Dans la męme rubrique

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

21/08/2018

Kandidà faha-20 nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny, omaly tetsy amin`ny HCC Ambohidahy i José Michel Andrianoelison na « José kely ».

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

Hamaky ny tohiny...

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

21/08/2018

Nanasa ireo mpiara-dia aminy rehetra eo anivon’ny fivoizana ny atao hoe fanorenana ifotony tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN sy ny antoko Kintana tarihin’ny filohany Tabera Randriamanantsoa.

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

21/08/2018

Nanaitra ny nitsanganan’ny vovonana politika “Voromahery” izay vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

21/08/2018

Efa ho herinandro izao no nifamoivoy ny vaovao fa ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay efa mananika ny faha 82 taonany amin’izao fotoana.

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

21/08/2018

Taorian'ny fahatontosana ny fandrotsahana ny dosie filatsahan-kofidiana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny sabotsy 18 aogositra teo sy ny fanambarana ofisialy ny fahavitan’izany tany Toamasina

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

21/08/2018

Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly i Dadafara na Joseph Martin Randriamampionona,

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

21/08/2018

Somary nanaitra ny fahitana an-dRadavidson Benjamin Andriamparany tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha satria tsy anisan’ireo nanao fanambarana ampahibemaso.

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vovonana Tsimialonjafy Fahavalony ny « extremiste » sy ny fahantrana

01/02/2017

Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny gaboraraka sy ny « extremiste » ary ny fahantrana ny Vononana Tsimialonjafy mifahatra amin’ny Soatoavina Repoblikanina tarihiko ankehitriny, hoy ny fanambarana nataon’ny filoha mpanorina azy, ny Dr Olivier Rabe Landry,

  tamin’ny kabary fohy nataony tao anatin’ny lanonam-pikoranana  fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao nifanaovan’ ireo mpikambana ao aminy sy ireo antoko politika na fikambanana nasainy toy ny « Grand Sakalava du Boeny » notarihan’ny  Ampanjaka Rasoamody  sy ny Mizatra (ex-militaire) … art ny firaisamonimpirenena teny amin’ny « Espace Green » teny Vontovorona ny sabotsy 28 janoary teo.  Samy resy lahatra ny rehetra fa tsy misy afa-tsy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana no hahafahana mampandroso marina an’i Madagasikara fa tsy ny fanohanana hevitra bontolo (extremiste) ataon’ny mpanohana ny fanjakana sy ireo mpanohitra. Aorian’ny fivoahan’ny didim-panjakana maha ara-dalànan’ny Vovonana amin’ity herinandro ity, dia hidina ifotony any amin’ny Faritra 22 manerana ny nosy ny mpikambana hanangana ny rafitra any an-toerana sy hanangana ny « Force de développement » ho an’ny firenena Malagasy.

Ntsoavina Evariste


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana