Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Sampan-draharaha itsinjaram-pahefana

Naka vola hijanonan'ny fampijaliana

tamin'ny 2016-01-03, navoaka ny 2016-02-23

Ho any Filohan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Morondava ny fitarainako.

Ny 03 Janoary 2016 dia voalaza fa tompon'antoka tamin'ny fahaverezan'omby ny tenako ary, rehefa voasambotry ny mpitandro ny filaminana dia sady voadaroka no nampijaliana.

Patron'omby iray no nividy ny tanimbariko an-tery, ary dia nanaiky tsy fidiny,raha tsy izany mbola hitohy ny fampijaliana.

Volabe no laniko tamin'ny fitsaboana ary mbola tsy sitrana tanteraka hatram'izao,ka hanaovako fitarainana mba hiverenanany fananako.

Misy ny Raiamandreny eto an-tanana niezaka ny handravina saingy tsy neken'izy ireo.Tafiditra ao anatin'io tompon'andraikitra 2 eto aminay. Mangataka fijerena akaiky io zava-mitranga ioMisaotra tompoko


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana