Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Sampan-draharaha itsinjaram-pahefana

Mitady Kolikoly

tamin'ny 2015-12-15, navoaka ny 2016-03-01

Tao ami'ny boriboritany iray teto andrenivohitra no, nitrangan'ity zavatra tantaraiko ity, nandritra ny fikarakarako taratasy momban'ny fisotroan-dronono, izay ilaina ny fanamarinana ny tsy niverenana nanambady,izay ny kaominina no mamoaka azy.Teo amin'ny copie de mariage no olana, satria tsy hita ilay izy,ary tsy azo soloina livret de Famille,hono, nony nivoaka anefa dia nisy nanaraka aho ary nilaza fa azo amboarina ihany raha mifanaraka, dia gaga ny tenako hoe inona no tena izy, azo atao sa tsia;tsy niditra tamin'izay dingana izay fa niezaka nitady an'ilay copie ihany,na dia nisy fahatarany aza vao vita; ka dia Hanairana ny mpitantana eny amin'ny boriboritany ihany izany.


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana