Dans la męme rubrique

Eny sefo !

21/08/2018

Manakory ianao ry Jean a ? Ho tanteraka anie ny sitraponao ! Miaiky anareo izahay fa any aminareo izany ny lakile e !

Eny sefo !

Hamaky ny tohiny...

Mahaiza mihaino

17/08/2018

Gasikara manankarena ambanin'ny tany. Miondan-kena nefa kere main-tany. Vitantsika samirery ve ny mitrandraka azy ? Sa ilaina ireo vahiny ampy fitaovana hanampy ?

Mahaiza mihaino

Hamaky ny tohiny...

Mba mailomailo e..

11/08/2018

Samy mihazakaza mirohotra, manatitra taratasy Filatsahana ho fidiana izay ho filohan'ny Malagasy. Tsy lahy , tsy vavy, tsy antitra tsy tanora. Mba samy manam-paniriana ny ho lany moramora.

Mba mailomailo e..

Hamaky ny tohiny...

Diabe

10/08/2018

Miarahaba jean, mitsingerina androany ilay diabe indray maka iry ee..mino aho fa tadidinao tsara izany daty izany na dia mboa tsy tao anatin’ny politika mihitsy aza ianao tamin’izany fotoana.

Diabe

Hamaky ny tohiny...

Mamirapiratra

08/08/2018

Manao ahoana Jean ! Akorontanareo ambony ambany ny eto an-tanĂ na dia izahay koa lasa fanina.

Mamirapiratra

Hamaky ny tohiny...

Mamoafady

06/08/2018

Miarahaba Jean a, izaho efa tena saika tsy hanoratra aty aminao intsony , fa nahita kosa ny adalan’ireo mpiara-miasa aminao dia tsy mandry ny eritreritra.Oh ry Jean a, fa dia ten any fahefana ve no mahalasa adala sa adala daholo ireo olona nomenao fahefana ireo e…

Mamoafady

Hamaky ny tohiny...

Mitsikitsiky dia mikipikipy

03/08/2018

Dia ahoana ry Jean a ! Miala tsiny aho rangahy fa tsy afaka nandalo omaly a ! Tena be loatra ny natao e ! Hainao ihany fa mamelom-bady aman-janaka ny tena.

Mitsikitsiky dia mikipikipy

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Tsy misy marina izay tsy hipoitra !

01/02/2017

Aiza ho aiza ianao ry Jean ? Mila manohy ny resako nataoko omaly aho fa tsy afa-po ary mbola feno ny foko.


 Indrisy mantsy ry Jean fa tsy nasianao maso na teny kely akory ireo havana aman-tsakaiza traboina teto amin’ny tany ama-monina fa ny nataonao ihany no nataonao an ! Dia tsy tahotra tsy henatra ny anao ary tsy niherikerika kely akory nanoloana ireo mpiray tanindrazana maty vokatry ny loza mahatsiravina, fa ny lalanao nankany andafy no nizoranao, ka toy ny miteny aminay hoe aleo ho faty any izay maty fa tsy hampidi-bola hameno ny paosiko. Dia lasa ny saiko hoe mbola mihevi-tena ho filohan’i Gasikara ihany ve ianao io ary mbola mihevitra ny hampiasa ny mikimakinao hiarovan-tseza ? Efa niteny anao foana aho hoe aza manao toetram-boloky ka mamy ny atsy fy ny aroa, ka hafangaro avokoa ny fifanampiana (+) sy ny fifanalana (-), hany ka mitsimbadika ambony ambany ny zava-drehetra. Mbola ho lasa gaigy amin’io ianareo ry Jean fa ataovy ihany. Aiza ve ka rehefa mba vory eny Antsonjombe ny olona dia mba tonga ianareo. Mifamotoana eny Mahamasina ny olona, dia eo ihany koa ianareo fa tsy mba tara. Fa rehefa amin’ilay kajinareo manokana iny ihany ianareo no mahagaga fa tsy mba hitanay mihitsy, saingy rehefa mandinika amin’ny fomba amam-pihetsikareo izahay, dia mivoaka ihany ny marina, ka io no hitenenako anareo hoe tsy misy marina izay tsy hipoitra. Mpamosavy mandeha alina aza, hono, ry Jean misy mahita, ka aza mihevitra anay ho dondrona sy kentrina a !

Marco tonga fofona

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana