Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Sampan-draharaha itsinjaram-pahefana

Fanovāna taratasin'omby

tamin'ny 2016-02-03, navoaka ny 2016-02-23

Tompoko
Tamin'ny 2013 dia nivarotra omby ny tenako ,izay voarakitra anaty kahier, ary ny délégué no mitazona azy; Taty aoriana nisy olona very omby ,tonga teto Mandabe hitady ny ombiny ,ary rehefa nojerena dia nisy fitovizana tamin'ilay tao anaty kahie. Nisy nanova ny daty nivarotako ny omby,izay lasa Duplicata tamin'ny 2016. Voasambotra noho izany ny tenako,ary misy ny fitakiana ara-bola. Aiza tompoko ny fiarovana ny zon'olombelona amin'izany.
Misaotra mialoha,
ny Mpitory


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana