-miakatra ny taham-pisondrotan’ny vidim –piainana (taux d’inflation) ary efa mety ho tonga 8% izany raha 5,6% tamin’ny taona 2019.

Hamaky ny tohiny...

Fikithinana lalàmpanorenana Mazava ny lalàna…

02/09/2020

Tonga amin` ny tanjona niriany ny fitondram-panjakana amin` ny fandanianana ny volavolan-dalàna lah. 01/2020. Mazava izany fa tiany ho fehezina avokoa ireo andrimpanjakana rehetra eto amin` ny firenena matoa ny isan` ny loholona izay 63 nahena ho 18 isa.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Jean Pierre Efa dinihan'ny ministera ny momba azy

02/09/2020

Miisa 6 ireo mpikambana nahazo fankatoavana eo anivon’ny foibem-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara eto Antananarivo sy Toamasina ary Mahajanga amin’izao raha mahatratra 6.000 kosa ireo mpikambana.

Hamaky ny tohiny...

Trafika sy fandripahana voamboana Voasaringotra ny ben’ny tanànan’Andekaleka

02/09/2020

Ny talata 18 Aogositra 2020 no sarona tao tao Moramanga ny "palissandre" na voamboana efa vita "parkex" natao tao anaty gony lehibe mihisa 20 mahery, izay tombanana ho hazo lehibe 200 eo no nahazoana azy.

Hamaky ny tohiny...

MPANALA CEPE TAO AMIN’NY ZAP ALASORA Notolorana sakafo atoandro mafana avokoa omaly

02/09/2020

Niavaka ny fizotry ny fanadinana CEPE omaly ho an’ny ZAP Alasora; distrikan’Avaradrano. Tsy nisy nanatitra sakafo atoandro intsony mantsy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehefa nampilazaina mialoha fa horaisin’ny kaominina Alasora an-tanana avokoa izany notarihin’ny

Hamaky ny tohiny...

Lemak’Ambohimanarina Misy misandoka ny tanin’ny tantsaha

02/09/2020

Misy andian’olona tsy fantatra mamariparitra tanimbary amin’ny lemak’Ambohimanarina, Boriborintany fahaenina Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Lasibatra amin’izany ny tanimbary eny amin’iny faritra manakaiky lalana « Rocade Andohatapenaka » iny

Hamaky ny tohiny...

Taranja matematika Mihena ny tanora liana aminy

02/09/2020

Tetikasa iarahan’ireo mpankafy ny taranja matematika manatontosa ny tetikasa « Matematika pour tous ». Antony, raha ny fanazavana, dia noho ny fahitana fa mihena dia mihena ny tanora liana amin’izy io amin’izao vaninandro iainantsika izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fifaninanana iraisampirenena Ny Fosa Juniors sy Cnaps sport no solontenantsika

02/09/2020

Namoaka tetiandro vaovao mikasika ny fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny taranja baolina kitra ho an’ireo klioba ny avy eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanina. Efa nanomboka omaly moa ny fametrahana ny fifanarahana hanatontosana azy io ary hifarana ny 20 oktobra izao ka hiantsoan’ny CAF ireo federasionina isam-pirenena, mazava ho azy.

Hamaky ny tohiny...

Adrien Melvin Tsy mpiandry tsatokazo voalohan’ny Martigues

02/09/2020

Nosongonan’ny mpiandry tsatokazo faharoa teo aloha eo anivon’ny klioba frantsay, FC Martigues, Steeve Elana, ny mpiandry tsatokazo Malagasy malaza, Adrien Melvin.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sao dia efa maty eritreritra?

02/09/2020

Mihamafana hatrany ny fifanandrinana eo amin’ny Fanjakana ankehitriny sy ny Filoha teo aloha, izay lehiben’ny mpanohitra. Tsy mijanona amin’ny adihevitra sy ny fifamelezana ara-kevitra, fa efa tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery sy herisetra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Faliarivo Ampitatafika Mpiadina 16 no tsy tonga

02/09/2020

Miisa 16 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy tonga niatrika ny fanadinana CEPE omaly ho an’ny foibem-panadinana CEG Faliarivo Ampitatafika. Raha miisa 1.188 mantsy izy ireo dia ny 1.172 no tonga omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana CEPE omaly Zandary miisa 345 no nahetsika teto Antananarivo

02/09/2020

Samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny fikarakarana sy fiarovana ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy niatrika ny fanadinana CEPE omaly avokoa ny mpitandro ny filaminana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandrosoana Mila mamokatra ny Malagasy

02/09/2020

Tsapa ankehitriny fa tsy vita ny mampifanaraka ny fitombon' ny mponina amin'ny fihariana ka mampahantra tokoa.

