Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Sampan-draharaha itsinjaram-pahefana

Fanararaotam-pahefana

tamin'ny 2016-01-21, navoaka ny 2016-02-26

Tompoko, Ity zavatra entiko ity dia niainako tamin'ny fanamboarana Passeport tamin'ny taona 2009, rehefa nandalo dingana samihafa dia tsy nahita olana, saingy teo amin'ny dingana farany , hivoahan'ilay passeport no nihantona, ny antony dia hoe tsy nandoa vola nihoatra tokony naloa ara-dalana.Tena talanjona ny tenako, ary tsy nanaiky hatramin'ny farany, ary dia niverimberina sy nijalijaly vao tafavoaka ilay taratasy. Ny tena nampalahelo ahy,dia voatendry tamin'ny toerana ambonimbony indray io olona io 6 taona taty aoriana,dia lasa ny saiko hoe: tsy misy fanadihadiana atao mihitsy ve ny fanendrena olona ambony eto amintsika. Misaotra tompoko


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana