25/04/2018
Vola manodidina ny iray miliara Ar no ilaina amin’ny fanamboarana ho vaovao ny fiangonana FJKM Ambondrona Firaisana, Synodam-paritany Iarivo Avaradrano.
24/04/2018
Manoloana ny toe-draharaham- pirenena dia tsy afaka ny hangina izahay Mpitondra Fivavahana mivondrona ato amin’ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana), hoy ny fanambaran’izy ireo omaly, izay nosoniavin’ny mpandrindra dia ny mpitandrina Randriamisata Roger sy ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert.
23/04/2018
Nanao fanambarana lehibe tao amin’ny Sekoly Saint Michel Amparibe ny K3F (Komitin’ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana) omaly manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny sabotsy 21 aprily teo.
20/04/2018
Rehefa nandalo olana ara-bola nandritry ny 1 taona sy tapany ny fikambanana mampiely baiboly malagasy na ny FMBM, hoy ny sekretera jeneraliny, Ny pasitera Hubert Rakotoarivony, dia isaorana an’Andriamanitra fa efa manomboka miarina.
16/04/2018
Mipetraka ho tantara eo anivon’ny fiangonana katolika eto Madagasikara ny andron’ny omaly 15 martsa nanandratana ho olon-tsambatra an’i Lucien Botovasoa. Nisy ny lamesa lehibe tany an-toerana nandritra izany, ka ny kardinaly Maurice Piat evekan’i Port Louis atsy Maorisy, solontenan’ny Papa ray masina no nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy.
12/04/2018
Hapetraka anio ao amin'ny diosezin'i Farafangana ny eveka hitantana ity diosezy ity; ny Mgr Gaetano Di Pierro. Hisy ny Sorona Masina hotarihin'ireo evekan'i Madagasikara sy ny famakiana ny taratasy manendry azy amin'io andraikitra io, niainga avy yamin'ny fanendren'ny papa François ny 3 martsa teo.
05/04/2018
Taorian’ny savorovoro niseho teo anivon’ny fiangonana METM foibe sy ny METM Zoara famonjena tetsy Antohomadinika ny 12 martsa teo izay nitarika ny fanakatonan’ny fitondram-panjakana ity vondrom-pivavahana Misiona evanjelikan’ny teratany eto Madagasikara ity dia niakatra fampanoavana tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny talata teo ny raharaha.