Hamaky ny tohiny...

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA:* Sakana ho an’ny fampandrosoana!

02/09/2020

Na dia efa manao ny ezaka rehetra ireo tomponandraikitra samihafa hoentina mampandroso ireo faritra eto Madagasikara dia mbola olana hatrany ny tsy fisian`ny fandriampahalemana. Isan` ireny ny fafian-dahalo sy ny fanafiahana tokantrano izay

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpiadina manana fahasembanana Nisy 45 mianadahy no niatrika fanadinana CEPE

02/09/2020

Miisa 45 ireo mpiadina manana fahasembanana voasoratra anarana niatrika fanadinana CEPE tamin’ity 2020 ity.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Antsiranana Hivaly afaka herinandro ny CEPE

02/09/2020

Tamin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana CEPE teto Antananarivo sy Antsiranana izay natao omaly,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Halatra miaro herisetra Lehilahy roa no natolotra ny fitsa rana

02/09/2020

Lehilahy miisa roa no nosamborin’ny polisy ao Toamasina, omaly 01 Septambra sy tamin’ny 31 Aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Volamena ao Vohilava Mifampitana ny Depiote sy ny Lehiben'ny Distrika

02/09/2020

Nikasa ny hanao fitokonana ny mponina ao Vohilava, omaly, tsy manaiky ny fitrandrahana volamena manimba tontolo iainana ao an-toerana ataona Sinoa. Nilaza ny depioten’i Mananjary

Hamaky ny tohiny...

Vokatry ny tantsaha hatao vatsy tsinjo Nividy karaoty, ovy, laisoa ny fitondrana

02/09/2020

Karaoty 10 taonina, ovy 10 taonina, laisoa 5000 no novidian’ny fitondram-panjakana nanomboka omaly. Novidiana tamin’ny vidiny ara-drariny. 600Ar ny kilaon’ny karaoty, raha 450Ar no hakan’ny mpanangom-bokatra tany amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Fandaminana ny CEPE Tena niasa sy nanampy ny polisy

02/09/2020

Te hitoraka voninkazo ireo polisim-pirenena niasa nanampy ny fandrindrana teny amin'ny toeram-panadinana CEPE androany (TTF: Omaly) aho,

Hamaky ny tohiny...

Morafeno Morondava Lehilahy 31 taona nanolana zazakely 12 taona

02/09/2020

Lehilahy iray 31 taona no nanolana zazavavy kely vao 12 taona monja tany Morafeno, kaominina ambanivohitra Bemanonga distrikan’i Morondava ny 28 Aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Dr Ratsimovony “Aoka samy mbola hitandrina"

02/09/2020

Na dia efa miditra amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana aza isika, teo ihany koa ny fahatrarana ny pic amin’ny valan’aretina COVID 19 dia mbola miantso ny rehetra mba hanaraka ireo fepetra napetraky ny fanjakana hatrany ny dokotera Ratsimivony, filoha mpanorina ny vondrona JCR.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy 3 indray ireo maty

02/09/2020

Niampy 03 indray ireo lavon’ny coronavirus teto Madagasikara, ka 01 teto Analamanga, ary ny 02 tany Antsiranana faritra Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 195 izany no namoy ny ainy hatramin’izay.

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny COVID 19 teto nalefa tany La Réunion Miaro tena mafy ny Masoivoho Frantsay

02/09/2020

Fifanarahana teo amin’ny fitantanan-draharaha frantsay voakasik’izany eto Madagasikara sy La reunion ary Parisy no nahafahana namoaka mararin’ny COVID 19 am-polony niala teto ho atsy La Réunion hatramin’izay nisian’ity krizy ara-pahasalamana ity izay,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana